Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014

 SIERRA LEONE SY GUINÉE

1915-1947: Fiandohan’ny Asa (Fizarana 1)

1915-1947: Fiandohan’ny Asa (Fizarana 1)

 Namirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana

Tonga teto Sierra Leone ny vaovao tsara tamin’ny 1915. Nisy tompon-tany niverina avy tany Angletera tamin’izay, ary nitondra boky ara-baiboly. Ny Jolay 1915 kosa no tonga teto Freetown ny rahalahy vita batisa voalohany. Alfred Joseph no anarany. Teratany avy any Guyana, any Amerika Atsimo, izy ary 31 taona tamin’izany. Tany am-piandohan’io taona io izy no natao batisa tany Barbade, any Antilles. Lasa mpamily fiarandalamby teto Freetown izy, ary nipetraka tao amin’ny tanàna ho an’ny mpiasan’ny gara tao Cline Town, telo kilaometatra mahery miala an’ilay Hazo Kapoakan’i Freetown. Nitory tamin’ny mpiara-miasa taminy avy hatrany izy.

Nahazo namana i Alfred ny taona nanaraka, rehefa tonga i Leonard Blackman, mpiara-miasa taminy tany Barbade. Tsy iza moa izy fa zanak’i Elvira Hewitt, ilay anabavy nitory tamin’i Alfred. Lasa mpifanila trano izy mirahalahy, ary niara-nandinika tsy tapaka ny Baiboly. Nizara boky sy gazety tamin’ny namany sy ny olona liana koa izy ireo.

Hitan’izy roa lahy fa “efa masaka hojinjaina ny vokatra” teto Freetown. (Jaona 4:35) Nanoratra tany amin’ny foibe tany New York àry i Alfred, tamin’ny 1923, ary nilaza hoe: “Maro ny olona liana atỳ. Azonareo atao ve ny mandefa olona hikarakara azy ireo sy hampandroso ny asa eto Sierra Leone?” Izao no valiny azony: “Handefa olona izahay!”

William Brown “Baiboly” sy Antonia vadiny

Hoy i Alfred: “Nahazo antso an-tariby tampotampoka aho, indray asabotsy alina, volana maromaro tatỳ aoriana.

 “Hoy ilay olona: ‘Ianao ve ilay nangataka mpitory tany amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana?’

“Nanaiky aho, ka hoy izy tamin’ilay feo midoboka be:

“ ‘Izaho no nalefany.’

“Feon’i William Brown ilay izy. Tonga tamin’io andro io izy sy Antonia vadiny ary ny zanany vavikely. Namantana tao amin’ny Hotely Gainford ry zareo.

“Teo am-pianarana Baiboly izahay sy Leonard ny ampitso maraina, no nisy olona lava ranjanana tonga teo am-baravarana. I William Brown ilay izy. Tena nafana fo tamin’ny fahamarinana izy, ka ny ampitson’io ihany dia efa te hanao lahateny ho an’ny besinimaro. Nofandrihanay avy hatrany àry ny Wilberforce Memorial Hall, ilay efitrano lehibe indrindra teto Freetown. Tapaka fa hatao ny alakamisy hariva ny lahateny voalohany amin’ireo lahateny efatra hataon’ny Rahalahy Brown.

“Nisomokotra nampahafantatra an’ilay fandaharana tamin’ny gazety, taratasy fanasana, ary am-bava izahay,  na vitsy aza. Lasa saina izahay hoe ho tonga ve ny olona. Tsy nisy tokony hampanahy anefa. Feno olona 500 teo ho eo ilay trano, ka anisan’izany ny mpitondra fivavahana. Faly erỳ izahay!”

Naharitra adiny iray ilay lahateny. Nanonona andinin-teny be dia be ny Rahalahy Brown, ary nampiasa fandefasana sary izy mba hahafahan’ny olona mamaky an’ireo andininy teo amin’ny rindrina. Naverimberiny koa ny hoe: “Tsy i Brown no milaza izany, fa ny Baiboly.” Talanjona ny mpanatrika ary nitehaka isaky ny avy nanazava hevitra iray izy. Tsy ilay feony nidoboka no nahavariana ny olona, fa ireo porofo nampiaiky avy tao amin’ny Baiboly. Hoy ny tovolahy iray niofana ho pretra: “Tena mahay Baiboly Atoa Brown!”

1930

Nanaitra ny olona tao an-tanàna ny lahatenin’ny Rahalahy Brown, ka nirohotra hihaino an’izany ny olona. Feno hipoka indray ilay trano ny alahady, rehefa natao ilay lahateny hoe “Fiverenana avy any Amin’ny Afobe! Iza no Any?” Tena nampiaiky olona ny fahamarinana noresahin’ny Rahalahy Brown tamin’io alina io, ka na ny mpiangona fanta-daza aza niala tamin’ny fivavahana nisy azy.

Ny lahateny fahefatra dia ilay hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Mbola maro be koa no tonga nihaino azy io, ka hoy ny olona iray: “Voatery nanafoana ny fotoam-pivavahana hariva ny fiangonana, satria nandeha nihaino ny lahatenin’ny Rahalahy Brown daholo ny mpiangona tao aminy.”

Nampiasa Baiboly foana ny Rahalahy Brown, ary nilaza fa izay lazain’izy io no marina, hany ka nantsoin’ny olona hoe Brown “Baiboly” izy. Raiki-tampisaka io anarana io, ary izany no nahafantarana azy nanerana an’i Afrika Andrefana. Faly koa i William Brown nitondra an’io anarana io, mandra-pahavitany ny fanompoany teto an-tany.