Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

 SIERRA LEONE SY GUINÉE

1945-1990: ‘Mitarika ho Amin’ny Fahamarinana’—Dan. 12:3. (Fizarana 4)

1945-1990: ‘Mitarika ho Amin’ny Fahamarinana’—Dan. 12:3. (Fizarana 4)

Fanampiana ny olona hahay taratasy

Nitsidika an’i Sierra Leone fanindroany i Milton Henschel, tamin’ny 1963. Nilaza izy tamin’izay fa tokony hiezaka bebe kokoa ny sampana mba hanampy ny olona hahay taratasy.

Nisy fiangonana nandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tamin’ny teny anglisy. Natao tamin’ny fiteny teo an-toerana anefa izany, taorian’ny fitsidihan’ny Rahalahy Henschel. Nisy aza fiangonana nandamina kilasy tamin’ny fiteny telo. Be mpitia ireny kilasy ireny ka ny ampahatelon’ny mpitory teto Sierra Leone no nanatrika azy ireny.

Nanao bokikely fianarana mamaky teny kisi ireo rahalahy tany Liberia, tamin’ny 1966. Nasehony an’ireo manam-pahefana tany Liberia ilay izy. Niaiky volana izy ireo, ka nataony pirinty ilay bokikely ary nozaraina maimaim-poana. Nozaraina tao Guinée, Liberia ary Sierra Leone izy io, ary nanampy olona miteny kisi an-jatony hahay hamaky teny sy hanoratra. Nisy bokikely hafa koa natao tatỳ aoriana mba hianarana fiteny hafa, ka nihamaro ireo nahay taratasy.

Tady mainty sy mena no nampiasain’i Sia, mba hanisana ora sy fiverenana mitsidika

Sady nanampy olona hahay taratasy ireny kilasy ireny, no nanampy azy ireo handroso ara-panahy. Mpitory tsy vita batisa, ohatra, i Sia Ngallah, 50 taona. Tsy nahay  taratasy izy ka tady mainty sy mena no nampiasainy, mba hanisana ora sy fiverenana mitsidika. Nanao vona iray tamin’ilay tady mainty izy rehefa avy nanompo adiny iray. Tamin’ilay tady mena kosa izy no nanao vona, isaky ny avy nanao fitsidihana iray. Nanatrika an’ilay kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra i Sia, ka nihanahay nanisa ora sy fiverenana mitsidika. Lasa nahay nitory sy nampianatra kokoa izy, ary nandroso ho amin’ny batisa.

Mbola mandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra izao ny fiangonana maro eto Sierra Leone sy Guinée. Hoy ny manam-pahefana iray eto Sierra Leone tamin’ireo rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampana: “Tsara mihitsy ny ezaka ataonareo manampy ny olona eto hahay taratasy, ankoatra ny fampianarana Baiboly ataonareo.”

Miantsoantso ny “vato”

Nilaina bebe kokoa ny asa fandikan-teny, rehefa nitombo ny olona nahay taratasy tamin’ireo foko samihafa. Tsy mba nanana boky hovakina tamin’ny fiteniny, na zara raha nanana, ny ankamaroan’ny foko teto. Afaka mamaky boky amin’ny teny anglisy ny olona nahita fianarana eto Sierra Leone, ary afaka mamaky amin’ny teny frantsay ny ao Guinée. Inona no azo atao mba hamokarana boky amin’ny fitenin-drazany?

Nisy misioneran’i Gileada roa nandika taratasy mivalona sy bokikely tamin’ny teny mendé, tamin’ny 1959. Vitsy ihany anefa no voazara tamin’izy ireo. Voadika tamin’ny teny kisi ny bokikely “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” sy ilay hoe Manantena Tontolo Vaovao Hanjakan’ny Fahamarinana, folo taona tatỳ aoriana.  Nampiasaina hampianarana Baiboly izy ireo ary 30 000 teo ho eo no voazara.

Nanomboka namoaka lahatsoratra fianarana tamin’ny Tilikambo Fiambenana ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1975. Faly erỳ ny mpitory kisi! Hoy ny rahalahy iray: “Nanao zavatra faran’izay tsara ho anay i Jehovah. Tsy mba nandia lakilasy izahay, ka hoatr’ireny vato tsy afaka miteny ireny. Izao anefa misy amin’ny teny kisi Ny Tilikambo Fiambenana, ka afaka manambara ny asa lehibe ataon’i Jehovah izahay.” (Lioka 19:40) Maro koa ny boky hafa nadika ho amin’ny teny kisi.

Mbola mamaky ny bokintsika amin’ny teny anglisy na frantsay izao ny ankamaroan’ny olona eto Sierra Leone sy Guinée. Ireo koa no fiteny ampiasaina any am-pivoriana. Nitombo be anefa, tato ho ato, ny fiteny nandikana ny bokintsika, toy ny teny guerze, kisi, krio, maninkakan, mendé, pular, ary susu. Misy amin’ireo fiteny ireo izao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao sy Mihainoa An’Andriamanitra. Afaka mahatakatra ny hafatra resahin’ny Baiboly ny olona maro tsy dia mahay mamaky teny, noho ireo boky ireo.

Fanorenana biraon’ny sampana

Nitady tany hanorenana biraon’ny sampana vaovao ireo rahalahy teto Freetown, taoriana kelin’ny 1960. Nahazo tany teo amin’ny Lalana Wilkinson izy ireo tamin’ny 1965. Any amin’ny iray amin’ireo toerana misy ny tanàna tsara indrindra izy io ary ahatazanana tsara ny ranomasina.

