Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | FAHOTANA VE NY MIFOKA SIGARA?

Fahotana ve ny Mifoka Sigara?

Fahotana ve ny Mifoka Sigara?

Inona no nanampy an’i Naoko, ilay voalaza teo aloha, ho afaka tamin’ny sigara? Hoy izy: “Nahavita niova aho rehefa nianatra ny marina momba ny toetran’Andriamanitra sy ny fikasany.” Ao amin’ny Baiboly izany. Marina fa tsy misy resaka sigara ao amin’ny Baiboly, nefa ao no ahalalantsika ny fiheveran’Andriamanitra ny fifohana sigara. * Maro no afaka tamin’ny sigara, na tsy mifoka mihitsy, rehefa nahalala an’izany. (2 Timoty 3:16, 17) Andeha hojerentsika ny zavatra telo maharatsy ny mifoka sigara sy ny hevitry ny Baiboly momba an’izany.

MANANDEVO NY SIGARA

Misy nikôtinina ao amin’ny sigara. Anisan’ny poizina manandevo indrindra ny nikôtinina, ary manaitaitra izy io na mahakivy. Misy nikôtinina tonga any amin’ny atidohan’ny olona iray isaky ny misintona izy. Haingana be ny fisehon’izany ary miverina foana. Vao indray misintona fotsiny izy dia efa misy nikôtinina kely tafiditra any. Avo 200 henin’izany anefa ny nikôtinina tafiditra ao aminy, raha sigara iray pake no laniny indray andro. Betsaka kokoa noho ny poizina ao amin’ny zava-mahadomelina hafa izany. Raha zatra mahazo nikôtinina be dia be hoatr’izany ny atidohan’ilay olona, dia lasa andevozin’ny sigara izy. Mitady nikôtinina foana àry ny vatany ary tsy metimety raha tsy mahazo.

‘Mpanompon’izay ankatoavinareo ianareo.’—Romanina 6:16

Tena mahavita mankatò an’Andriamanitra ve ianao raha mbola andevozin’ny sigara?

Inona no lazain’ny Baiboly? Hoy ny Romanina 6:16: “Tsy fantatrareo angaha fa raha manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray ianareo ka mankatò azy, dia lasa mpanompony satria mankatò azy?” Ho lasa mpanompon’ny sigara, izany hoe handevozin’izy io, ny olona iray raha ny hitady sigara foana no ao an-tsainy ary tsy manaiky izy raha tsy mahita. Tsy hoe tian’Andriamanitra ho afaka amin’izay manimba ny vatana fotsiny anefa isika, fa amin’izay manimba ny saina koa. (Salamo 83:18; 2 Korintianina 7:1) Lasa takatry ny olona iray hoe mila omena ny tsara indrindra Andriamanitra, izay atao hoe Jehovah, rehefa mahalala sy manaja azy kokoa izy. Lasa tsapany koa hoe tsy hahavita hanao izany izy raha mbola andevozin’ny zavatra mahafaty. Izany fahalalana izany no manampy azy hanohitra fanirian-dratsy.

Afaka tamin’ny sigara i Olaf, any Alemaina, nefa efa 16 taona izy no zatra nifoka, izany hoe nanomboka tamin’izy 12 taona. Noheveriny fa tsy mampaninona ny mifoka tamin’ny voalohany. Lasa nandevozin’izy io anefa izy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Sorena be aho, indray andro, fa lany ny sigarako. Nangoniko àry ny baoroka sigara tao amin’ny fasiako tain-tsigara. Natambatambatro ilay izy  dia nofonosiko tao anaty silaka gazety. Menatra ny tenako aho avy eo.” Inona no nanampy azy ho afaka tanteraka tamin’ilay izy? Hoy izy: “Te hampifaly an’i Jehovah aho. Ny fitiavany ny olombelona sy ny fampanantenany no nanampy ahy.”

MANKARARY NY SIGARA

Hoy ny boky iray: ‘Efa voaporofo ara-tsiansa fa saika ny taova rehetra ao amin’ny vatan’ny olona no simba rehefa mifoka sigara izy. Mihabetsaka ny olona marary sy maty vokatr’izy io.’ Fantatra fa ny fifohana sigara no mahatonga ny kansera, aretim-po, aretin’ny havokavoka, ary ny aretina hafa tsy mamindra. Nilaza koa anefa ny OMS fa ny fifohana sigara no tena mahafaty ny olona voan’ny tioberkilaozy sy ny areti-mifindra hafa.

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” —Matio 22:37

Tia sy manaja an’Andriamanitra ve ianao raha manao zavatra mandoto an’ilay vatana nomeny anao?

Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly, i Jehovah Andriamanitra. Tsy tiany hanao tsinontsinona ny aina sy ny vatana ary ny saina mantsy isika. Hoy i Jesosy Zanany momba an’izany: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Tian’i Jehovah hanaja ny aina sy ny vatana àry isika. Rehefa mahalala an’i Jehovah sy ny fampanantenany isika, dia ho tiantsika izy ary ho sarobidy amintsika izay rehetra nataony. Hanampy antsika hiala amin’ny zavatra mandoto ny vatana izany.

Nifoka nandritra ny 38 taona i Jayavanth, dokotera any Inde. Hoy izy: “Hitako tao amin’ny gazety momba ny fitsaboana ny maharatsy ny mifoka sigara. Haiko hoe ratsy ilay izy, ary izaho aza mampirisika ny marariko hiala. Izaho anefa tsy tafala mihitsy, na dia efa nanandrana niala indimy na inenina aza.” Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Nianatra Baiboly aho ka tonga dia niala tamin’ilay izy, satria te hampifaly an’i Jehovah.”

MANIMBA NY HAFA NY SIGARA

Samy mahafaty na ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara, na ny setroka mivoaka mivantana avy amin’ny sigara. Mahavoan’ny kansera sy aretina hafa ny setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Olona 600 000 no matin’izany isan-taona, ary vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. Hoy ny OMS: “Tsy  afa-bela mihitsy ianao, raha vao misy olona mifoka sigara eny akaikinao eny.”

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Matio 22:39

Tena tia ny namanao sy ny fianakavianao tokoa ve ianao raha manimba ny fahasalaman’izy ireo amin’ny setro-tsigara?

Hoy i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Te hilaza izy fa ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny olona manodidina antsika no tokony ho tiantsika manarakaraka an’Andriamanitra. Tsy tia azy ireo isika raha manao zavatra manimba ny fahasalamany. Raha tena tia azy ireo kosa isika, dia ‘hitady mandrakariva izay hahasoa’ azy, fa ‘tsy izay hahasoa ny tenantsika’ fotsiny.—1 Korintianina 10:24.

Hoy i Armen, any Armenia: “Nisy vokany tamin’ny fianakaviako ilay izaho nifoka, ka niangavian-dry zareo aho mba hiala tamin’ilay izy. Tsy nety niaiky anefa aho hoe marina izany.” Inona no nampiova azy? Hoy izy: “Nianatra Baiboly aho ary lasa tia an’i Jehovah, ka izany no nanampy ahy tsy hifoka intsony. Niaiky koa aho hoe tsy izaho irery no voa tamin’ilay izy fa ny manodidina ahy koa.”

TSY HISY INTSONY NY MPIFOKA SIGARA!

Samy afaka tamin’ilay fahazaran-dratsy i Olaf sy Jayavanth ary Armen, rehefa nianatra Baiboly. Fantany hoe tena manimba ny mifoka, ary tsy izy ireo ihany no voa fa ny hafa koa. Tsy izany fotsiny anefa no nanampy azy, fa noho izy lasa tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy koa. Hamafisin’ny 1 Jaona 5:3 fa tena ilaina ny hoe tia an’i Jehovah. Hoy izy io: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” Marina fa tsy mora foana ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy ho sarotra amin’ny olona iray anefa izany raha tena tiany Andriamanitra.

Manao fandaharam-pampianarana Baiboly eran-tany i Jehovah, mba hanampiana olona an-tapitrisany ho afaka amin’ny sigara, na tsy hifoka mihitsy. (1 Timoty 2:3, 4) Tsy ho ela koa izy dia hampiasa ny Fanjakany any an-danitra, izay tarihin’i Jesosy Kristy, mba hamongotra an’ireo orinasa mpivarotra sigara sy tia vola. Ireny mantsy no mahatonga ny olona an-tapitrisany handevozin’ny sigara. Tsy hisy intsony ny fifohana sigara amin’izay, ary hataon’i Jehovah lavorary ny vatana sy ny sain’ny olombelona mankatò.—Isaia 33:24; Apokalypsy 19:11, 15.

Aza kivy raha miady mafy ianao mba hialana amin’ny sigara. Ho vitanao ny tsy hifoka intsony, raha mianatra ny ho tia an’i Jehovah ianao ary miezaka hahatakatra ny fomba fiheviny momba azy io. Vonona hanampy anao hianatra sy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Matokia fa homen’i Jehovah hery hialana amin’ny sigara ianao, raha mitady ny fanampiany.—Filipianina 4:13.

^ feh. 3 Sigara be sy kely na pipa no tiana horesahina eto. Azo ampiharina amin’ny zava-mahadomelina hafa koa anefa ny toro lalana ato, toy ny paraky kisoka, ravim-paraky tsakoina na trohina amin’ny orona, na zavatra hafa misy nikôtinina.