Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 70

Niteny ny Anjely hoe Teraka i Jesosy

Niteny ny Anjely hoe Teraka i Jesosy

I Aogosto Kaisara no mpitondra teo amin’ny Fanjakana Romanina tamin’izay. Nasainy niverina tany amin’ny tanànany daholo ny Jiosy mba hosoratana anarana. Nankany Betlehema àry i Josefa sy Maria, satria avy any ry Josefa. Efa akaiky ho teraka i Maria tamin’izay.

Rehefa tonga tany Betlehema ry zareo, dia tsy nahita toerana hipetrahana afa-tsy tao amin’ny tranom-biby anankiray. Tao i Maria no niteraka an’i Jesosy. Nofonosiny lamba malefaka izy, dia napetrany moramora tao anaty fihinanam-bilona.

Nisy lehilahy niandry ondry tany an-tsaha teny akaikin’i Betlehema, tamin’iny alina iny. Tampoka teo dia nisy anjely nijoro teo anoloan-dry zareo, ary nazava be nanodidina an-dry zareo satria niseho ny voninahitr’i Jehovah. Natahotra ireo mpiandry ondry, nefa hoy ilay anjely: ‘Aza matahotra fa hilaza vaovao tsara aho. Teraka ao Betlehema androany ny Mesia.’ Nisy anjely be dia be koa teny amin’ny lanitra tamin’izay, niteny hoe: ‘Voninahitra ho an’Andriamanitra any an-danitra, ary fiadanana eny ambonin’ny tany.’ Dia lasa ireo anjely avy eo. Inona àry no nataon’ireo mpiandry ondry?

Hoy ry zareo: ‘Andao isika ho any Betlehema izao dia izao.’ Nankany haingana àry ry zareo, dia hitan-dry zareo tao amin’ny tranom-biby i Josefa sy Maria ary ilay zanany vao teraka.

Gaga daholo ny olona rehefa nitantaran’ny mpiandry ondry an’izay notenenin’ilay anjely. Nieritreritra be an’ilay tenin’ny anjely koa i Maria, dia tsy hadinony mihitsy ilay izy. Niverina tany an-tsaha ireo mpiandry ondry avy eo, sady nisaotra an’i Jehovah noho izay rehetra hitany sy henony.

“Avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nahatongavako eto. Tsy tonga araka ny nahim-poko velively aho, fa Izy no naniraka ahy.”—Jaona 8:42