Trano iray tsara tarehy no natao, ary natambatra tao ny Efitrano Fanjakana sy ny tranon’ny misionera ary ny birao. Nitohana foana ny fifamoivoizana teo amin’ny Lalana Wilkinson, nandritra ny fanorenana, satria nandeha niadana be ny fiara. Te hahita tsara ny fanorenana mantsy  ny mpamily sy ny mpandeha. Notokanana tamin’ny 19 Aogositra 1967 ilay trano. Efa ho 300 ny mpanatrika, anisan’izany ny manam-pahefana sy ireo olona efa tranainy, izay nataon’i Brown “Baiboly” batisa, tamin’ny 1923.

Biraon’ny sampana sy tranon’ny misionera any Freetown (1965-1997)

Lasa nanan-danja tamin’ny olona maro ny asantsika, noho ilay tranon’ny sampana vaovao. Hita koa hoe tsy tanteraka ny tenin’ireo mpitondra fivavahana, izay nilaza fa tsy haharitra eto Sierra Leone ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahariharin’ilay trano vaovao fa tena hijanona eto izy ireo.

Mampandroso ny asa ireo misionera be zotom-po

Mpitory miampita tanimbary feno fotaka

Nihamaro ny misionera tonga teto Sierra Leone sy tao Guinée, nanomboka tamin’ny 1975 tany ho any, ka nandroso be ny asa. Efa nanompo tatỳ Afrika ny sasany, ka  vetivety dia zatra ny fiainana atỳ. Ny hafa kosa vao nanavao. Ahoana no nahafahan’izy ireo niatrika zava-tsarotra teto amin’ity “toeram-pilevenan’ny fotsy hoditra” ity? Andeha isika hanaraka ny tenin’ny sasany amin’izy ireo.

“Nanetry tena ny olona sady noana ara-panahy. Tena afa-po aho rehefa nahita hoe nanatsara ny fiainan’izy ireo ny fahamarinana.”—Hannelore Altmeyer.

“Tsy mora ny nizaka ny toetany sy ny aretina fahita any amin’ny tany mafana. Faly anefa aho fa afaka nanampy olona tso-po hanompo an’i Jehovah.”—Cheryl Ferguson.

“Nianatra hanam-paharetana aho. Rehefa nanontaniako ny rahavavy iray hoe rahoviana ny vahininy no ho avy, dia hoy izy: ‘Angamba androany, fa mety rahampitso, na rahafakampitso.’ Hita tamin’ny endriko angamba hoe gaga be aho, matoa izy niteny hoe: ‘Fa tsy maintsy ho avy ry zareo ka!’ ”—Christine Jones.

“Misionera 14 avy amin’ny foko sy kolontsaina samihafa izahay no nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera tany Freetown. Kabine roa no nampiasainay, efitra fandroana iray, milina fanasan-damba iray, ary lakozia iray. Tsy nisy firy ny sakafo sady tsy dia tsara. Tapaka tampoka ny jiro, ary naharitra andro maromaro izany indraindray. Voan’ny tazomoka sy aretina maro hafa ny ankamaroanay. Nianatra niara-niaina anefa izahay, nahay nifamela, ary nahay nanao vazivazy rehefa sendra zava-tsarotra. Tena nahafaly anay ny nitory, ary lasa mpinamana be izahay.”—Robert sy Pauline Landis.

Pauline Landis mampianatra Baiboly

“Anisan’ny fotoana nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainanay ny nanompoanay tany Sierra Leone.  Tsy manan-javatra itarainana momba ny fiainanay tany izahay, ary tsy manenina. Malahelo fotsiny izahay fa tsy any intsony.”—Benjamin sy Monica Martin.

“Nivahiny tao amin’ny vehivavy iray liana tamin’ny fahamarinana izahay, indray mandeha, ary sakafo hafahafa no narosony anay. ‘Menarana io’, hoy izy. ‘Eo andramo e! Efa nesoriko ny nifiny.’ Nanda ihany izahay fa tsy nety izy. Nampahatahotra ny zavatra toy izany, nefa hita hoe tena nahay nandray vahiny ry zareo ka lasa tianay be.”—Frederick sy Barbara Morrisey.

“Misionera 100 mahery no niara-nipetraka tamiko nandritra ireo 43 taona nanaovako ny asa misionera. Tombontsoa be ny mahafantatra olona be dia be hoatr’izany. Na samy manana ny toetrany aza izy ireo, dia iray ihany ny tanjony. Tsy vitan’izay fa tena mahafaly ny miara-miasa amin’Andriamanitra, sy ny manampy olona hanaiky ny fahamarinana ara-baiboly.”—Lynette Peters.

“Tena mahafaly ny miara-miasa amin’Andriamanitra, sy ny manampy olona hanaiky ny fahamarinana ara-baiboly”

Misionera 154 no efa nanompo teto Sierra Leone, nanomboka tamin’ny 1947, ary 88 ny tao Guinée. Maro koa ny Vavolombelona tonga mba hanitatra faritany. Misy misionera 44 izao eto Sierra Leone ary 31 ao Guinée. Afaka nanampy olona maro be izy ireo, satria tsy nitandro hasasarana sady nahafoy tena. Hoy i Alfred Gunn, anisan’ny Komitin’ny Sampana efa ela: “Tena maminay izy ireny.”