Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 91

Natsangana Tamin’ny Maty i Jesosy

Natsangana Tamin’ny Maty i Jesosy

Nisy lehilahy mpanankarena atao hoe Josefa, nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato. Nofonosiny lamba rongony tsara be nisy zavamanitra ilay faty, dia naleviny tao amin’ny fasana vaovao. Nasiany vato be koa teo amin’ny fidirana amin’ilay fasana. Hoy anefa ny lehiben’ny mpisorona tamin’i Pilato: ‘Mety ho avy eo izao ny mpianatr’iny Jesosy iny dia haka ny fatiny, dia mody lazain-dry zareo hoe nitsangana izy.’ Hoy àry i Pilato: ‘Asio tombo-kase ilay fasana dia asio mpiambina e!’

Telo andro taorian’izay, dia nisy vehivavy maromaro nandeha vao maraina be nankany amin’ilay fasana. Hitan-dry zareo anefa fa efa niala ilay vato be. Nisy anjely tao amin’ilay fasana tamin’izay. Hoy izy: ‘Aza matahotra fa efa natsangana i Jesosy. Asaivo jeren’ny mpianany any Galilia izy.’

Dia lasa nitady an’i Petera sy Jaona haingana i Maria Magdalena. Hoy izy tamin-dry zareo: ‘Nisy naka ny fatin’i Jesosy!’ Nihazakazaka nankany amin’ilay fasana àry ry zareo, dia io tokoa fa tsy tao ilay faty. Dia lasa nody ry zareo.

Nankany amin’ilay fasana indray i Maria. Nahita anjely anankiroa tao izy, ka niteny hoe: ‘Tsy haiko hoe nataon’olona aiza ny Tompoko.’ Nahita lehilahy anankiray izy avy eo. Noheveriny fa mpanao zaridaina ilay olona ka hoy izy: ‘Mba teneno an’ahy re hoe nataonao aiza izy e!’ Dia niteny ilay lehilahy hoe: ‘Maria!’ Tonga dia fantany àry hoe i Jesosy io, ka hoy izy: “Mpampianatra!” Nitazona an’i Jesosy izy, nefa hoy i Jesosy: ‘Mandehana teneno ny rahalahiko hoe nahita an’ahy ianao.’ Nihazakazaka nankany amin’ny mpianatra àry i Maria.

Nisy mpianatra anankiroa nankany Emaosy tamin’iny andro iny. Dia nisy lehilahy tafaraka tamin-dry zareo teny an-dalana, nanontany hoe inona no resahin-dry zareo. Dia hoy ry zareo: ‘Tsy henonao angaha ny vaovao? Nasain’ny lehiben’ny mpisorona novonoina i Jesosy, telo andro lasa izay. Misy vehivavy anefa milaza fa velona indray izy.’ Dia hoy ilay lehilahy: ‘Ianareo angaha tsy mino ny tenin’ny mpaminany hoe ho faty i Kristy, dia avy eo hatsangana?’ Dia nohazavainy tamin-dry zareo ny Soratra Masina. Tonga tao Emaosy ry zareo avy eo, ary nasainy nankao an-trano ilay lehilahy. Rehefa nivavaka tamin’ny sakafo izy, dia fantatry ry zareo hoe hay i Jesosy. Nanjavona izy avy eo.

Dia nandeha haingana nankany amin’ny trano nivorian’ny apostoly tany Jerosalema ireo mpianatra roa lahy ireo, ka nitantara an’izany tamin-dry zareo. Raha mbola niresaka teo ry zareo dia niseho i Jesosy. Gaga be ny apostoly ka tsy nino hoe i Jesosy io. Dia hoy i Jesosy: ‘Jereonareo ny tanako dia kasiho. Efa voalaza mialoha ange fa hitsangana amin’ny maty i Kristy e!’

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6