Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

SIERRA LEONE SY GUINÉE

1945-1990: ‘Mitarika ho Amin’ny Fahamarinana’—Dan. 12:3. (Fizarana 2)

1945-1990: ‘Mitarika ho Amin’ny Fahamarinana’—Dan. 12:3. (Fizarana 2)

Manaja ny fanambadiana izy ireo

Tsikaritr’i William Nushy, taoriana kelin’ny nahatongavany, fa tsy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana ny mpitory sasany. Nanao tokantranomaso izy ireo. Nisy indray nanaraka ny fomba amam-panao teo an-toerana, ka tsy nisoratra raha tsy rehefa bevohoka ilay vehivavy. Azo antoka, hono, amin’izay hoe hanan-taranaka izy ireo.

Nanoratra ho an’ny fiangonana rehetra àry ny biraon’ny sampana tamin’ny Mey 1953, mba hanazavana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanambadiana. (Gen. 2:24; Rom. 13:1; Heb. 13:4) Nomena fotoana hisoratam-panambadiana ny mpivady, raha tsy izany dia hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana.—1 Kor. 5:11, 13.

Nahafaly ny ankamaroan’ny mpitory io fanitsiana io. Nisy anefa nieritreritra hoe tsy nilaina izany. Maherin’ny antsasaky ny mpitory tao amin’ny fiangonana roa no niala tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Nampitombo ny fanompoany kosa ireo tsy nivadika, ary porofon’ny fitahian’i Jehovah izany.

Nekena hanaovana fisoratam-panambadiana ny Efitrano Fanjakana teto Freetown, noho ny ezaka mafy nataon’ireo rahalahy. Tamin’ny 3 Septambra 1954 no nisy fisoratana voalohany tao. Tatỳ aoriana, dia nomen’ny  fanjakana alalana hanoratra fanambadiana ny rahalahy sasany tany amin’ny distrika fito eran’i Sierra Leone. Nihamaro àry ny olona liana afaka nisora-panambadiana sy nahafeno fepetra ho mpitory.

Fampakaram-bady tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray

Niezaka nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ny olona liana maro, izay nampirafy. Hoy i Samuel Cooper, mipetraka any Bonthe ankehitriny: “Nanomboka  nanatrika fivoriana izaho sy ny vadiko roa, tamin’ny 1957. Tsy ela aho dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Nahazo anjara momba ny fanambadiana kristianina aho, indray mandeha. Nanao fikarohana momba an’ilay izy aho ka tsapako fa tokony hisarahako ilay vadikeliko. Nanohitra daholo ny havako rehefa nilazako an’izany. Niteraka iray mantsy izy io fa ilay vadiko voalohany kosa momba. Efa tapa-kevitra hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly anefa aho. Gaga aho fa bevohoka ilay vadiko voalohany rehefa nody tany amin’ny havany ilay vadikeliko. Dimy izao ny zanakay.”

Nisaraka tamin’ny vadikeliny roa koa i Honoré Kamano, olona liana nipetraka tao Guinée. Nankasitraka an’izany ilay vadiny voalohany ka lasa liana kokoa tamin’ny fahamarinana. Marina aloha hoe nalahelo ny vadikeliny iray rehefa nisarahany, nefa nampiaiky azy koa ny nahita an’i Honoré nanaja fatratra ny fitsipiky ny Baiboly. Nangataka hianatra Baiboly àry izy, ary nanokan-tena ho an’i Jehovah.

Malaza ho mpanaja ny fanambadiana ny Vavolombelon’i Jehovah

Fantatra eran’i Sierra Leone sy Guinée izao hoe manaja ny fanambadiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra izy ireo rehefa tsy mivadika amin’ny vadiny, sady manome voninahitra an’ilay Mpamorona ny fanambadiana.—Mat. 19:4-6; Tit. 2:10.

Fikomiana teto Freetown

Tonga teto Freetown i Charles sy Reva Chappell, misioneran’i Gileada, tamin’ny 1956. Taitra be izy ireo, teny an-dalana ho any amin’ny tranon’ny misionera,  rehefa nahita soratra ngeza be nampahafantatra hoe hisy lahateny ara-baiboly ao amin’ny Wilberforce Memorial Hall. Hoy i Charles: “I C. Jones, solontenan’ny ‘Eglizin’ny Vavolombelon’i Jehovah’, no voalaza fa handaha-teny.”

Nilaza ny tenany ho voahosotra i Jones, ary lehiben’ilay antokon’olom-bitsy niala tamin’ny fiangonana tao Freetown, taona maromaro talohan’izay. Nilaza azy ho “tena” vavolombelon’i Jehovah io antokon’olona io, ary niantso an’ireo tsy nivadika tamin’ny solontenan’ny fandaminana sy ireo misionera hoe “mpisandoka” sy “jiolahim-boton’i Gileada.”

