Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Hanatrika ve Ianao?

Vonona Hanatrika ve Ianao?

Vonona Hanatrika ve Ianao?

▪Hanatrika inona? Ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe “Mankatoava An’Andriamanitra”! Haharitra telo andro io fivoriambe io, ary any Etazonia no hanaovana azy voalohany, amin’ny faran’ny volana Mey. Hatao any amin’ny firenena maro eran-tany izy io, mandritra ny volana maromaro aorian’izay. Azo inoana fa hisy iray hatao eo akaikin’ny tanàna misy anao.

Hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina ny fotoam-pivoriana, any amin’ny faritra rehetra, ary mozika no hanokatra azy. Izao no foto-kevitry ny andro zoma: ‘Ankatoavy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho.’ (Jeremia 7:23) Ho renao ny maraina ilay lahateny hoe “ ‘Mahatalanjona ny Nanaovana’ Antsika” sy ilay hoe “Nahoana Ianao no Tokony Hino ny Fitsanganana Amin’ny Maty?” Aorian’izay dia hamarana ny fotoam-pivoriana maraina ilay lahateny fototra hoe “Mankatoava an’Andriamanitra toa An’ilay Modelintsika.”

Ireto avy ny lahateny ho renao ny zoma tolakandro: “Aoka Isika ‘Hampifantoka ny Saina Amin’ny Fanahy’, mba ho Velona”, “Mitandrema Amin’izay Rehetra Mety ho Fitsiriritana”, ary “Aza Manaraka ‘Angano Noforonina Tamin-kafetsena.’ ” Hisy lahateny roa mifampitohy avy eo, hiresaka ireo hevitra misongadina ao amin’ny bokin’i Hagay sy Zakaria. Ny lahateny farany ny zoma dia hoe “Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!”

‘Mankatò Amin’ny Fo Amin’ny Zava-drehetra’, no foto-kevitra ho an’ny andro asabotsy. Miorina amin’ny Romanina 6:17 sy ny 2 Korintianina 2:9 izy io. Misy lahateny telo mifampitohy ny maraina, mitondra ny lohateny hoe “Sambatra ny Fianakaviana Manaraka ny Toro Lalan’Andriamanitra.” Ahitana fampisehoana sy fanadinadinana izy io, ary manazava izay azon’ny ray sy ny reny ary ny zanaka atao, mba hahasambatra ny fianakaviana. Hamarana ny fotoam-pivoriana maraina ilay lahateny hoe “Aoka ny Teninareo Rehefa Eny dia Eny.” Hatao batisa ireo mahafeno fepetra, aorian’izay.

Ireto avy ny lahateny ny asabotsy tolakandro: “Avilio Tsy Hijery Zava-poana ny Masonao” sy hoe “Miverena Amin’ilay Mpiandry Anareo.” Hanaraka izany ny lahateny roa mifampitohy mitondra ny lohateny hoe “Aoka Ianareo Hankatò An’ireo Mitarika.” Hisongadina amin’io fivoriambe io ilay lahateny farany ny asabotsy tolakandro, mitondra ny lohateny hoe “Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?”

Hovelabelarina ny alahady ny foto-kevitra hoe ‘Ankatoavy Izao Teny Rehetra Izao mba Hahita Soa Ianao.’ Miorina amin’ny Deoteronomia 12:28 izy io. Hanoro hevitra azo ampiharina mba hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly mandaitra, ireo lahateny telo mifampitohy hoe “Ampio ny Olona Hankatò Izay Ampianarin’ny Baiboly.”

Hamarana ny fotoam-pivoriana maraina ny fampisehoana tantara mitondra ny lohateny hoe “Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’Andriamanitra.” Hialoha azy io ny lahateny hoe: “Ry Tanora, Hitondra Fahombiazana ve ny Tanjonareo?” Hanomana ny sain’ny mpihaino ho amin’ilay fampisehoana tantara io lahateny io. Miresaka momba ny tovolahy iray atao hoe Timoty ilay tantara. Nahafoy tena hanampy ny hafa izy, ka tokony hotahafin’ny tanora ankehitriny. Hisy lahateny ho an’ny besinimaro ny alahady tolakandro, mitondra ny lohateny hoe “Iza no Tokony Hankatoavintsika?”

Alamino dieny izao ny fotoananao mba hanatrehana io fivoriambe io. Mba hahafantaranao ny toerana hanaovana azy akaiky anao indrindra, dia manatòna ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity. Misy lisitry ny toerana manerana ny nosy hanaovana io fivoriambe io, ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa.