Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Nasain’i Jehovah Andriamanitra nilaza an’izao faminaniana izao i Isaia mpaminany: “Volamena no hoentiko ho solon’ny varahina, volafotsy ho solon’ny vy, varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato.” (Isaia 60:17) Hitantsika nandritra an’iny taona lasa iny fa mbola tanteraka foana izany. Mihatsara mantsy ny fomba fiasan’ny fandaminana amin’izao andro farany izao, toy ny akora iray nosoloana akora tsara kokoa.—Mat. 24:3.

ITY FIZARANA ITY

Mandroso Be ny Asa any Warwick

Ho hitanao ato ny fihetseham-pon’ireo mandray anjara amin’ny fanorenana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany

Anisan’ny tena manafaingana ny asa fanorenana io sampan-draharaha io. Tetikasa 14 000 mahery no mbola mila atao.

Baiboly Natao Hateza

Baiboly tsara endrika sady natao hateza ilay Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, izay navoaka tamin’ny 2013.

Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika

Ilay fivoriana fanao isan-taona faha-129 nataon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania no fivoriana be mpanatrika indrindra hatramin’izay.

Fitokanana ny Sampan’i Sri Lanka

Niavaka ilay fandaharana satria nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet.

Raharaha Ara-pitsarana

Miady any amin’ny fitsarana foana ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho afaka hanao ny fanompoany an-kalalahana.

Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro

Fa nahoana ny ankizivavikely roa tany Géorgie no nahafoy an’ilay vola saika hividianany finday?

Mahatalanjona ny Zavatra Hitantsika

Inona amin’ireo zava-mitranga ankehitriny no mitovitovy amin’ireo fahagagana tamin’ny andron’i Jesosy?