Niharatsy ny toe-javatra rehefa voaroaka i Jones sy ny mpanohana azy. Hoy i Charles: “Tezitra ny rahalahy sasany, izay nilefitra tamin’ny zavatra nataon’ireo mpikomy. Nisy vitsivitsy tonga dia nanohitra ampahibemaso. Mbola niaraka tamin’ireo mpikomy izy ireo sy ny olon-kafa, ary nitady hanakorontana ny fivoriana sy ny fandaharam-pitoriana. Niara-nipetraka teny amin’ilay hoe laharan-tsezan’ny mpikomy izy ireo tao am-pivoriana. Niala tamin’ny fahamarinana ny ankamaroany tamin’ny farany. Nisy kosa tonga saina ka lasa mpitory be zotom-po indray.”

Tsy nivadika ny ankamaroan’ny olona teo anivon’ny fiangonana, ka afaka niasa tsara ny fanahin’Andriamanitra. Nitsidika an’i Freetown i Harry Arnott, mpiandraikitra mpitety sampana, ny taona nanaraka. Hoy izy: “Izay vao nisy fitomboana be toy izao teto Sierra Leone nandritra ny taona maro. Manantena isika fa mbola hisy fandrosoana amin’ny hoavy.”

Fampianarana ny foko kisi

Naharay taratasy avy tamin’ny rahalahy iray tany Liberia i Charles Chappell, taoriana kelin’ny fitsidihan’ny  Rahalahy Arnott. Tian’ilay rahalahy raha mba itoriana ny havany eto Sierra Leone. Avy amin’ny foko kisi mantsy izy. Tany amin’ireo havoana sy lohasaha rakotra ala, teo amin’ny sisin-tany ihaonan’i Sierra Leone sy Liberia ary Guinée no nisy an’io foko io. Toa hoe maro, hono, ny olona miteny kisi te hahafantatra ny Baiboly.

Tsy nahay taratasy ny ankamaroan’ny Kisi. Nandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tany Koindu àry ireo rahalahy, mba hampianarana an’ireo fahamarinana fototra. Nanintona olona an-jatony ireny kilasy ireny. Hoy i Charles: “Vetivety dia nisy mpitory vaovao 5, avy eo 10, dia 15, dia 20. Nandroso haingana be ny olona ka nisalasala aho raha tena tia fahamarinana izy ireo. Diso hevitra anefa aho. Tsy vitan’ny hoe nanam-pinoana ny ankamaroany fa be zotom-po koa.”

Tsy ela ireo mpitory vaovao dia nitory tany ivelan’i Koindu, ary tonga hatrany Guinée. Namakivaky tampon-tanety nandritra ny ora maro izy ireo, ary nitory foana na an-tsaha na an-tanàna. Hoy i Eleazar Onwudiwe, mpiandraikitra ny faritra tamin’izany: “Tsy maheno feona fiara na môtô mihitsy izahay mandritra ny herinandro maromaro, ary indraindray amam-bolana.”

Namafy sy nanondraka ny voan’ilay Fanjakana ny Kisi, ary nampitombo an’izany Andriamanitra. (1 Kor. 3:7) Rehefa nandre ny fahamarinana, ohatra, ny lehilahy jamba iray dia nianarany tsianjery ilay bokikely 32 pejy hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity.” Gaga ny olona satria tadidiny ny fehintsoratra rehetra, rehefa nitory sy nampianatra izy, tatỳ aoriana. Nanaiky ny fahamarinana koa ny vehivavy marenina iray ka niova be. Nahita izany ny zaobaviny ka nanomboka nivory, na dia tsy maintsy nandeha an-tongotra folo kilaometatra mahery aza.

 Nandroso haingana be ny fitoriana tamin’ny foko kisi. Nisy fiangonana hafa niforona, ary avy eo nisy iray indray. Mpitory 30 teo ho eo no nanao mpisava lalana. Liana tamin’ny fahamarinana ny ben’ny tanàna tao Koindu ary nanome tany hanorenana Efitrano Fanjakana. Olona 500 mahery no nanatrika ny fivoriamben’ny faritra tao Kailahun, ka lasa nisy fiangonana koa tao. Tsy ela dia nanjary avy amin’ny foko kisi avokoa ny antsasaky ny Vavolombelona teto Sierra Leone, na dia latsaka ny 2 isan-jaton’ny mponina aza io foko io.

Nisy ihany ny tsy faly tamin’io fandrosoana io, indrindra fa ny mpitondra fivavahana kisi. Velom-pialonana izy ireo ka tapa-kevitra ny hamongotra an’io loza nananontanona io. Tsy hay fotsiny hoe amin’ny fomba ahoana ary rahoviana.