Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015

 REPOBLIKA DOMINIKANINA

Olona 22 no Niala tao Amin’ilay Fivavahana

Olona 22 no Niala tao Amin’ilay Fivavahana

NISY 11 mianadahy ry German Gomera, ary izy no alohan’ny farany. Nentin’i Luisa reniny nifindra nankany an-tanàn-dehibe izy sy ny mpiray tam-po aminy, rehefa maty ny anabaviny roa sy ny dadany. Niangona tany amin’ny Fivavahana Menonita izy ireo nony tonga tany, satria nivavaka tao koa ny anadahin-dreniny sy ny fianakaviany.

Hoy i German: “Nisy mpivady mpisava lalana manokana tonga tao an-tanàna tamin’ny 1962. Niely ny tsaho hoe mitaona olona hanaraka fampianaran’ny demonia ry zareo. Nisy fotoana anefa ry zareo nankao amin’izay fianakaviana maro an-trano izay. Piña no anaran’ilay raim-pianakaviana, ary noraisin-dry zareo tsara izy mivady. Tena gaga ry zareo fa hay tsara fanahy be sady tia olona ilay mpivady mpisava lalana, ka nohenoiny tsara ny hafatra nentiny. Nianatra Baiboly àry ry Piña mianakavy sy ny zokiko vavy anankitelo.”

Hoy ihany i German: “Nasain-dry Piña nanatrika teo koa i Neny, indray andro, rehefa tonga izy mivady. Namaky andinin-teny maro ry zareo tamin’izay, mba hampisehoana hoe hisy olona hiaina mandrakizay eto an-tany. Dia hoy i Neny: ‘Fa maninona àry ny fivavahako no milaza fa ho any an-danitra isika e?’ Novalian’ilay rahalahy avy tao amin’ny Baiboly  ny fanontaniany, ary nohazavainy avy tao koa fa hisy fitsanganana amin’ny maty eto an-tany. Tian’i Neny ilay fanazavana, ka noresahiny tamin’ny olona ny zavatra nianarany.

“Lasa fantatr’ireo pasitera tao amin’ny Fivavahana Menonita hoe mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiangona sasany tao aminy. Norarany tsy hianatra intsony àry izy ireo, sady norahonany. Hoy anefa i Maximina, vadin’Atoa Piña: ‘Izaho tsy zazakely ka hodidinareo amin’izay ataoko.’

“Olona 22 no niala tao amin’ny Fivavahana Menonita, ary nivory niaraka tamin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny trano iray nohofana. Natao batisa tamin’ny 1965 i Neny, fa izaho kosa tamin’ny 1969, izany hoe efa-taona tatỳ aoriana. Vao 13 taona aho tamin’izay.”

German sy ireo anabaviny, izay samy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika