Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

 SIERRA LEONE SY GUINÉE

1945-1990: ‘Mitarika ho Amin’ny Fahamarinana’—Dan. 12:3. (Fizarana 3)

1945-1990: ‘Mitarika ho Amin’ny Fahamarinana’—Dan. 12:3. (Fizarana 3)

Nifanehatra tamin’ny Poro

Nanomboka tao amin’ny tanàna iray teo akaikin’i Koindu ny fanenjehana. Nisy lehilahy vitsivitsy nianatra Baiboly sy efa nivory tao. Anisan’ny fikambanana miafina atao hoe Poro izy ireo, toy ny ankamaroan’ny lehilahy kisi ihany. Mpilalao ody be anefa ny olona ao amin’io fikambanana io. Hoy i James Mensah, misionera nanompo teto Sierra Leone: “Tezitra be ny filohan’ny Poro rehefa tsy nety nanao fombafomba nifandraisana tamin’ny demonia ireo mpianatra Baiboly. Nikapoka azy ireo àry ilay filoha sy ny mpomba azy, sady nangalatra ny fananany, nandoro ny tranony, namatotra azy tamin’ny rojo vy, ary namela azy tany anaty kirihitra mba ho faty mosary any. Nampirisihin’ny lehiben’ny distrika hanohy ny asa ratsiny ny Poro. Tsy nivadika anefa ireo mpianatra Baiboly.”

Nitory tany amin’ny polisy ireo rahalahy tao Koindu, ka voasambotra ilay filohan’ny Poro sy ny namany, ary  ilay lehiben’ny distrika. Notsaraina izy ireo ary notenenina mafy. Ilay lehiben’ny distrika aza moa naato tamin’ny asany nandritra ny herintaona latsaka kely. Nalaza be ilay fandresena, ary nandrisika an’ireo vaovao hivory. Lasa liana tamin’ny fahamarinana ilay lehiben’ny distrika, tatỳ aoriana. Nandray vahiny izy rehefa nisy fivoriambe tao amin’ny toerana nisy azy. Nanome omby matavy mihitsy aza izy.

Nisy mpitarika hafa tao amin’ny Poro nitady “hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna.” (Sal. 94:20) Nametraka volavolan-dalàna tao amin’ny Antenimiera izy ireo, mba hanafoanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Charles Chappell: “Niaro anay anefa ilay lehiben’ny distrika, ary nilaza tamin’ny mpivory teo fa efa roa taona izy izao no nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona. Nilaza izy fa tsy manao politika mihitsy io fikambanana io, ary mampianatra ny olona sy manampy azy ho tsara fitondran-tena. Te ho lasa Vavolombelona mihitsy aza, hono, izy any aoriana any. Tsy lany ilay volavolan-dalàna rehefa nanohana ny teniny ny mpikambana iray tao amin’ny Antenimiera, izay efa nianatra Baiboly koa.”

“Aleo Andriamanitra no hanome sakafo anao”, hoy izy ireo

Nenjehin’ny havany ireo niala tao amin’ilay fikambanana miafina. Anisan’izany i Jonathan Sellu, tovolahy nipetraka tany Koindu. Efa hatramin’ny dadan’ny dadabeny no mpanao ody, ary nampiofanina hanao izany koa izy. Tsy nanao sorona sy asan’ny maizina intsony anefa izy, rehefa nanomboka nianatra Baiboly. Tezitra be àry ny havany, ka tsy nandefa azy tany am-pianarana intsony, ary tsy nanome sakafo azy rehefa nandeha nivory izy. “Aleo Andriamanitra no hanome sakafo anao”, hoy izy ireo. Tsy nampihontsina an’i Jonathan anefa izany. Nahita hohanina foana izy, ary lasa nahay taratasy. Lasa mpisava lalana izy tatỳ aoriana, ary faly satria  nanaiky ny fahamarinana koa ny reniny.

