Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015

 REPOBLIKA DOMINIKANINA

Mahabe Fanantenana ny Hoavy

Mahabe Fanantenana ny Hoavy

Tsara laza

Efa 70 taona teo ho eo izay no nisy Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblika Dominikanina. Lasa tsara laza izy ireo nandritra izany fotoana izany. Matetika ny olona no manatona mpitory rehefa eny amin’ny faritany ary mangataka gazety. Fandre koa ny olona miteny hoe: “Mba tiako ity fivavahana ity!” na hoe “Ianareo aloha tena manaraka izay lazain’ny Baiboly mihitsy e!”

Indray mandeha, nisy rahalahy iray nanome ny taniny mba hanorenana Efitrano Fanjakana. Rehefa hikarakara ny taratasin’ilay tany anefa izy, dia gaga fa hay efa nisoratra tamin’olon-kafa ilay izy. Nanao hosoka io olona io, ary izy indray no nanendrikendrika an’ilay rahalahy hoe mitady hangalatra ny taniny. Nampakarina fitsarana ilay raharaha. Tsy mora ilay izy satria nanana taratasy mazava ilay olona hoe misoratra amin’ny anarany ilay tany.

Nisy fotoana ilay mpitsara nanontany ny mpisolovavan’ilay rahalahy hoe miaro ny tombontsoan’iza izy. Nanazava ilay mpisolovava fa ny tombontsoan’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no arovany. Hoy àry ilay mpitsara: “Tsisy iadian-kevitra ange ilay izy raha izany e. Fantatro tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona manao ny marina ireo, ka tsy hanao hosoka mihitsy, ary tsy haka zavatr’olona izany.”

Voaporofo fa nanao taratasy hosoka ilay olona, ka nanome rariny ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay mpitsara. Hoy ilay mpisolovava: “Tsy maningana ny hoatran’iny eto amin’ity firenena ity. Tena manaja ny Vavolombelona foana ny mpitsara, isaky ny misy raharaha mahatafiditra azy ireo any amin’ny fitsarana.”

 Mahabe fanantenana ny hoavy

Tsy fantatra hoe firy ny olona tso-po mbola hianatra Baiboly, ka ho lasa mpivavaka amin’ilay tena Andriamanitra. Manao izay fara heriny aloha ny Vavolombelona eto mba hitoriana amin’izy ireny. Nitory adiny 11 tapitrisa mahery, ohatra, izy ireo tamin’ny 2013, ary nitarika fampianarana Baiboly 71 922. Nisy 9 776 ny mpisava lalana. Nahatratra 35 331 koa ny mpitory tamin’ny Aogositra 2013. Mbola mety hitombo be anefa izany satria 127 716 no nanatrika ny Fahatsiarovana.

Raha tsiahivina ny lasa, dia tamin’ny Aprily 1945 i Lennart sy Virginia Johnson no tonga teto. Alahady tamin’izay ary tamin’io izy ireo no nanomboka nitory ny vaovao tsara. Efa be no vita tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana, hatramin’iny fotoana iny. Namela lova sarobidy izy mivady, ary tena mankasitraka an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah eto. Faly koa ireo taranaka atỳ aoriana fa sahy nanao vivery ny ainy ireo Vavolombelona tany aloha. Mbola heverin’izy ireo ho zava-dehibe koa anefa ny ‘manazava tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Asa. 28:23) Tsy andrin’ireo Vavolombelona eto amin’ity nosy ity ny hanandra-peo miaraka amin’ny Vavolombelona eran-tany, ka hidera an’i Jehovah hoe: “Lasa mpanjaka i Jehovah! Aoka hifaly ny tany. Aoka hiravoravo ny nosy maro.”—Sal. 97:1.