Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hanan-kery eo Amin’ny Fiainanao ve ny Zodiaka?

Tokony Hanan-kery eo Amin’ny Fiainanao ve ny Zodiaka?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Hanan-kery eo Amin’ny Fiainanao ve ny Zodiaka?

“MISY FOANA TANORA SY OLO-DEHIBE MANDINIKA NY KINTANA MBA HAHITANA FAMANTARANA MOMBA IZAY HO ANJARANY.” — PAPA JEAN-PAUL II.

ARAKA ny asehon’ny fitsapan-kevitra iray, dia Amerikanina 1 amin’ny 4 no mijery tonon’andro rehefa handray fanapahan-kevitra. Tsy ny olona amin’iny faritra amin’izao tontolo izao iny ihany akory no mizaha ny tonon’androny. Saika maneran-tany mihitsy, dia mizaha ny zodiaka ny olona mba hahazoana torohevitra momba ny raharaha ara-bola, ny fikasana hanao dia lavitra, ny fiovana anton’asa, ny datin’ny fampakaram-bady, ary ny tetikady ara-tafika. Voalaza fa afaka mamantatra izay olona mety halaina ho vady ny mariky ny zodiakan’ny olona iray, ary afaka mampiharihary mihitsy aza hoe olon-droa toy iza no manana toetra tsy afaka ny hiaraka mihitsy. Manomboka any Atsinanana ka hatrany Andrefana, dia nisarika ny sain’ny olona an-tapitrisany maro ny mahakasika ny tonon’andro. Ahoana anefa no niandohan’ny zodiaka?

Fiandohany ara-tantara

Rehefa zohina ny endriny maro samihafa amin’ny zodiaka, dia tonga hatrany amin’ny sivilizasiona tany am-boalohany indrindra fantatra. Na ny Baiboly aza dia miresaka momba “ny kintana amin’ny Zodiaka”. (2 Mpanjaka 23:5). Miharihary fa fahiny, dia nizaha ny zodiaka ny Hindoa, ary koa ny Sinoa, ny Ejipsianina, ny Grika, ary ny hafa. Tany Babylona fahiny anefa no nahitana ny firesahana voalohany indrindra momba ny mariky ny zodiaka.

Nampivoatra tsikelikely ny fahalalany momba ny tonon’andro ny Babylonianina mba hahazoana fanazavana momba ny hoavy. Arakaraka ny nanamarihana fihetsehan’ny tenan-javatra eny amin’ny lanitra no nanaovana sarin’ny habakabaka sy tabilao be tsipirian-javatra. Avy tamin’ireny no nilazana mialoha momba ny raharahan’ny olombelona sy ny zava-niseho tetỳ an-tany. Tamin’ny toe-javatra maro, dia tsy nisy fanapahan-kevitra ara-politika na ara-tafika noraisina raha tsy nantsoina aloha ny mpanandro mba hanome ny heviny. Noho izany, dia nanjary to teny be ny kilasina mpisorona, izay nilaza ho nanana fahendrena manokana sy hery avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona. Raha ny marina, dia nanana toeram-pandinihana ny eny amin’ny lanitra ny tempoly niavaka rehetra tao Babylona.

Mbola manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona maro ihany ny mariky ny zodiaka amin’izao andro maoderina izao. Na ireo milaza ho tsy mino ny tonon’andro aza dia mety hizaha azy io ihany indraindray mba ho fialam-boly na noho ny fahalianana ta hahafanta-javatra fotsiny. Marina fa nisy tanteraka ny filazana mialoha sasany nataon’ny mpanandro. Midika anefa ve izany fa mahasoa ny fizahana ireo kintana? Ahoana marina no niheveran’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ny fahalianana amin’ny tonon’andro?

Loza miafina

Tsy mba toy ireo Babylonianina ny Jiosy nahatoky fa tsy nanao fanandroana, ary nanana antony marim-pototra izy ireo tamin’izany. Nampitandrina azy ireo mazava toy izao mantsy Andriamanitra: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) [manao sikidy, na mpanao majika na mitady fambara na mpamosavy, na manozona ho famosaviana na maka hevitra any amin’ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy na any amin’ny mpanambara mialoha ny zavatra hiseho, NW ], na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”. *Deoteronomia 18:10-12.

