Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JONA 2014

Samy Nitady ny Marina Izy Telo: Inona ny Vokany?

Samy Nitady ny Marina Izy Telo: Inona ny Vokany?

TAONJATO voalohany tamin’izay. Teo anatrehan’i Pilato, ilay governora romanina tany Jodia, i Jesosy mba hotsaraina. Hoy i Pilato taminy: “Inona ny marina?” (Jaona 18:38) Tsy hoe te hahalala ny marina akory i Pilato. Hita kosa hoe olona mpisalasala izy na te haneso fotsiny. Toa nihevitra izy hoe tsy misy fomba amantarana ny marina mihitsy, fa izay eritreretin’ny olona na izay nampianarina azy ihany no atao hoe marina. Maro koa no mieritreritra toy izany ankehitriny.

Sahiran-tsaina ny olona tia fivavahana tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-16, satria tsy fantany intsony izay marina. Ny fampianaran’ny Eglizy mantsy no nanabeazana azy ireo, ka anisan’izany ny hoe ny papa no manana fahefana ambony indrindra. Nisy fampianarana vaovao niely indray anefa vokatry ny Fanavaozana Protestanta. * Ny an’iza àry no hinoany? Ahoana no hahalalany ny tena marina?

Tapa-kevitra ny hitady ny tena marina àry ny lehilahy telo sy ny olon-kafa maromaro. * Ahoana no nahaizany nanavaka ny marina sy ny diso, ary inona ny vokany?

‘ALEO NY BAIBOLY FOANA NO HANAN-KERY’

Tovolahy tena vontom-pinoana i Wolfgang Capiton. Nianatra momba ny fitsaboana sy lalàna ary teolojia izy. Lasa pretra izy tamin’ny 1512, ary nanampy ny arsevekan’i Mayence tatỳ aoriana.

Nanakantsakana an’ireo mpitondra fanavaozana i Capiton tamin’ny voalohany, tamin’izy ireo nampiely fampianarana nifanohitra tamin’ny an’ny Katolika. Izy indray anefa no nampiely ny fanavaozana, tatỳ aoriana. Inona àry no nataony rehefa nisy fampianaran’ny Eglizy nampiady hevitra? Nilaza i James Kittelson, mpahay tantara, fa nino foana i Capiton hoe “ny Baiboly no boky azo antoka indrindra hanaporofoana fa marina ny zavatra notoriny.” Hitan’i Capiton fa tsy ara-baiboly ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fivavahana amin’ny olo-masina sy ny fiovan’ny mofo sy divay ho vatana sy ran’i Kristy. (Jereo ny efajoro hoe  ‘Diniho Raha Izany Tokoa no Izy.’) Tsy nanampy an’ilay arseveka intsony i Capiton tamin’ny 1523, ary nifindra tany Strasbourg. Tany no tena be olona nafana fo tamin’ny fanavaozana ara-pivavahana tamin’izany.

Tao an-tranon’i Capiton no lasa toerana fivorian’ireo mpitondra fanavaozana. Azo antoka fa nandinika ny fampianaran’ny Baiboly sy ny zavatra hafa maro momba ny fivavahana izy ireo. Mbola nampiely an’ilay fampianarana hoe Andriamanitra tokana olona telo ny mpitondra fanavaozana sasany. “Tsy  mba nisy resaka momba ny Andriamanitra tokana olona telo” anefa tao amin’ny asa soratr’i Capiton, araka ilay boky hoe Fanavaozana Tanteraka (anglisy). Nisy teolojianina espaniola atao hoe Michel Servet mantsy nanaporofo tao amin’ny Baiboly fa diso io fampianarana io, ary nampiaiky an’i Capiton izany. *

Mety ho novonoina ho faty izay nanda fa tokana olona telo Andriamanitra. Nitandrintandrina be àry i Capiton rehefa nilaza ny heviny ampahibemaso. Hita tamin’ny asa sorany anefa fa nisalasala momba an’io fampianarana io izy, na dia talohan’ny nahalalany an’i Servet aza. Nanoratra ny pretra iray, tatỳ aoriana, fa nodinihin’i Capiton sy ny namany “mangingina tany an-tranony ireo zavatra saro-takarina indrindra ampianarin’ny fivavahana.” ‘Nolavin’izy ireo koa ny Trinite Masina indrindra.’ Lasa natao tao amin’ny lisitra nisy an’ireo mpanoratra malaza tsy nino ny Trinite i Capiton, zato taona taorian’izay, ary ny anarany no hita voalohany tao amin’ilay lisitra.

