Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015

 REPOBLIKA DOMINIKANINA

Nivory Foana na dia Nety ho Tratra Aza

Nivory Foana na dia Nety ho Tratra Aza

‘Malina tahaka ny bibilava, nefa tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala’

Nila nandray sakafo ara-panahy tsy tapaka ireo Kristianina tsy nivadika, na dia nandritra ny fandrarana aza. Mafy koa anefa ny nahazo ny vahoakan’i Jehovah tamin’izany. Maro mantsy no voasambotra sy nigadra imbetsaka.

Hoy i Juanita Borges: “Tamin’ny 1953 aho no nahalala ny fahamarinana. Fantatro tsara tamin’izay fa mety ho voasambotra aho, satria Vavolombelon’i Jehovah. Dia izany tokoa no nitranga tamin’ny Novambra 1958. Nitsidika an’ny Rahavavy Eneida Suárez aho tamin’io. Nosamborin’ny polisy miafina anefa izahay satria niara-nivory, hono. Nomelohina higadra telo volana izahay ary nasaina nandoa lamandy 100 pesos, izay nitentina 100 dolara amerikanina tamin’izany.”

Noraisin’ireo polisy miafina tamin’ny an-tsipiriany ny mombamomba an’ireo rahalahy sy anabavy.

Nataon’ny fanjakana daholo izay azo natao mba hanakanana ny Vavolombelona tsy hivory. Nivory foana anefa izy ireo, saingy niezaka mba “ho malina tahaka ny  bibilava, nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala.” (Mat. 10:16) Hoy i Andrea Almánzar: “Tsy niara-tonga izahay rehefa hivory, dia avy eo tsy niara-nody. Efa hariva be izahay vao tafody, noho izany. Tsy tianay hisy hiahiahy anay mantsy.”

Lasa mpitory i Jeremías Glass tamin’ny 1957, tamin’izy fito taona. Tsy mba nahita ny nahaterahany i León rainy, satria tany am-ponja. Mbola tadidiny fa nasiana fivoriana niafina tao an-tranony, ary nitandrintandrina be izy ireo mba tsy ho tratra. Hoy i Jeremías: “Nizarana baoritra kely nisy nomerao daholo ny mpanatrika. Nandeha tsiroaroa izy ireo rehefa hody, ka arakaraka ny nomeraony ny anjara fodiany. Matetika aho no nasain’ny dadanay nankeo am-baravarana rehefa vita ny fivoriana, mba hijery ny nomerao teo amin’ny baoritra nomena ny mpanatrika tsirairay. Rehefa nody ny mpanatrika, dia lalana tsy nitovy tamin’izay nalehan’ireo olona roa teo aloha no nasaiko nandehanan’ireo olona roa manaraka.”

Nofidina tsara koa ny fotoana hivoriana. Natao vao maraina be, ohatra, izany tamin’i Mercedes García natao batisa. I Pablo González, dadatoany, no nahalalany ny fahamarinana. Vao fito taona izy dia maty ny mamany, nefa ny dadany tany am-ponja. Izy folo mianadahy irery no sisa tavela. Natao batisa i Mercedes tamin’ny 1959, tamin’izy sivy taona. Natao tany an-tranon’ny rahalahy iray ny lahatenin’ny batisany tamin’ny 3.30 maraina, mba tsy hisy hahamarika. Tao amin’ny Reniranon’i Ozama, izay mamakivaky ny renivohitra, izy no naroboka. Hoy i Mercedes: “Efa namonjy fodiana izahay tamin’ny 5.30 maraina, fa ny iray tanàna kosa vao nifoha.”