Hijery ny anatiny

Nofo Aman-dra sa Fanahy i Jesosy Rehefa avy Natsangana Tamin’ny Maty?

Nofo Aman-dra sa Fanahy i Jesosy Rehefa avy Natsangana Tamin’ny Maty?

Valiny ara-baiboly

 Milaza ny Baiboly fa ‘nofo i Kristy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina [natsangana tamin’ny maty].’—1 Petera 3:18; Asan’ny Apostoly 13:34; 1 Korintianina 15:45; 2 Korintianina 5:16.

 Ny tenin’i Jesosy mihitsy no manaporofo fa tsy ho nofo aman-dra intsony izy rehefa hitsangana amin’ny maty. Nilaza izy fa ‘hanome ny nofony ho fiainan’izao tontolo izao’, izany hoe ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona. (Jaona 6:51; Matio 20:28) Tsy ho nanan-kery ilay sorom-panavotana nataony raha mbola naverina ho nofo aman-dra izy rehefa natsangana tamin’ny maty. Tsy naverina taminy ny vatany, satria ny Baiboly mihitsy no milaza hoe nanao sorona ny nofony sy ny rany “indray mandeha monja” izy.—Hebreo 9:11, 12.

Nahoana ny mpianany no afaka nahita azy raha fanahy toy ny anjely izy rehefa natsangana?

  •  Afaka mitafy vatan’olombelona ny anjely. Nisy anjely nanao an’izany, ohatra, fahiny, ary afaka niara-nihinana sy nisotro tamin’ny olona mihitsy aza izy ireny. (Genesisy 18:1-8; 19:1-3) Mbola anjely ihany anefa izy ireny ary afaka niala tetỳ an-tany.—Mpitsara 13:15-21.

  •  Nitafy vatan’olombelona koa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, toy ny nataon’ireo anjely fahiny. Fanahy anefa izy ka afaka nipoitra tampoka ary vetivety dia afaka nanjavona. (Lioka 24:31; Jaona 20:19, 26) Niova foana ny vatany isaky ny niseho izy, fa tsy nitovy tamin’ny teo aloha. Tsy nahalala azy àry indraindray na dia ny namany akaiky aza, raha tsy efa niteny na nanao zavatra izy.—Lioka 24:30, 31, 35; Jaona 20:14-16; 21:6, 7.

  •  Nitafy vatana nisy an’ilay ratra namantsihana azy i Jesosy rehefa niseho tamin’ny apostoly Tomasy. Te hanatanjaka ny finoan’i Tomasy mantsy izy, satria i Tomasy tsy tena nino hoe nitsangana tokoa izy.—Jaona 20:24-29.