Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Voamarikao ve Ireo Toetrany Tsy Hita Maso?

Voamarikao ve Ireo Toetrany Tsy Hita Maso?

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mahita voninkazo tsara tarehy ianao, na mijery lanitra feno kintana na riandrano ngezabe? Mahatsiaro an’ilay namorona azy ireny ve ianao? Hitantsika avy amin’ny zavaboary manodidina antsika ny toetran’i Jehovah. (Ro 1:20) Rehefa mandinika tsara azy ireny isika dia hahita hoe mahery Andriamanitra, be fitiavana, hendry sy mahira-tsaina, tia rariny, ary malala-tanana.—Sl 104:24.

Inona, ohatra, ny zavaboary hitanao isan’andro? Mety hahita vorona na hazo ihany ianao, na mipetraka any an-tanàn-dehibe aza. Milamin-tsaina kokoa isika sady tsy mifantoka be amin’ny olana mahazo antsika, rehefa mandinika ny zavaboary. Vao mainka koa isika hatoky hoe hahavita hikarakara antsika foana i Jehovah. (Mt 6:25-32) Raha manan-janaka ianao, dia ampio izy hahita an’ireo toetran’i Jehovah faran’izay tsara. Ho akaiky kokoa an’ilay Mpamorona isika raha tia mandinika ny zavatra noforoniny.—Sl 8:3, 4.

JEREO ILAY VIDEO HOE MANAMBARA NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA NY HAKANTON’NY ZAVABOARY: HAZAVANA SY LOKO, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana isika no afaka mahita loko isan-karazany?

  • Nahoana ny loko sasany no mangirana?

  • Nahoana no manga ny lanitra amin’ny antoandro, fa mena mivolondaoranjy kosa amin’ny hariva?

  • Rehefa nandinika ny zavaboary teny akaikinareo ianao, inona ny loko tena nahavariana anao?

  • Nahoana isika no tokony haka fotoana handinihana ny zavaboary?

Inona no toetran’i Jehovah hitanao avy amin’ny hazavana sy ny loko?