Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Voatokana

Zavatra Voatokana

ZAVATRA VOATOKANA

Io no nandikan’ny Baiboly sasany (Prot., JM, TV) an’ilay teny hebreo hoe herem. Nadikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe “voatokana haringana” koa io teny io. Herem no ilazana an’izay zavatra voatokana tanteraka ho an’Andriamanitra ka tsy azo avotana intsony satria lasa zava-masina. Ilazana an’izay voatokana haringana anefa izy io matetika. Mety ho olona ilay izy (Ek 22:20; Le 27:29); ny fananany (Ezr 10:8, Prot., f.a.p.); biby na tany na zavatra voatokana ho zava-masina (Le 27:21, 28); na tanàna iray sy izay rehetra ao.—De 13:15-17; Js 6:17.

Nilaza tamin’ny firenen’Israely i Jehovah Andriamanitra fa nisy zavatra na olona na tanàna atokana ho zava-masina, ka tsy azon’ny olon-tsotra ampiasaina. Izao no dikan’ny hoe herem, hoy i Koehler sy Baumgartner: “Zavatra na olona voatokana (haringana na ho zava-masina ka tsy azon’ny olon-tsotra ampiasaina).” Ny matoantenin’ny mpampanao hoe haram kosa midika hoe “roahina (roahina . . . tsy ho anisan’ny fiaraha-monina [sy] tsy ho anisan’ny velona, atokana haringana).” (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 334) Toy ny hoe lasa “fady” ho an’ny Israelita àry ireo zavatra voatokana ireo. Midika koa hoe “fady” ny teny arabo mitovitovy amin’ny hoe herem. Antsoin’ny Arabo silamo hoe haram, ohatra, ny faritra masina misy an’i Lameka sy Médine. Tsy misy mahazo miditra ao amin’ny harim na trano misy an’ireo vadikelin’ny lehibem-poko iray koa, afa-tsy izy sy ny mpanompony efa novosirina ihany.

Ny Lalàna no niresaka voalohany momba ny zavatra voatokana. Hoy ny Eksodosy 22:20: “Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa afa-tsy ho an’i Jehovah irery ihany, dia hatokana haringana [endriny hafa amin’ny hoe haram].” Nihatra tamin’ny Israelita koa io didy io. Nisy 24 000, ohatra, izy ireo no naringana satria nanompo sampy tao Sitima. (No 25:1-9) Mety ho naringana koa izay nanana zavatra voatokana haringana. Nampitandrina an’ireo Israelita toy izao àry Andriamanitra momba ireo sampin’ny Kananita: “Aza mitondra zava-maharikoriko [sampy] ho ao an-tranonao, sao ho voatokana haringana [herem] toy izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany, ary ho tena halanao, satria zavatra natokana haringana.”—De 7:25, 26.

Tsy hoe naringana foana akory izay voatokana ho zava-masina. Azo natokana ho an’i Jehovah ny fitaovana, biby, ary tany, ka lasa zava-masina nampiasain’ny mpisorona na nampiasaina tao amin’ny tempoly. Tsy maintsy novonoina ho faty kosa izay olona voatokana haringana. Tsy azo navotana mihitsy ny zavatra voatokana, tsy hoatran’ny zavatra nohamasinina.—Le 27:21, 28, 29; ampit. and. 19, 27, 30, 31; No 18:14; Js 6:18, 19, 24; Ezk 44:29; Ezr 10:8.

Kananita. Nandritra ny fanafihana an’i Kanana no tena betsaka ny zavatra voatokana haringana. Notafihin’i Arada mpanjaka kananita hatrany Negeba ny Israely, talohan’ny nidiran’izy ireo tao Kanana. Nivoady àry izy ireo fa handringana an’ireo tanànan’i Arada, ary nankasitrahan’i Jehovah ilay voady. (No 21:1-3) Voatokana haringana koa ny mponina rehetra tao amin’ny fanjakan’i Sihona sy Oga, tany atsinanan’i Jordana, rehefa avy niady tamin’ny Israely. Naripaka daholo izy rehetra, afa-tsy ny biby fiompy sy ny zavatra hafa azo babo. (De 2:31-35; 3:1-7) Nohamafisin’i Jehovah tamin’ny Israelita teo amin’ny Lemak’i Moaba, taloha kelin’ny niampitan’izy ireo an’i Jordana, fa tokony hadio foana ny fivavahany ary tokony hohalaviriny izay rehetra mety hitaona azy hanao ratsy. Nilaza i Jehovah fa voatokana haringana ny firenena fito mpanompo sampy tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka ny Israelita no nasainy nandripaka azy ireo. (De 7:1-6, 16, 22-26) Izay tanàna lavitra tsy anisan’ireo firenena ireo ihany no nomena safidy hihavana amin’ny Israelita na tsia. Tokony haringana kosa ireo firenena nolazain’Andriamanitra fa voatokana haringana, ‘sao [ny Israelita] hampianarin’izy ireo hanao hoatran’ny zava-maharikoriko rehetra fanaony tamin’ireo andriamaniny, ka hanota amin’i Jehovah Andriamaniny.’ (De 20:10-18) Ho voataona hanaraka ny fivavahan-disony ny Israelita raha nitsimbina ny ain’izy ireny. Niaro ny ain’ny Israelita àry ny famongorana azy ireny, ary ny tena zava-dehibe dia hoe nanaraka ny fivavahana marina foana izy ireo, ka nanompo an’i Jehovah Andriamanitra Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Voatokana haringana koa izay Israelita nitaona ny fianakaviany hanompo sampy, na izay tanàna nivadi-pinoana rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—De 13:6-17.