Fitomboana tany an-toeran-kafa

Tamin’ny 1960, dia lasa nisy fiangonana sy antoko-mpitory tany Bo, Freetown, Kissy, Koindu, Lunsar, Magburaka, Makeni, Moyamba, Port Loko, Waterloo, ary hatrany Kabala. Vetivety dia lasa 282 ny mpitory raha 182 izany teo aloha. Maro ny mpisava lalana manokana avy any Ghana sy Nizeria tonga teto mba hampahery an’ireo fiangonana.

Avy tamin’ny foko roa ny ankamaroan’ireo vaovao: Ny foko krio teto Freetown sy ny manodidina, ary ny foko kisi tany amin’ny Faritany Atsinanana. Nisy foko hafa koa nanaiky ny fahamarinana rehefa nandroso ny asa. Anisan’izany ny foko kuranko, limba, sy ny foko temen any avaratra, ary ny foko mendé any atsimo.

Nitokana Efitrano Fanjakana ny Fiangonana Freetown Atsinanana, tamin’ny 1961. Nitokana efitrano biriky nisy toerana 300 ny Fiangonana Koindu, taorian’izay. Azo nanaovana fivoriambe koa izy io. Sambany, taoriana kelin’izay, vao nisy Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, ary anti-panahy 40 no nanatrika izany. Ny zavatra niavaka farany tamin’iny taona iny, dia ny nizarana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny sarambabem-bahoaka.

Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Sierra Leone, 1961. William Nushy (Farany aoriana, afovoany), Charles Chappell (laharana faharoa, faharoa avy eo ankavanana), ary Reva Chappell (eo anoloana, fahatelo avy eo ankavanana)

Hita hoe nitahy ny vahoakany i Jehovah. Tamin’ny 28 Jolay 1962 mantsy, dia nekena ho ara-dalàna teto Sierra Leone ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena.

Nisokatra ny asa tao Guinée

Andeha indray isika hiresaka momba an’i Guinée (na Guinée Frantsay taloha). Nisy rahalahy vitsivitsy nitory  kely tao, talohan’ny 1958. Nanohitra ny asantsika anefa ny fanjakana frantsay mpanjana-tany. Niova izany tamin’ny 1958, rehefa nahazo fahaleovan-tena i Guinée.

Nisy toerana fitrandrahana baoksita tao Fria, 80 kilaometatra any avaratr’i Conakry renivohitra. Lasa niasa tao ny rahalahy iray mahay teny frantsay avy any Dahomey (Bénin ankehitriny), tamin’ny faramparan’ny 1958. Manuel Diogo no anarany, ary 30 taona mahery kely izy. Te hitory tao amin’io toerana mbola tsy nisy mpitory io izy, ka nanoratra tany amin’ny sampan’i Frantsa mba hangataka boky sy gazety ary mpisava lalana manokana hanampy azy. Izao no namaranany ny taratasiny: “Enga  anie mba hitahy ny asa atỳ i Jehovah, satria be dia be ny olona liana.”

Nandefa taratasy mampahery ho an’i Manuel ny sampan’i Frantsa, ary nampirisika azy hijanona tao Guinée, raha azo atao. Nisy mpisava lalana manokana koa nasain’ny sampana nitsidika azy, mba hampiofana azy hitory. Tena nahafaly an’i Manuel izany, ka nazoto nitory foana izy mandra-pahafatiny tamin’ny 1968.

Nitsidika tao Conakry i Wilfred Gooch, mpiandraikitra mpitety sampana, tamin’ny 1960, ary nahita rahalahy afrikanina roa hafa nitory tao. Nanolo-kevitra izy hoe aleo ny sampan’i Sierra Leone no hiandraikitra ny asa ao Guinée fa tsy ny sampan’i Frantsa intsony. Tanteraka izany tamin’ny 1 Martsa 1961. Niforona tao Conakry ny fiangonana voalohany tao Guinée, iray volana taorian’izay.

