Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

 SIERRA LEONE SY GUINÉE

1915-1947: Fiandohan’ny Asa (Fizarana 3)

1915-1947: Fiandohan’ny Asa (Fizarana 3)

Nitatra ny asa fitoriana

Nafana fo tamin’ny fahamarinana ny Fiangonana Freetown, ka “nifantoka tanteraka tamin’ny tenin’Andriamanitra.” (Asa. 18:5) Hoy i Alfred Joseph: “Nofatorako teo amin’ny môtô-ko ny baoritra iray feno boky. Nitaingina teo aoriana koa i Thomas Grant na i Sylvester Grant rahalahiny, ary lasa izahay nitory tany ambanivohitra sy teny amin’ny tanàna kely manodidina an’i Freetown.”

Teto Freetown sy ny manodidina no tena nitoriana, hatramin’ny 1927. Nanomboka tamin’ny 1928 kosa, dia nitory tany amin’ny faritra hafa ny fiangonana, isaky ny alohan’ny fahavaratra. Nanofa bisy izy ireo, ary izay tsy afaka nandeha dia nanohana ara-bola. I Melbourne Garber no nitarika an’ireo mpitory. Nitory tany amin’ny tanàn-dehibe sy tanàna kely izy ireo, ka niantsinanana hatrany Kailahun ary nianatsimo hatrany akaikin’ny sisin-tanin’i Liberia. Nitsidika an’ireo olona liana izy ireo isaky ny alahady voalohan’ny volana.

 Nankany Antilles ny Rahalahy Brown tamin’izany, ary nitondra fiara rehefa niverina. Io no anisan’ny fiara kely voalohany tonga teto Sierra Leone. Nisy fanamafisam-peo matanjaka be teo amin’ilay izy mba hitoriana eny an-kalamanjana. Najanon’ny Rahalahy Brown teo amin’ny toerana be olona ilay fiara, ary nandefa feon-kira izy mba hanintonana olona. Nanao lahateny fohy izy avy eo na nandefa lahateny noraisim-peo ary nanasa ny olona haka boky ara-baiboly. Nahafinaritra ny olona ilay fiara miteny, ka maro no tonga nihaino an’ilay izy.

Tsy matahotra mitory

Nifantoka tamin’ny faritany mbola tsy nisy mpitory indray ny Rahalahy Brown, izany hoe ireo firenena hafa miteny anglisy atỳ Afrika Andrefana. Nandeha nitory tany Gambia, Ghana, Liberia, ary Nizeria izy, taloha kelin’ny 1930. Nahita olona liana foana izy tany  amin’ireny firenena ireny, fa tany Nizeria no tena betsaka. Niala teto Freetown àry izy mianakavy tamin’ny 1930, ary nifindra tany Lagos. Mbola niandraikitra ny asa fitoriana eran’i Afrika Andrefana foana anefa izy.

Mihoatra ny 500 000 izao ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Afrika Andrefana

Narary ny Rahalahy Brown ka tsy maintsy nody tany Jamaika tamin’ny 1950. Efa betsaka ny zava-bitany tamin’izay. Hitan’izy sy Antonia, nandritra ny 27 taona, fa nihamaro ny Vavolombelona tatỳ Afrika Andrefana. Lasa 11 000 izy ireo, nefa 2 monja tamin’ny voalohany. Hitan’izy mivady fa tanteraka ny faminanian’i Isaia hoe: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery.” (Isaia 60:22) Lasa “firenena mahery” tokoa izy ireo, 60 taona mahery atỳ aoriana, satria efa mihoatra ny 500 000 izao ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Afrika Andrefana.

