Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015
Vakio ato ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2014. Ho hitanao ato koa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Repoblika Dominikanina.
Andinin-teny ho An’ny Taona 2015
Ny Salamo 106:1 hoe “Misaora an’i Jehovah fa tsara izy” no andinin-teny ho an’ny taona 2015.
Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana
Misaotra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ny Filan-kevi-pitantanana, noho izy ireo miasa mafy sy miaritra.
Mandroso Be ny Asa any Warwick
Ho hitanao ato ny fihetseham-pon’ireo mandray anjara amin’ny fanorenana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany
Anisan’ny tena manafaingana ny asa fanorenana io sampan-draharaha io. Tetikasa 14 000 mahery no mbola mila atao.
Baiboly Natao Hateza
Baiboly tsara endrika sady natao hateza ilay Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, izay navoaka tamin’ny 2013.
Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika
Ilay fivoriana fanao isan-taona faha-129 nataon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania no fivoriana be mpanatrika indrindra hatramin’izay.
Fitokanana ny Sampan’i Sri Lanka
Niavaka ilay fandaharana satria nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet.
Raharaha Ara-pitsarana
Miady any amin’ny fitsarana foana ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho afaka hanao ny fanompoany an-kalalahana.
Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro
Fa nahoana ny ankizivavikely roa tany Géorgie no nahafoy an’ilay vola saika hividianany finday?
Mahatalanjona ny Zavatra Hitantsika
Inona amin’ireo zava-mitranga ankehitriny no mitovitovy amin’ireo fahagagana tamin’ny andron’i Jesosy?
Afrika
Vakio ato ny fitantarana momba ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Afrika Atsimo, Angola, Congo (Kinshasa), Ghana, ary Nizeria, tamin’ny 2014.
Ireo Tanin’i Amerika
Vakio ato ireo fitantarana momba ny fampianarana Baiboly atao any Arzantina, Brezila, Haïti, Paragoay, ary Suriname, tamin’ny 2014.
Azia
Vakio ato ny fitantarana momba ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Indonezia, Mongolia, Philippines, ary any amin’ny tany iray hafa any Azia, tamin’ny 2014.
Eoropa
Vakio ato ny fitantarana momba ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, Boligaria, Espaina, Failandy, Romania, Rosia, ary Soeda, tamin’ny 2014.
Oseania
Vakio ato ny fitantarana momba ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kiribati, Nosy Marshall, Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary Vanuatu, tamin’ny 2014.
Indray Mitopy Maso An’ny Repoblika Dominikanina
Jereo ato ny momba an’ilay tany sy ny mponina any.
Nahita Zava-tsarobidy
Niandry hafiriana ny misionera voalohany teto vao afaka nitarika fampianarana Baiboly?
“Mbola ho Hitantsika Ihany Izy Ireo”
Hitan’i Pablo González ihany ilay fivavahana notadiaviny, 13 taona tatỳ aoriana.
Nogadraina & Norarana Tsy Hitory
Nahoana no nahavita niaritra ny Vavolombelon’i Jehovah na dia nampijalijalina an-taonany maro tany am-ponja aza?
Nitohy ny Asa Fitoriana
Nataon’ny mpitory toy ny lisitry ny entana hovidina eny an-tsena ny tatitra momba ny fanompoana. Laisoa sy epinara no nasolo ny fiverenana mitsidika sy ny ora.
Nomena Fahalalahana dia avy eo Norarana Indray
Voarara nandritra ny enin-taona ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina, ary nofoanana ilay fandrarana tamin’ny 1956. Norarana indray anefa ny asan’izy ireo tsy ampy herintaona tatỳ aoriana.
Trujillo sy ny Eglizy Katolika
Tsy vitan’ny hoe namadika palitao ny Eglizy fa nifona tamin’ny vahoaka dominikanina koa, rehefa avy nanohana ny mpitondra jadona tany an-toerana, nandritra ny taona maro.
Fanenjehana Nahery Vaika
Niharan’ny fandrahonana ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy nampilavo lefona azy ireo izany.
Iza no Mpitarika Azy Ireo?
Nisy foana ny sakafo ara-panahy nandritra ny fandrarana. Nampiasaina hamokarana sy hizarana an’izany ny milina fanaovana kopia, daba fasiana menaka, gony, ary mangahazo.
Nivory Foana na dia Nety ho Tratra Aza
Nahita fomba maro hivoriana foana ny mpitory dominikanina na dia noraran’ny fanjakana tsy hivory aza. Niezaka ny ho malina fotsiny izy ireo mba tsy ho tratra.