Nanohitra mafy ny fanandroana ny mpanompon’Andriamanitra. I Josia, mpanjaka nahatoky, ohatra, dia ‘nampitsahatra ireo izay nandoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala, ho an’ny masoandro, ary ho an’ny volana sy ny kintana amin’ny Zodiaka’. Voalaza fa ‘nahitsy teo imason’i Jehovah’ izany zavatra nataon’i Josia izany, ary nitahy azy noho izany Andriamanitra. (2 Mpanjaka 22:2; 23:5). Mety hisy anefa hanontany hoe: ‘Moa anefa ve tsy mba misy tanteraka ihany ny sasany amin’ireny filazana mialoha ataon’ireo mpanandro ireny?’

Mahaliana fa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia amakiantsika ny amin’ny ankizivavy iray, ka voalaza fa “ny faminaniana nataony no nahazoan’ny tompony harena be”. Toa tanteraka tokoa ny sasany tamin’ireo zavatra nambaran’io ankizivavy io mialoha, satria nahazo tombony avy tamin’ny hery nananany ireo tompony. Inona anefa no nahatonga an’io ankizivavy io hahay hilaza mialoha ny zava-miseho ho avy? Ambaran’ny Baiboly fa teo ambanin’ny herin’ny “fanahy iray, demonian’ny fanaovana sikidy” izy. — Asan’ny Apostoly 16:16, NW.

Asehon’ny Baiboly fa ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy, [i Satana Devoly], avokoa’. (1 Jaona 5:19). Hain’i Satana sy ireo demonia ny nitarika ny fisehoan-javatra mba hahatanteraka ny sasany amin’ireo filazana mialoha, ka nahasarika ny sain’ny olona an-tapitrisany maro izy tamin’izany.

Ny fahamarinana tsotra dia hoe anisan’ny “fanangolen’ny devoly” ny fanandroana, ary ampiasainy mba hifehezana sy hitaomana ny olona hahatanteraka ny zava-kendreny. Araka izany, dia tsy mahagaga loatra raha toa ny Baiboly ka mampirisika mafy ny Kristianina mba “hifahatra” amin’ny fiadiana amin’ny tetikady feno hafetsen’i Satana — anisan’izany ny fanandroana. (Efesiana 6:11). Midika anefa ve izany fa navela tsy hanana tari-dalana mahakasika ny hoavy isika?

Ny Baiboly — Tari-dalana azo itokisana

Olona an-tapitrisany maro no nahita fa tari-dalana azo itokisana ny Baiboly rehefa handray fanapahan-kevitra. Araka ny ilazan’i Davida, mpanao salamo, azy mantsy, dia “mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina”. (Salamo 19:7; 119:105). Tsy midika akory izany fa milaza amin’ny an-tsipiriany izay tokony hataon’ny olona iray ao anatin’ny toe-javatra tsirairay, ny Baiboly. Tena mirakitra foto-pitsipika afaka manampy antsika hampiofana ny fahaizantsika mandinika anefa ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa manana fahaiza-mandinika indray kosa isika, dia ho afaka hanavaka ny marina sy ny diso, ary hanampy antsika handray fanapahan-kevitra feno fahendrena izany. — Hebreo 5:14.

Manana antony marim-pototra àry ny Kristianina marina raha tsy mijery ny tonon’androny, na dia ho fialam-boly na noho ny fahalianana ta hahafanta-javatra aza. Manaraka amim-pahendrena kosa izy ireo rehefa mampitandrina ny amin’ny fitaoman’ny demonia, anisan’izany ny endriny an-kolaka, ny Tenin’Andriamanitra. Raha mamela ny Baiboly, fa tsy ny zodiaka, hanan-kery eo amin’ny fiainanao ianao, dia afaka mahazo fitahiana mandrakizay avy amin’Andriamanitra. — Salamo 37:29, 38.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Ny fanaovana sikidy dia mahafaoka izay fomba rehetra natao hahalalana ny hoavy indrindra indrindra, amin’ny alalan’ny herin’ny maizina.

[Sary, pejy 26]

Zodiaka any Atsinanana

[Sary, pejy 26]

Zodiaka any Andrefana