Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Nanampy Ahy i Jehovah

Jay Campbell

Nanampy Ahy i Jehovah
  • TERAKA 1966

  • BATISA 1986

  • TANTARANY Voan’ny lefakozatra nefa lasa mpisava lalana.

TAO amin’ny tanànan’ny mahantra teto Freetown aho no nipetraka. Nalemy ny tapako ambany hatramin’izaho mbola kely. Menatra aho sady natahotra ny mety ho fiheveran’ny olona ahy, ka indray mandeha ihany aho no nivoaka ny tanànanay tao anatin’ny 18 taona.

Nankao an-tanànanay i Pauline Landis, misionera Vavolombelona, tamin’izaho 18 taona, ary nanasa ahy hianatra Baiboly. Rehefa nilaza taminy aho hoe tsy mahay mamaky teny sy manoratra, dia nilaza izy fa hampianatra ahy. Nanaiky àry aho.

Tena nahafaly ahy ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Nanontany an’i Pauline aho, indray andro, raha afaka mamonjy fivoriana ao amin’ny trano iray tsy lavitra ny nisy anay. Hoy aho taminy: “Hampiasaiko ny akalana keliko roa rehefa ho any aho.”

Nanahy be ny reniko sy ny mpiara-monina tamiko, rehefa tonga haka ahy i Pauline. Noraisiko ireo akalana kely, natehiko tamin’ny tany, ary nandroso aho. Nakisako ny vatako dia nihoarako ireo akalana. Hoy ny olona tamin’i Pauline, rehefa namakivaky ny tokotany aho: “Nahoana izy no terenao handeha? Efa nanandrana nandeha ange izy taloha fa tsy nahavita e!”

Nanontany ahy i Pauline hoe: “Jay a! Te ho any ve ianao?”

“Ie”, hoy aho. “Izaho mihitsy no te ho any.”

Nijery anay ny olona ary tsy nisy niteny tamin’izahay nanakaiky an’ilay vavahady. Nihorakoraka sy nitehaka izy ireo, rehefa tafavoaka an’ilay tanàna aho.

Tiako be ilay fivoriana, ka tapa-kevitra aho fa hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana. Midika izany hoe tsy maintsy handeha hatrany amin’ny faran’ny lalana aho, handray taxi, ary hobatain’ireo ranadahy hatreny an-tampon-kavoana. Matetika aho no lena sy feno fotaka rehefa tonga, ka tsy maintsy nisolo akanjo tao amin’ny efitrano. Tatỳ aoriana dia nisy rahavavy tany Soisa nandefa seza misy kodiarana ho ahy, ka mba tsy nisolitika intsony aho rehefa nandeha.

Nandrisika ahy hampitombo ny fanompoako ny tantaran’ireo Vavolombelona kilemaina hafa. Lasa mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1988. Tiako raha mba afaka manampy havana sy olona eny amin’ny faritany ho lasa mpanompon’i Jehovah aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hampiany hanatratra ny tanjoko. Namaly vavaka tokoa izy, satria afaka nanampy olona telo hahalala ny fahamarinana aho. Zana-drahavaviko ny roa, ary vehivavy nitoriako teny an-dalana ny iray.

Malemy koa izao ny sandriko, ka tsy maintsy olon-kafa no manosika ahy any amin’izay tiako haleha. Manaintaina foana koa ny vatako. Hitako anefa hoe ny mampianatra momba an’i Jehovah no fanafodin’izany. Mampitony ny fanaintainako ny fifaliana azoko avy amin’ny fanompoana ary mampahery ahy. Nanampy ahy mantsy i Jehovah, ka lasa misy dikany ny fiainako.