Nino i Wolfgang Capiton fa ‘tsy miraharaha ny Soratra Masina ny Eglizy ka izay no tena mahatonga azy tsy hahomby’

Nino i Capiton fa ao amin’ny Baiboly no misy ny marina. Hoy izy: “Aleo ny Baiboly sy ny lalàn’i Kristy foana no hanan-kery amin’ny resaka teolojia.” Araka ny tenin’i Kettelson, dia nohamafisin’i Capiton fa “noho ireo mpianatra teolojia tsy miraharaha ny Soratra Masina no tena mahatonga azy ireo tsy hahomby.”

Nisy tovolahy iray hafa koa naniry mafy ny hahalala ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. I Martin Cellarius na Martin Borrhaus no anarany, ary niara-nipetraka tamin’i Capiton izy tamin’ny 1526.

‘NY MOMBA AN’ILAY TENA ANDRIAMANITRA’

Ilay bokin’i Martin Cellarius hoe Ny Asan’Andriamanitra. Tao izy no nampitaha ny fampianaran’ny Eglizy tamin’ny an’ny Baiboly

Teraka tamin’ny 1499 i Cellarius, ary nazoto nianatra momba ny teolojia sy filozofia izy. Nanaiky hampianatra tany Wittenberg, any Alemaina, izy. Tany no nipoiran’ny Fanavaozana Protestanta, ka lasa nifankahalala tamin’i Martin Luther sy ny olon-kafa te hanova ny fampianaran’ny Eglizy izy. Ahoana anefa no hahaizany manavaka ny hevitr’olombelona amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina?

Araka ilay boky hoe Fampianarana ny Fanavaozana Protestanta (anglisy), dia nino i Cellarius fa hahatakatra ny marina ny olona “rehefa mazoto mamaky ny Soratra Masina, mampitaha andinin-teny imbetsaka, ary mivavaka sy mibebaka.” Inona no hitan’i Cellarius rehefa nandalina ny Baiboly izy?

Navoakan’i Cellarius tamin’ny Jolay 1527 tao amin’ilay boky hoe Ny Asan’Andriamanitra (anglisy) ny zavatra hitany. Nosoratany tao fa diso ilay fampianaran’ny Eglizy hoe miova ho vatana sy ran’i Kristy ny mofo sy divay, satria tsy ara-bakiteny io. Nilaza ny Profesora Robin Barnes fa “nanazava ny hevitry ny faminanian’ny Baiboly” koa i Cellarius tao amin’ilay boky. Voalaza tao fa “hisy fijaliana sy loza hitranga eran-tany, indray andro any, ary aorian’izay dia hohavaozina ny zava-drehetra ka ho sambatra ny olona.”—2 Petera 3:10-13.

Nilaza zavatra niavaka momba an’i Jesosy Kristy koa i Cellarius. Tsy nanohitra mivantana ny Trinite izy, nefa navahany tsara hoe iza ilay “Ray any An-danitra” ary iza i “Jesosy Kristy Zanany.” Iray amin’ireo andriamanitra maro i Jesosy, hoy izy, sady anisan’ny zanak’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.—Jaona 10:34, 35.

Maro no nihevitra tamin’ny taonjato faha-16 fa tokana olona telo Andriamanitra. Nilaza anefa i Robert Wallace, tao amin’ny bokiny, fa tsy hita taratra tao amin’ny asa soratr’i Cellarius hoe nanohana an’io fampianarana io izy. * Maro àry ny manam-pahaizana nihevitra fa tsy nino ny Trinité izy. Nisy nilaza  fa izy no anisan’ny fitaovana nampiasain’ilay tena Andriamanitra ‘mba hampahafantarana ny momba azy sy Kristy.’

HIVERINA AMIN’NY LAONINY VE NY MARINA?

Nifindra tany Wittenberg koa i Jean Campanus tamin’ny 1527 tany ho any. Teolojianina izy ary noheverina ho anisan’ny manam-pahaizana niavaka indrindra tamin’izany. Betsaka ny mpitondra fanavaozana tany, nefa tsy resy lahatra tamin’ny fampianaran’i Luther izy. Nahoana?

Tsy neken’i Campanus ilay hoe miova ho vatana sy ran’i Kristy ny mofo sy divay. Nolaviny koa ilay fampianaran’i Luther hoe ao amin’ny mofo sy divay ny nofo sy ran’i Kristy rehefa mandray ny Fanasan’ny Tompo. Hoy i André Séguenny, mpanoratra: “Nino i Campanus fa tsy mety miova izany ny mofo, fa mofo foana. Mifanitsy amin’ny nofon’i Kristy kosa ilay izy rehefa amin’ny sakramenta.” Nodinihina tamin’ny fivoriana iray natao tany Marburg izany, tamin’ny 1529. Tsy navela hilaza izay nianarany tao amin’ny Baiboly anefa i Campanus, tamin’io. Taorian’izay, dia nihatakatahan’ny mpitondra fanavaozana namany izy tany Wittenberg.