Tonga hatrany anaty ala ny hazavana ara-panahy

Niely tany amin’ny faritra atsimon’i Guinée koa ny vaovao tsara. Nody tao Fodédou, 13 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Guékédou, i Falla Gbondo, izay nipetraka tany Liberia. Avy amin’ny foko kisi izy. Nitondra an’ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray izy. Tsy nahay namaky teny i Falla, nefa hainy tsara ny nanazava an’ireo sary tamin’ny olona. Hoy izy: “Niteraka resa-be ilay boky. Nantsoin’ny olona hoe Bokin’i Adama sy Eva izy io.”

Niverina tany Liberia i Falla. Natao batisa izy ary lasa mpisava lalana manokana. Nankany Fodédou indroa isam-bolana izy, satria nisy olona 30 teo ho eo niara-nianatra Baiboly tany. Tsy ela izy dia nampian’i Borbor Seysey, mpisava lalana manokana kisi avy any Liberia. Lasa nisy antokon’olona nianatra Baiboly koa tao Guékédou, ary lasa fiangonana izy io sy ilay tany Fodédou.

 Nihamaro ny Kisi lasa Vavolombelona, ary voamariky ny mpitondra teo an-toerana hoe tsara fitondran-tena izy ireo. Niasa mafy ny Vavolombelona, nanao ny marina, ary nanampy ny olona hihavana. Vao nangataka ny hanorina Efitrano Fanjakana tao Fodédou àry ireo rahalahy, dia nomeny tany telo hektara avy hatrany. Vita tamin’ny 1964 ilay izy, ary io no efitrano voalohany tao Guinée.

Korontana tao Conakry

Nanangasanga ny korontana tao Conakry. Lasa niahiahy an’ireo vahiny ny mpitondra, rehefa nisy korontana ara-politika teo an-toerana. Tsy nomena vizà maharitra ireo misioneran’i Gileada efatra, ary nalefa tany an-tany hafa. Nisy nanendrikendrika ny rahalahy roa avy any Ghana, ka nigadra roa volana latsaka kely.

Voasambotra indray ny iray tamin’izy ireo, rehefa avy nafahana. Tsy iza izany fa i Emmanuel Awusu-Ansah. Naloto be ny efitra nigadrany. Nanoratra izy hoe: “Salama ara-panahy aho fa manavy foana. Mbola afaka mitory ihany anefa aho. Nahatratra 67 ny orako tamin’ny volana lasa, ary efa mitory miaraka amiko izao ny mpianatro roa.” Lasa Vavolombelona ny iray tamin’ireo mpianany ireo. Nafahana indray ny Rahalahy Awusu-Ansah, dimy volana taorian’izay, ary nalefa teto Sierra Leone. Mpitory iray sisa no tao Conakry.

Nisy mpisava lalana manokana tonga tao Conakry tamin’ny 1969, rehefa nihatony ny korontana ara-politika. Navelan’ny manam-pahefana hanangana Efitrano Fanjakana izy ireo, ary nasiana soratra famantarana teo amin’izy io. Tsy ela dia nisy olona liana 30 teo ho eo nivory tsy tapaka.

Natahotra ny ho voasambotra ireo rahalahy tamin’ny voalohany, ka nitandrintandrina rehefa nitory. Nampitombo  ny asa fitoriany anefa izy ireo, rehefa tsy dia natahotra intsony. Nizara taratasy mivalona 6 000 io fiangonana kely io, tamin’ny 1973. Nanomboka nizara gazety tany amin’ny birao sy toerana be orinasa izy ireo, tatỳ aoriana. Lasa nahafantatra kokoa ny asantsika ny olona sy ny manam-pahefana ary nankasitraka izany. Be fikirizana sy nanam-paharetana ireo rahalahy, hany ka nekena ho ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Guinée, tamin’ny 15 Desambra 1993.