Tsy nivadika na teo aza ny fandrarana

Tsy nety niady ny vahoakan’i Jehovah teto Sierra Leone nandritra ny Ady Lehibe II. (Mika 4:3; Jaona 18:36) Nampangain’ny mpitondra britanika ho mpikomy amin’ny fanjakana izy ireo, ka narahi-maso ny asany ary norarana ny bokiny. Nisy fotoana notazonin’ny doanina teto Freetown ny boky nentin’ny sambo, ary nodorany. Nisy rahalahy voasambotra satria nanana boky voarara. Vetivety anefa izy ireo dia nafahana. *

Nitory foana ny Vavolombelona, na teo aza ny fandrarana. Hoy i Pauline Cole: “Niasa tao amin’ny sambo mpandeha tatỳ Sierra Leone ny anadahy anankiray, ka izy no mpitondra Tilikambo Fiambenana ho anay. Nanao dika mitovy tamin’izy ireny izahay mba hampiasaina tamin’ny  fivoriana. Nanao pirinty trakta ara-baiboly koa izahay, ary nizara izany tamin’ny olona. Ireo anadahy koa mbola nanao lahateny ho an’ny besinimaro sy nandefa ny lahatenin’ny Ranadahy Rutherford, izay noraisim-peo tamin’ny radio. Tany amin’ireo tanàna manodidina no tena nanaovany an’izany.”

Notahin’i Jehovah ireny ezaka ireny. Hoy i James Jarrett, anti-panahy efa ela sady mpisava lalana manokana: “Mpipai-bato no asako nandritra ny ady. Nisy anabavy be taona nanome ahy an’ilay bokikely hoe Mpitsoa-ponenana. Nahaliana ahy ilay lohateny, satria betsaka ny mpitsoa-ponenana nanketo Freetown. Novakiko ilay bokikely tamin’iny alina iny, ary tonga dia niaiky aho hoe io no fahamarinana. Hitako indray ilay anabavy ny ampitso maraina, ary nahazo bokikely fanampiny aho mba homeko an’ireo rahalahiko telo. Samy nanaiky ny fahamarinana izahay efa-dahy.”

Nisy mpitory 32 tao amin’ny Fiangonana Freetown, rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945. Tsy nivadika ireo rahalahy ary mbola nazoto nitory. Vonona hanao fandrosoana foana ry zareo.

Ezaka manokana

Nisy ezaka manokana noresahina tao amin’ny Mpilaza Vaovao (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny), tamin’ny Desambra 1944. Tokony handamina fivoriana any amin’ny “tanàna rehetra” ao amin’ny faritaniny ny fiangonana tsirairay, ary hanasa olona. Fivoriana inefatra miantoana ilay izy, ary hisy lahateny adiny iray avy. Afaka mandaha-teny ny rahalahy (18 taona no ho miakatra), izay nahavita tsara ny anjarany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Handamina antokon’olona mianatra Baiboly izy ireo aorian’izay, mba hanampiana an’ireo liana. Nodinihin’ny Fiangonana Freetown tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany, ny 29 Aogositra 1945.

 Ahoana no nandraisan’ireo rahalahy an’ilay toromarika? Izao no resaka nataon’izy ireo nandritra an’ilay fivoriana:

Mpitari-draharaha: “Ahoana no hanatanterahantsika an’io ezaka manokana io, araka ny hevitrareo?”

Rahalahy voalohany: “Tsy hitovy amin’ny any Amerika kosa aloha ny vokatra ho hitantsika e! Hafa ny olona atỳ.”

Rahalahy faharoa: “Izany mihitsy.”

Rahalahy fahatelo: “Maninona raha andramana aloha e?”

Rahalahy fahefatra: “Fa ho sarotra aloha izany a.”

Rahalahy fahadimy: “Tsy maintsy manaraka ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah anefa isika.”

Rahalahy fahenina: “Fa tsy voatery hahomby ilay izy eto amintsika.”

Anabavy voalohany: “Mazava anefa ny tari-dalana ao amin’ilay Mpilaza Vaovao. Aleo andramana e!”

Dia nandramana tokoa ilay izy. Nandamina fivoriana tany amin’ny sekoly, tsena, ary tranon’olona ireo rahalahy. Nanomboka teo amoron-tsirak’i Freetown izany, tonga tany Bo, any atsimoatsinanana, ary hatrany Kabala, eo amin’ny lembalemba any amin’ny faritra avaratra. Nandrisika ny fiangonana izany, ka ‘niroborobo sy niely hatrany ny tenin’i Jehovah.’—Asa. 12:24.

Nila fampiofanana anefa ny mpitory, ary nomen’i Jehovah azy ireo tokoa izany.

^ feh. 10 Nofoanana ilay fandrarana tamin’ny 1948.