Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

 SIERRA LEONE SY GUINÉE

Indray Mitopy Maso An’i Sierra Leone sy Guinée

Indray Mitopy Maso An’i Sierra Leone sy Guinée

Ilay tany Samy hita amin’ireo firenena roa ireo ny heniheny, tany lava volo, ary lembalemba. Misy tendrombohitra any afovoan-tany. Avy ao Guinée no ipoiran’ireo renirano telo lehibe any Afrika Andrefana, dia ny Reniranon’i Gambia, Niger, ary Sénégal.

Mponina Misy foko 18 any Sierra Leone, ka ny foko mendé sy temen no lehibe indrindra. Ny foko krio, taranak’ireo andevo afaka, no tena mipetraka ao Freetown. Maherin’ny 30 ny foko any Guinée, ka ny foko peul sy mandingue ary susu no lehibe indrindra. *

 Fivavahana Ny 60 isan-jato eo ho eo amin’ny mponin’i Sierra Leone no Silamo. Mitonona ho Kristianina ny ambiny. Efa ho ny 90 isan-jaton’ny mponin’i Guinée no Silamo. Manaraka fivavahana nentim-paharazana koa ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ireo tany ireo.

Fiteny Samy manana ny fiteniny ny foko tsirairay. Ny krio no fiteny iombonana any Sierra Leone. Teny anglisy mifangaro teny eoropeanina sy afrikanina izy io. Ny teny frantsay no fiteny ofisialy any Guinée. Ny antsasany mahery amin’ny mponina ao amin’ireo tany ireo no tsy mahay taratasy.

Fivelomana Mamboly ny sakafony ny ankamaroan’ny mponina. Efa ho ny antsasaky ny vola miditra amin’i Sierra Leone no azo avy amin’ny fanondranana diamondra. Anisan’ny manana tahirina baoksita be indrindra eran-tany i Guinée.

Sakafo Fomba fiteny mahazatra ny hoe: “Hoatran’ny tsy nisakafo aho raha tsy nihinam-bary!” Eo koa ny fufu, izay mangahazo masaka nopotsehina, ary matetika no hanina miaraka amin’ny hena sy saosy isan-karazany.

Toetany Mafana sy mando ny morontsiraka. Mangatsiaka kokoa any afovoan-tany. Rehefa vanin-taona mafana, dia mitsoka mandritra ny andro maromaro ny harmattan, izay rivotra maina avy any Sahara. Midina ny mari-pana amin’izay ary feno vovoka eny rehetra eny.

^ feh. 4 Manana anarana maromaro ny foko sasany.

 

SIERRA LEONE

GUINÉE

TANY (kilaometatra toradroa)

71 740

245 857

MPONINA

6 092 000

11 745 000

MPITORY TAMIN’NY 2013

2 039

748

MPITORY 1 ISAKY NY MPONINA

2 988

15 702

MPANATRIKA FAHATSIAROVANA TAMIN’NY 2013

8 297

3 609