Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015

 REPOBLIKA DOMINIKANINA

Faritany Miteny Kreôla Fampiasa any Haïti

Faritany Miteny Kreôla Fampiasa any Haïti

Nosokafana ny faritany amin’ny teny kreôla

Mandroso be ny faritany mampiasa teny espaniola. Nisy olona mampiasa fiteny hafa koa anefa nifindra teto, ary nandray ny fahamarinana izy ireny. Ny teny kreôla no fiteny ofisialy ao Haïti. Nisy fotoana tsy dia nifandray tsara i Haïti sy ny Repoblika Dominikanina. Na izany aza anefa, dia saika olona avy any Haïti ny ankamaroan’ny mpiasa eto. Misy an’arivony izy ireo, ary vao mainka nihamaro aza tato ho ato.

Nandritra ny taona maro, dia tany amin’ny fiangonana miteny espaniola no nalefa izay olona liana miteny kreôla. Tian’ny Filan-kevi-pitantanana anefa raha mahazo fanampiana kokoa izy ireny. Nasainy nandefa mpisava lalana manokana teto àry ny sampan’i Goadelopy, tamin’ny 1993, mba hiasa amin’ny faritany miteny kreôla. Anisan’ireo mpivady telo tonga teto i Barnabé sy Germaine Biabiany. Hoy i Barnabé: “Tsy nanana afa-tsy bokikely roa tamin’ny teny kreôla izahay, tamin’ny voalohany. Tamin’ny teny frantsay daholo ny boky hafa, ka tsy maintsy nadikanay tamin’ny teny kreôla.”

Mpitory sivy avy tao Higüey sy mpitory folo avy teto Saint-Domingue no vonona hanohana antoko-mpitory amin’ny teny kreôla, tamin’ny Janoary 1996. Nasiana antoko-mpitory iray avy àry tao amin’ireo tanàna ireo, ary samy lasa fiangonana izy ireo tatỳ aoriana. Nofoanana anefa ireo fiangonana ireo. Toa hoe te hianatra  teny espaniola mantsy, hono, ny ankamaroan’ireo olona avy any Haïti, ka aleon-dry zareo mankany amin’ny fiangonana miteny espaniola. Hoy i Barnabé: “Nihaona tamin’ireo rahalahy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana izahay, ka hita hoe tsara kokoa raha najanona kely aloha ny fiasana ny faritany miteny kreôla.”

Niasana indray ilay faritany

Nandefa mpivady misionera teto ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 2003, mba hiasa amin’ny faritany miteny kreôla. Tsy iza izany fa i Dong sy Gladys Bark. Nitory tao Higüey foana izy ireo nandritra ny roa taona, ary nanomboka nahita vokatra. Niorina tamin’ny 1 Jona 2005 àry ny fiangonana iray miteny kreôla. Tsy nitandro hasasarana mihitsy i Dong Bark sy Barnabé Biabiany ary ilay misionera atao hoe Steven Rogers, rehefa nitety ny Repoblika Dominikanina mba hanampiana ny olona liana.

Nandroso foana ny fitoriana ka nihamaro ny fiangonana. Tamin’ny 1 Septambra 2006 no niforona ny faritra voalohany amin’ny teny kreôla. Nisy fiangonana fito sy antoko-mpitory roa tao amin’ilay faritra, ka i Barnabé Biabiany no mpiandraikitra ny faritra.

Nihamaro ny misionera voatendry teto, tatỳ aoriana, mba hiasa tamin’ny faritany miteny kreôla. Nisy mpitory hafa koa nanolo-tena hanompo eto, ka nisy avy any Eoropa, Etazonia, Kanada, ary avy any an-tany hafa. Nisy rahalahy mahay maromaro nasaina nanomana fianarana teny kreôla ho an’ireo Vavolombelona vahiny sy tompon-tany.

Maro no milaza fa raha olona tsy avy any Haïti no miteny kreôla, dia tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah izy izay

Maro ny Dominikanina miezaka mafy mianatra an’ilay teny kreôla fampiasa any Haïti, ka tena nisy vokany  tamin’ny olona avy any Haïti izany. Tsy dia manohitra ry zareo ary lasa mora mandray ny vaovao tsara, rehefa itoriana amin’ny teny kreôla. Be dia be mihitsy izao ny Vavolombelona mahay an’io fiteny io. Maro àry no milaza fa raha olona tsy avy any Haïti no miteny kreôla, dia tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah izy izay.

Tena misy vokany ny hoe miahy olona tsy iray firenena aminao ianao. Diniho ny nataon’ity anabavy dominikanina ity. Mpisava lalana izy ary anisan’ny nianatra teny kreôla. Nahita mpivady avy any Haïti izy teny am-pitoriana. Niverina nitsidika azy ireo izy mba hanomboka fampianarana Baiboly. Hoy izy: “Vao tonga aho dia nanoroka an’ilay vehivavy teo amin’ny takolany, satria izany no fanaon’ny vehivavy dominikanina rehefa mifampiarahaba. Nitomany anefa ilay vehivavy. Dia hoy izy rehefa nanontaniako: ‘Efa taona maro aho izay no nipetraka teto, nefa izay vao mba nisy olona nanoroka ahy rehefa niarahaba ahy.’”

Notahin’i Jehovah ny asa mafy nataon’ireo mpitory, ka tena niavaka ny fitomboana. Efa nisy 23 ny fiangonana miteny kreôla, tamin’ny 1 Septambra 2009, ary 20 ny antoko-mpitory. Nampiana iray indray àry ny faritra. Hita hoe mbola hisy ny fitomboana rehefa jerena ny isan’ireo nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2011. Faly, ohatra, ireo mpitory 11 tao amin’ny tanàna kelin’i Río Limpio, satria 594 no nanatrika ny Fahatsiarovana tao. Nisy 170 koa ny mpanatrika tao Las Yayas de  Viajama, nefa mbola tsy nisy mpitory tao. Nisy 33 ny fiangonana amin’ny teny kreôla, tamin’ny Septambra 2011, ary 21 ny antoko-mpitory. Nampiana iray fahatelony indray àry ny faritra, tamin’ny 2012.

Miara-miasa ny sampana eto sy ny sampan’i Haïti, mba hampiofanana rahalahy avy amin’ny tany roa tonta. Kilasy dimy tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo izao no efa natao tamin’ny teny kreôla, ary kilasy efatra no efa vita tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina.

Mianatra teny kreôla