Nilaza i Jean Campanus tao amin’io bokiny io fa tsy marina ilay hoe Andriamanitra tokana olona telo

Ny zavatra ninoan’i Campanus momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina no tena nahasosotra an’ireo mpitondra fanavaozana. Nilaza mantsy i Campanus tao amin’ilay bokiny hoe Famerenana Amin’ny Laoniny (anglisy, 1532), fa olona roa samy hafa i Jesosy sy ny Rainy. Toy ny mpivady izay lazaina hoe “nofo iray”, hoy izy, dia hoatr’izany koa ny dikan’ny hoe “iray ihany” ny Ray sy ny Zanaka. Olona roa izy ireo saingy miray saina. (Jaona 10:30; Matio 19:5) Nilaza i Campanus fa nampiasa ohatra momba ny mpivady koa ny Baiboly mba hanazavana fa manana fahefana amin’ny Zanaka ny Ray. Hoy ny 1 Korintianina 11:3: “Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.”

Mbola nampiasa Baiboly ihany i Campanus mba hanazavana hoe inona ny fanahy masina. Hoy izy: ‘Tsy misy andinin-teny mihitsy manaporofo hoe olona fahatelo ny Fanahy Masina. Hery ampiasain’Andriamanitra kosa izy io, satria tamin’ny alalan’izy io no nanaovany ny zavatra rehetra.’—Genesisy 1:2.

Nantsoin’i Luther hoe mpanevateva an’Andriamanitra sy fahavalon’ilay Zanak’Andriamanitra i Campanus. Nisy mpitondra fanavaozana iray aza nilaza fa tokony hovonoina izy. Tsy nampihontsina an’i Campanus anefa izany. Hoy ilay boky hoe Fanavaozana Tanteraka: ‘Resy lahatra i Campanus hoe ny tena mahatonga ny Eglizy tsy hahomby, dia noho izy io tsy mahalala ny fampianaran’ny apostoly sy ny Baiboly mahakasika ny fahefan’Andriamanitra sy ny fahefan’ny lehilahy.’

Tsy mba nieritreritra ny hanorina antokom-pivavahana i Campanus. Very maina, hoy izy, ny ezaka nataony mba hitadiavana ny marina tany amin’ny “sekta sy ireo mpanohitra ny zavatra inoan’ny Eglizy.” Nanantena àry izy hoe hiverina amin’ny laoniny ny fampianaran’ny Kristianina indray andro any, ka hampianatra ny marina avy ao amin’ny Baiboly amin’izay ny Eglizy Katolika. Nosamborin’ny mpitondra fivavahana katolika anefa izy, tatỳ aoriana, ary mety ho nigadra 20 taona mahery. Nilaza ny mpahay tantara fa maty tamin’ny 1575 tany ho any izy.

 “FANTARO TSARA NY ZAVA-DREHETRA”

Nahay nanavaka ny marina sy ny diso i Capiton, Cellarius, Campanus, ary ny maro hafa satria nazoto nianatra Baiboly. Marina aloha fa tsy nifanaraka tamin’izay lazain’ny Baiboly daholo ny fanatsoahan-keviny. Nanetry tena anefa izy ireo ka nandalina ny Soratra Masina, ary tena sarobidy taminy ny fahamarinana hitany.

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina namany: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.” (1 Tesalonianina 5:21) Namoaka boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana anao hikaroka ny marina. Jereo ny pejy 16 amin’ity gazety ity, na midira ao amin’ny tranonkalanay ao amin’ny jw.org, mba hahazoana an’io boky io maimaim-poana.

^ feh. 3 Fihetsiketsehana nanomboka tamin’ny 1517 izy io. Nisy antokon’olona nanohitra ny Eglizy Katolika Romanina tamin’izany, ka nanjary nihamaro ny fivavahana.

^ feh. 4 Jereo ilay efajoro hoe ‘Avelao Izy Hiara-maniry Mandra-pahatongan’ny Fotoam-pijinjana’, pejy 44 amin’ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nitady Samirery ny Fahamarinana i Michel Servet”, ao amin’ny Mifohaza! Mey 2006, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 17 Voalazan’ilay boky fa rehefa nampiasa ny teny hoe “andriamanitra” i Cellarius ka i Kristy no tiany horesahina, dia “deus no nosoratany fa tsy nataony sora-baventy hoe Deus. Ilay Andriamanitra Fara Tampony ihany no nataony hoe Deus.”