Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015

 ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Fitokanana ny Sampan’i Sri Lanka

Fitokanana ny Sampan’i Sri Lanka

VAHINY 130 avy any amin’ny tany 19 no nanatrika ny fitokanana ny sampana tany. Nanao akanjo nentim-paharazana ireo Vavolombelona tompon-tany rehefa nandray an’ireo vahiny. Nisy ankizy vitsivitsy nanao hiran’ilay Fanjakana. Tena tian’ny rehetra ny nijery fampirantiana ny zavatra mampiavaka an’ilay tany, nanandrana ny sakafony matsiro, nihaino mozika mahafinaritra, ary niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa.

Ny asabotsy 11 Janoary 2014 no notokanana ireo tranon’ny sampana vao naorina sy nohavaozina. Natao tamin’ny fiteny telo ilay fandaharana, ary 893 ny mpanatrika. Saika tsy tapitra ny tehaka rehefa nanontany i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana,  hoe: “Tianareo hotokanana ho an’i Jehovah Andriamanitra ve ireto trano vaovao ireto?”

Naverina indray ilay fandaharana ny ampitso, ary nanao lahateny mampahery be ny Rahalahy Sanderson. Nampitaina tany amin’ny toerana dimy izany, ka 7 701 ny mpanatrika. Nampitaina tamin’ny alalan’ny video ilay izy ka afaka nifankahita sy nifankandre ny mpanatrika tany amin’ireo toerana enina, rehefa nanao hiran’ilay Fanjakana. Sambany no nisy an’izany. Fotoana niavaka sy tena nahafaly tokoa izy iny!—Neh. 12:43.

Fanampim-panazavana

Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Asaina ianao hitsidika ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy olona efa vonona handray anao ao. Tongava àry mitsidika Betela!

Birao sy Fitsidihana: Sri Lanka

Asaina ny rehetra hitsidika maimaim-poana.