Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

 SIERRA LEONE SY GUINÉE

2002-2013: Zava-nitranga Faramparany (Fizarana 1)

2002-2013: Zava-nitranga Faramparany (Fizarana 1)

 “Misaotra Jehovah ô!”

Niverina nody ireo rahalahy sy anabavy rehefa nilamina ny tany. Niforona indray ireo fiangonana, indrindra tany amin’ny faritra atsinanan’i Sierra Leone, izay tena rotidrotiky ny ady. Hoy ny mpisava lalana manokana tany amin’ny faritra iray: “Nisy 16 ny mpivory tamin’izahay nivory voalohany, ary lasa 36 tamin’ny fivoriana nanaraka, dia avy eo 56, ary 77 tamin’ny Fahatsiarovana! Faly be izahay!” Nisy 9 ny fiangonana vaovao, ka lasa 24 ny fiangonana teto Sierra Leone. Anisan’ny nampandroso ny asa koa ireo misioneran’i Gileada folo vao tonga. Nahatratra 7 594 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2004, izany hoe avo dimy heny mahery noho ny isan’ny mpitory! Nisy fitomboana toy izany koa tao Guinée.

Nanokana vola hanampiana ny mpitsoa-ponenana nody tany amin’ny taniny ny Filan-kevi-pitantanana. (Jak. 2:15, 16) Nisy ekipan’ny vonjy rano vaky nanorina na nanamboatra Efitrano Fanjakana 12, ary nanamboatra ny Efitrano Fivoriambe tao Koindu. Nanorina trano biriky tsotsotra 42 koa izy ireo, mba honenan’ireo fianakaviana rava trano. Nitsangana teo akaikin’ilay tranony vaovao ny anabavy iray maty vady, izay efa 70 taona mahery. Sady nirotsa-dranomasom-pifaliana izy no niteny hoe: “Misaotra Jehovah ô! Misaotra Jehovah ô! Misaotra anareo ranadahy!”

Nanomboka nanorina Efitrano Fanjakana tamin’ny vola fanampiana ny tany mahantra koa ny biraon’ny  sampana. Nilaza toy izao i Saidu Juanah, anti-panahy mpisava lalana ao amin’ny Fiangonana Bo Andrefana: “Hoy ny anabavy iray tamiko: ‘Raha maheno aho hoe hahazo Efitrano Fanjakana vaovao isika, dia hitehaka amin’ny tanako sy ny tongotro aho!’ Rehefa nampandrenesiko hoe hahazo efitrano vaovao izahay, dia nitsangana io anabavy io, ary nitehaka sady nandihy. Nitehaka tamin’ny tanany sy ny tongony tokoa izy!”

Notokanana tamin’ny 2010 ny efitrano vaovaon’ny Fiangonana Waterloo. Azo itarina izy io, ka mahazaka olona 800 rehefa fivoriambe. Nisy olona nilaza hividy an’ilay tany tamin’ny vidiny lafo kokoa, tamin’ny andro hividianan’ilay fiangonana azy io. Hoy anefa ilay tompony: “Aleoko anaovana toeram-pivavahana ny taniko, toy izay anaovana raharaham-barotra.”

Efitrano 17 no naorina teto Sierra Leone noho ilay tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra, ary 6 ny tao Guinée. Mihamaro ny mpivory, noho ireny trano tsotra nefa mendrika ireny.

Hita ireo ondry very

Rehefa nihamaro ny mpitory, dia nandamina ezaka manokana naharitra roa volana ny sampana, mba hitoriana tany amin’ny faritany tsy voasa matetika. Efa ho 15 000 ny boky voapetraka, ary maro ny fitantarana nahafinaritra. Nisy olona nanontany raha mba hisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireny tanàna ireny. Tsy ela dia nisy fiangonana roa vaovao tany. Nahita anabavy roa tao amin’ny tanàna mitokana iray ireo rahalahy. Tafasaraka tamin’ny fandaminana izy ireo noho ny ady. Nasiana fivoriana avy hatrany tany, ary fampianarana Baiboly maromaro no natomboka.

 Ren’ny biraon’ny sampana, tamin’ny 2009, hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanàna iray any anaty ala mikitroka any Guinée. Nandefa rahalahy tany ny sampana mba hanadihady. Hay nody tao amin’ny tanàna nisy azy ny rahalahy zokiolona iray rehefa nisotro ronono, ary nampianatra lehilahy maromaro talohan’ny nahafatesany. Nino an’i Jehovah ny iray tamin’izy ireo, ary nanomboka nitory. Nitarika fivoriana koa izy, ary ny bokin’ilay rahalahy efa nodimandry no nampiasainy. Efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny 20 taona izy ireo, no sendra hitan’ny mpitory iray. Tonga dia nandefa rahalahy hanampy azy ireo ny sampana, ary nisy 172 ny mpanatrika Fahatsiarovana tao tamin’ny 2012.

Maro koa ny ‘ondry very’ hita indray, tato ho ato. Nisy tamin’izy ireny tsy nifandray tamin’ny fiangonana intsony ary nisy noroahina. Maro tamin’ny olona toy izany no niverina tamin’ny fandaminana indray, ary nandray azy ireo an-tanan-droa ny vahoakan’i Jehovah.—Lioka 15:11-24.