I Jeriko no tanàna voalohany voatokana haringana, tany andrefan’i Jordana, ka tsy nisy navela hiangana afa-tsy ireo metaly hampiasaina ao amin’ny tempoly. Naneho finoana anefa i Rahaba, ka voatsimbina ny ain’izy mianakavy. Nampitandrina i Josoa fa ho voatokana haringana ny firenen’Israely, raha toa ka misy amin’izy ireo maka amin’ireo zavatra voatokana haringana. Tsy nankatò i Akana ka lasa “voatokana haringana.” Tsy maintsy novonoina ho faty àry izy, mba tsy ho ripaka ilay firenena.—Js 6:17-19; 7:10-15, 24-26.

Gibeonita. Voatokana haringana ny tanàna maro, tatỳ aoriana. (Js 8:26, 27; 10:28-42; 11:11, 12) Hoy ny Josoa 11:19, 20: “Tsy nisy tanàna nanaiky hihavana tamin’ny zanak’Israely, afa-tsy ny Hivita nonina tao Gibeona, fa ny hafa rehetra kosa azony tamin’ny ady. Navelan’i Jehovah hikiribiby mantsy izy ireo mba hiadian’izy ireo amin’ny Israely. Amin’izay dia hatokana haringana izy ireo ka tsy hahazo indrafo, fa haripaka tanteraka, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.”

Tsy nahomby ny Asyrianina. Nirehareha i Sankeriba Asyrianina hoe tsy nisy andriamanitra nahavonjy an’ireo firenena naringan’ny razany. (2Ta 32:14) Tsy nahavita nandringana an’i Jerosalema anefa ireo andriamani-dison’i Asyria. Nandrahona ny hanafika an’ilay tanàna i Sankeriba, saingy narovan’i Jehovah izy io. Natokan’Andriamanitra haringana ihany anefa ny Joda tatỳ aoriana, satria mafy loha sy mpikomy. Nataon’i Nebokadnezara lao àry ilay tany. (Je 25:1-11; Is 43:28) Voatokana haringana tanteraka koa i Babylona tatỳ aoriana.—Je 50:21-27; 51:1-3; ampit. Ap 18:2-8.

Zavatra hafa voatokana. Naringana ny Israelita nonina tany Jabesi-gileada, tany Kanana, noho izy ireo tsy niaraka tamin’ny foko hafa nanasazy ny fokon’i Benjamina nahavanon-doza. (Mpts 21:8-12) Tokony haringana tanteraka i Amaleka sy ny mpanjakany, nefa notsimbinin’i Saoly Mpanjaka ny biby sasany mba hatao sorona ho an’i Jehovah, hono. Nilaza taminy àry i Samoela fa “ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona”, ary hifidy mpanjaka hafa i Jehovah. (1Sa 15:1-23) Notsimbinin’i Ahaba Mpanjaka koa i Beni-hadada (II) Syrianina, izay efa voatokana haringana. (1Mp 20:42) Naringan’ny Amonita sy Moabita kosa ireo mponin’ny Tendrombohitr’i Seira.—2Ta 20:22, 23.

Maromaro ny faminaniana miresaka momba ny zavatra voatokana. Milaza ny Malakia 4:5, 6 fa hisy asa hataon’i “Elia mpaminany, alohan’ny hiavian’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra ... sao ho avy hamely ny tany [i Jehovah] ka hanokana azy ho amin’ny fandringanana.” (Ampit. Mt 24:21, 22.) Hivoaka amin-katezerana mafy ny “mpanjakan’ny avaratra”, “mba handripaka sy handringana olona maro.” (Da 11:44) Tezitra i Jehovah ka hatokany haringana “ny firenena rehetra.” (Is 34:2; ampit. Ap 19:15-21.) Ho resin’ny “zanakavavin’i Ziona” ireo firenena, ka hatokany ho an’ilay “tena Tompon’ny tany manontolo” ny tombony azon’izy ireo tamin’ny tsy rariny sy ny fananan’izy ireo, izay zavatra voarara. (Mi 4:13) “Tsy hatokana haringana intsony” i Jerosalema, satria hovonjena eo an-tanan’ny fahavalony ary honenana indray.—Za 14:11; ampit. Ap 22:3.

Manamafy an’ity voalaza ity ireo andininy rehetra ireo: “Ary fantatrao tsara fa i Jehovah Andriamanitrao no tena Andriamanitra. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, sady manaja fifanekena sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izay tia azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby. Valiany an-kitsirano kosa anefa izay mankahala azy ka haringany. Tsy hisalasala hamaly an-kitsirano an’izay mankahala azy izy.” (De 7:9, 10) Hoy ilay Zanak’Andriamanitra izay nanome ny ainy ho vidim-panavotana: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jn 3:36) Mitoetra eo amin’ireo “osy” voaozona resahin’ny Matio 25:31-46 ny fahatezeran’Andriamanitra, ka voatokana haringana mandrakizay izy ireo.

Anatema matetika no nandikana an’ilay teny hoe herem ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.—Jereo OZONA, MANOZONA.