Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 51

Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely

Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely

Nisy ankizivavy israelita anankiray tany Syria. Fa naninona izy no lasa lavitra be tany ka tafasaraka tamin’ny fianakaviany? Nentin’ny miaramila syrianina tany izy, ary lasa mpiasan’ny vadin’i Namàna. I Namàna no ambony indrindra tamin’ny miaramila syrianina. Nivavaka tamin’i Jehovah ilay ankizivavy, na dia tsy nisy nivavaka tamin’i Jehovah aza ny olona tany Syria.

Voan’ny aretin-koditra nahatsiravina i Namàna, sady naharary be an’azy foana ilay izy. Te hanampy azy ilay ankizivavy, ka hoy izy tamin’ny vadin’i Namàna: ‘Mahafantatra olona afaka manasitrana ny vadinao aho. Elisa no anarany, ary mpaminanin’i Jehovah any Israely izy.’

Notenenin’ilay vehivavy tamin’ny vadiny ny tenin’ilay ankizivavy. Tena te ho sitrana i Namàna ka lasa nankany amin’i Elisa tany Israely. Nieritreritra izy hoe hanajanaja be azy i Elisa. Ny mpiasan’i Elisa fotsiny anefa no tonga nilaza taminy hoe: ‘Mandehana, hono, ianao mandro impito ao amin’ny Reniranon’i Jordana, dia ho sitrana.’

Dia hoy i Namàna: ‘Noheveriko hoe izy mihitsy no hivavaka amin’Andriamaniny, dia hanao fahagagana ka ho sitrana aho. Tsy aleoko ve mankany amin’ny renirano any Syria, fa ny any tsara kokoa noho ny renirano eto Israely?’ Tezitra be i Namàna dia lasa nandeha.

Soa ihany fa notenenin’ny mpiasany i Namàna hoe: ‘Angaha ianao tsy te ho sitrana e? Zavatra tsotra kely izany ve no asain’ilay mpaminany ataonao dia tsy hataonao?’ Tonga saina àry i Namàna, dia nankany amin’ny Reniranon’i Jordana ihany. Nitsoboka impito tao anaty rano izy, dia sitrana tanteraka tamin’ny farany. Tena faly be izy ka lasa niverina nisaotra an’i Elisa. Hoy izy: ‘Fantatro amin’izay izao fa i Jehovah no tena Andriamanitra.’ Faly be izao ilay ankizivavy israelita fa sitrana i Namàna e?

“Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no anomezanao fiderana.” —Matio 21:16