Niaritra Izy Ireo ka Nafahana Ihany
Nahazo fanampiana tsy nampoizina ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina, rehefa avy nenjehina nandritra ny taona maro.
“Tsy Nilavo Lefona Mihitsy Aho”
Indroa i Luis Montás no nikasa hamono ny filoham-pirenena. Tamin’izy nitady fanampiana hamonoana an’io mpitondra io mihitsy anefa izy no nahita ny fahamarinana.
“Matoky An’ilay Fampanantenana Aho”
Nitory ny vaovao tsara i Efraín De La Cruz, ka nogadraina sy nampijalina tsy nisy indrafo tany amin’ny fonja fito. Inona no nanampy azy ho be zotom-po foana nandritra ny 60 taona mahery?
“Mbola ho Vavolombelon’i Jehovah Foana Aho”
Nilaza ny mompera katolika iray fa ho lasa adala i Mary Glass raha mamaky Baiboly. Namaky ihany anefa izy, ka fantany hoe nahoana izy no tsy navela hamaky azy io.
Nalalaka ny Asa Fitoriana
Nisy misionera hafa tonga nitory teto, rehefa maty i Trujillo. Vitan’izy ireo ihany ny nanaporofo hoe tsy marina ny fanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah.
Natao Hijanona Eto
Nandroso foana ny asa fitoriana na teo aza ny korontana. Inona no nanaporofo fa ‘natao hijanona eto’ amin’ny Repoblika Dominikanina ny Vavolombelon’i Jehovah?
Nilaina ny Mpitory Maro Kokoa
Toa tsy ho hay ny tsy hiresaka momba an’ireo Vavolombelona avy any an-tany hafa, rehefa mitantara ny asa fitoriana teto. Namaly ny antso mantsy izy ireo.
Mifankatia Izy Ireo
Nandravarava ny Repoblika Dominikanina ny Rivo-doza Georges tamin’ny 1998. Nidera an’i Jehovah ny zavatra nataon’ny Vavolombelona ary nampahery olona maro.
Fomba Niatrehana ny Fitomboana
Nitombo be ny olona lasa Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana àry no nataon’ny Vavolombelona mba ho ampy foana ny toerana hivavahany sy ny rahalahy hiandraikitra azy ireo?
Faritany Miteny Kreôla Fampiasa any Haïti
Mitory amin’ny olona miteny kreôla ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa misy fiangonana amin’io fiteny io izao, ary mandamina kilasy fianarana azy io koa izy ireo.
Horohoron-tany Tany Haïti
Nisy horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 2010, ka nandefa fanampiana be dia be ny sampan’ny Repoblika Dominikanina. An’arivony ny mpiasa an-tsitrapo nanampy.
Mahabe Fanantenana ny Hoavy
Efa be no vita tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana teto amin’ny Repoblika Dominikanina, hatramin’ny 1945. Mbola mahabe fanantenana anefa ny hoavy.
Nanampy Olona Maro Hiova Fo i Jehovah
Tsy nisy lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny olona tao La Vega tamin’i Leonardo Amor nanompo tany. Mba hiova fo ihany ve ireny olona ireny?
Olona 22 no Niala tao Amin’ilay Fivavahana
Niely ny tsaho hoe mitaona olona hanaraka fampianaran’ny demonia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiasa Baiboly anefa ny Vavolombelona rehefa namaly fanontaniana, ary nahafa-po ny valin-teniny.
Mpitolona Nafana Fo Sady Tsy Nino An’Andriamanitra
Tsy nino an’Andriamanitra i Juan Crispín taloha. Nino izy fa tolom-bahoaka ihany no hanova an’izao tontolo izao. Nahoana izy no lasa mpanompon’Andriamanitra?
Marenina Voalohany Lasa Vavolombelon’i Jehovah
I José Pérez no marenina voalohany lasa Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblika Dominikanina. Ahoana no nahatakarany tsara kokoa ny fampianaran’ny Baiboly?
Lasa Misy Dikany ny Fiainako
Fantatr’i José Estévez sy ny fianakaviany izay tokony hatao raha tiana hisy dikany ny fiainana. Nahoana izy ireo no miaiky hoe mitana ny teniny i Jehovah?
Tsy Te Hanompo Azy Intsony Aho
Tsy te hanompo an’Andriamanitra intsony i Martín Paredes, na dia efa niofana ho pretra aza. Nahoana ny boky iray nindraminy no nampiova hevitra azy?
Zato Taona Lasa Izay: 1915
Ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra an’ilay fitsapana taorian’ny 1914?