Nanaiky ny fahamarinana ireo Silamo tso-po

“Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” ny apostoly Paoly, rehefa nitory ny vaovao tsara. (1 Kor. 9:22, 23) Nanitsy ny fomba fitoriny koa ny mpanompon’i Jehovah eto Sierra Leone sy Guinée, mba hanintonana olona isan-karazany. Andeha hojerentsika ny ataon’ny mpitory sasany mba hampisaintsainana ny Silamo, izay maro an’isa tokoa ao amin’ireo tany roa ireo.

Hoy i Saidu Juanah, izay Silamo taloha: “Mino ny Silamo fa noforonina avy tamin’ny vovoka i Adama, saingy tany amin’ny paradisa tany an-danitra aloha izy no  nipetraka. Tiako hahalala ny tena marina izy ireo ka anontaniako hoe: ‘Avy aiza moa ny vovoka?’

“Dia mamaly izy ireo hoe: ‘Avy amin’ny tany.’

“ ‘Dia tsy maintsy hoe taiza izany i Adama no noforonina?’

“ ‘Teto an-tany.’

“Mamaky ny Genesisy 1:27, 28 aho avy eo ary manontany hoe: ‘Manan-janaka ve ireo mipetraka any an-danitra?’

“Mamaly ry zareo hoe: ‘An, an, an. Tsy misy lahy sy vavy ny anjely.’

“ ‘Tsy maintsy hoe taiza izany i Adama sy Eva, tamin’Andriamanitra nitso-drano azy ireo mba hanan-janaka?’

“ ‘Teto an-tany.’

“ ‘Ka rehefa hamerina ny Paradisa Andriamanitra, tokony ho aiza izany izy io?’

“ ‘Eto an-tany.’ ”

Hoy i Saidu: “Silamo maro no lasa liana rehefa ampisaintsainina toy izany, ary mandray boky ara-baiboly.”

Iray amin’izany i Momoh. Mpivarotra izy, ary te ho lasa mpitondra fivavahana silamo. Liana tamin’ny fahamarinana izy, rehefa nisy misionera Vavolombelona nampisaintsaina azy tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. Nanatrika ampahany tamin’ny fivoriamben’ny faritra izy, ary tiany ny zavatra reny. Efatra andro taorian’izay, dia nanatrika Fahatsiarovana izy sy Ramatu vadiny ary ny zanany dimy. Nazoto nianatra Baiboly i Momoh taorian’io. Tsy nivarotra sigara intsony izy rehefa avy nianatra kelikely. Nilazany ny mpividy fa manimba ny sigara ary tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Nampianariny tao am-pivarotana koa ny vady aman-janany. Raha mandritra ny fianarana ny mpividy no  tonga, dia asainy mipetraka sy miandry eo, satria zava-dehibe amin’izy mianakavy ny fianarana. Nanohitra be ny fianakaviany, rehefa nisora-panambadiana izy mivady. Vao mainka anefa izy mivady sahy nitory tamin’izy ireo, hany ka lasa nanaja azy ireo ny fianakaviany noho ny fitondran-tena tsarany. Natao batisa tamin’ny 2008 i Momoh, ary Ramatu tamin’ny 2011.

Manaja ny fahamasinan’ny ra

Manaja ny fitsipiky ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny fitsipika momba ny ra. (Asa. 15:29) Mihamaro izao ny mpitsabo manaja ny safidintsika eto Sierra Leone sy Guinée.

Rahalahy mampahery anabavy iray any amin’ny hopitaly

Nizara an’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Raharaha Momba ny Ra ireo rahalahy,  tamin’ny 1978. Nomena tamin’izy io ny dokotera, mpitsabo mpanampy, tompon’andraikitry ny hopitaly, mpisolovava, ary ny mpitsara eran’i Sierra Leone. Taoriana kelin’izay, dia nisy anabavy iray narary mafy. Nisy ra niparitaka tao anatiny nefa izy bevohoka be. Tsy nety nitsabo azy ny dokotera noho izy tsy nanaiky hampidiran-dra. Vonon-kanampy anefa ny dokotera iray, noho ny fanazavana tao amin’ilay bokikely. Teraka lahy kely salama tsara ilay anabavy, ary sitrana tanteraka.

Namaky an’ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao? ny Dr. Bashiru Koroma, tamin’ny 1991 tany ho any. Dokotera mpandidy tao amin’ny Hopitalin’i Kenema izy. Nampiaiky azy ny fanazavana tao, ka nanomboka nivory sy nianatra Baiboly izy. Niharan-doza ny ankizy Vavolombelona iray sivy taona, tamin’izany ka nisy simba ny taova tao anatiny. Tsy nety nanao fandidiana tsy ampiasana ra ny dokoterany, ary niteny tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Ento mody izy, dia aleo ho faty any an-tranonareo any.” Nanatona an’ny Dr. Koroma izy mivady. Natao ny fandidiana ary nahomby.

Tsy ela ny Dr. Koroma dia lasa rahalahy, ary tena nanohana ny fitsaboana tsy ampiasana ra izy. Salama tsara foana ny marariny, na dia nanilikilika azy aza ny dokotera hafa. Nisy dokotera nangataka fanampiana taminy, tatỳ aoriana, rehefa nisy fandidiana sarotra.

Nanangana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly teto Sierra Leone sy Guinée ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly tao amin’ny biraon’ny sampana teto Freetown, nanomboka tamin’ny 1994. Nanampy marary maro ireny komity ireny, ary nandresy lahatra mpitsabo maro hanaiky hampiasa fitsaboana tsy ampiasana ra.