Hijery ny anatiny

Inona Ilay hoe Jerosalema Vaovao?

Inona Ilay hoe Jerosalema Vaovao?

Valiny ara-baiboly

 Tanàna an’ohatra izy io ary mifanitsy amin’ireo Kristianina ho any an-danitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Miverina indroa ao amin’ny Baiboly ilay teny hoe “Jerosalema Vaovao.” (Apokalypsy 3:12; 21:2) Antsoin’ny Baiboly hoe vadin’i Kristy koa izy io.

Ahoana no amantarana an’i Jerosalema Vaovao?

  1.   Any an-danitra i Jerosalema Vaovao. Rehefa miresaka an’i Jerosalema Vaovao ny Baiboly, dia lazainy hoe midina avy any an-danitra izy io ary misy anjely miambina ny vavahadiny. (Apokalypsy 3:12; 21:2, 10, 12) Hita amin’ny habeny fa tsy eto an-tany ilay izy. Mirefy ‘12000 stadio’ mantsy ny manodidina an’ilay tanàna, izay efamira ary mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. a (Apokalypsy 21:16) Efa ho 560 kilaometatra àry ny haavony.

  2.   Mpanara-dia an’i Jesosy sady vadin’i Kristy ny olona anisan’i Jerosalema Vaovao. Antsoina hoe “ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry” i Jerosalema Vaovao. (Apokalypsy 21:9, 10) I Jesosy Kristy ilay hoe Zanak’ondry voalaza eo. (Jaona 1:29; Apokalypsy 5:12) Ny “vadin’ny Zanak’ondry”, na ny ampakariny, kosa dia ireo Kristianina hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra. Oharin’ny Baiboly amin’ny fifandraisan’ny mpivady ny fifandraisan’i Jesosy sy ireo Kristianina ireo. (2 Korintianina 11:2; Efesianina 5:23-25) Nosoratana teo amin’ny vato fototr’i Jerosalema Vaovao koa ny “anarana roa ambin’ny folo, dia ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 21:14) Manampy antsika hamantatra an’i Jerosalema Vaovao io tsipiriany io satria ireo Kristianina ho any an-danitra no lazaina hoe “naorina teo ambony fototra, dia ny apostoly sy ny mpaminany.”—Efesianina 2:20.

  3.   Anisan’ny fitondram-panjakana i Jerosalema Vaovao. Renivohitr’i Israely i Jerosalema fahiny. Tao i Davida Mpanjaka sy Solomona zanany ary ny taranak’izy ireo no nanjaka “teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah.” (1 Tantara 29:23) Mifanitsy amin’ny fitondran’Andriamanitra àry i Jerosalema, ilay “tanàna masina”, ary ny taranak’i Davida no nanjaka tao. (Nehemia 11:1) Antsoina koa hoe “tanàna masina” i Jerosalema Vaovao. “Ho mpanjaka hitondra ny tany” ireo olona anisan’izy io, izay hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra.—Apokalypsy 5:9, 10; 21:2.

  4.   Hitondra fitahiana ho an’ny olona eto an-tany i Jerosalema Vaovao. “Nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra” i Jerosalema Vaovao, izany hoe hampiasa azy io Andriamanitra mba hanaovana zavatra etỳ an-tany. (Apokalypsy 21:2) Misy ifandraisany àry i Jerosalema Vaovao sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io mantsy no ampiasain’Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony ‘etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.’ (Matio 6:10) Ireto ny sasany amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany:

    •   Tsy hisy intsony ny ota. Misy “reniranon’ny ranon’aina” mikoriana avy amin’i Jerosalema Vaovao, ary manondraka ny “hazon’aina” izay “fanasitranana ny firenena.” (Apokalypsy 22:1, 2) Hanala ny ota izany fanasitranana ara-batana sy ara-panahy izany ka ho lavorary indray ny olona, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany.—Romanina 8:21.

    •   Hifandray tsara amin’Andriamanitra ny olombelona. Nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra ny ota. (Isaia 59:2) Ho tanteraka anefa ity faminaniana ity rehefa tsy hisy intsony ny ota: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy.”—Apokalypsy 21:3.

    •   Tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny fahafatesana. Hampiasa ny Fanjakany Andriamanitra ka “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.

a Mirefy 185 metatra ny iray stadio, izay refy fampiasan’ny Romanina fahiny.