Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Jona 2014

Andramo Ilay Mofon’aina

Andramo Ilay Mofon’aina

NITSIDIKA toerana manan-tantara tao amin’ny tanànan’i Betlehema fahiny ny mpizaha tany vitsivitsy. Noana izy ireo ary te hihinana zavatra mampiavaka an’ilay toerana. Nahita trano fisakafoana mivarotra falafel ny iray tamin’izy ireo. Karazana voanjobory asiana tongolo sy voatabiha ary legioma hafa, aroso miaraka amin’ny mofo fisaka ny falafel. Nampody aina erỳ ilay sakafo natsiro ka afaka nanohy an’ilay fitsidihana izy ireo.

Tsotra ilay mofo fisaka nohanin’ireo mpizaha tany ireo, nefa tsy fantany fa iny no nanan-tantara indrindra tamin’ny zavatra hitany tamin’iny andro iny. Midika hoe “Tranon’ny Mofo” ny hoe Betlehema, ary efa an’arivony taona ny olona tany no nanao mofo. (Rota 1:22; 2:14) Io mofo fisaka io izao no anisan’ny mofo mampiavaka an’i Betlehema.

Nipetraka tany atsimo kelin’i Betlehema i Abrahama sy Saraha vadiny, efa ho 4 000 taona lasa izay. Nanam-bahiny telo izy ireo, indray andro, ka nanao “mofo boribory” ho azy ireo i Saraha. (Genesisy 18:6) Mety ho varimbazaha na vary orza no nanaovany an’ilay “lafarinina tsara toto.” Tsy maintsy nokarakarainy haingana ilay mofo, ary mety ho vato mahamay no nanamasahany azy.—1 Mpanjaka 19:6.

Hita amin’io fa ny fianakavian’i Abrahama ihany no nanamboatra ny mofon’izy ireo. Mpifindrafindra monina ry Saraha, ka tsy afaka nampiasa lafaoro toy ny olona tany Ora, tanàna niaviany. Izay karazana varimbazaha nisy tany amin’izay nalehany koa no nanaovany lafarinina. Tsy maintsy ho asa be izany satria fitaovana fitotoam-bary nahodin-tanana, na angamba laona sy fanoto, no nampiasainy.

Nilaza ny Lalàn’i Mosesy, 400 taona tatỳ aoriana, fa tsy tokony hatao antoka ny vato fikosoham-bary satria toy ny hoe “aina” mihitsy izy io. (Deoteronomia 24:6) Zava-dehibe tamin’Andriamanitra io fitaovana fitotoam-bary io, satria raha tsy nisy an’io ny fianakaviana dia tsy ho afaka hanao ny mofony isan’andro.—Jereo ilay efajoro hoe  “Ny Fomba Fitotoana Vary sy Fanaovana Mofo Fahiny.”

MOFO MAHAVELONA

Imbetsaka ny Baiboly no miresaka mofo. Sakafo tena nilaina mantsy izy io fahiny. Matetika koa ny mpanoratra Baiboly no mampiasa ny teny hoe mofo rehefa sakafo no tiany holazaina. Nilaza i Jesosy fa afaka mangataka amin’Andriamanitra ny mpanompony hoe: “Omeo anay anio izay mofo sahaza anay anio.” (Matio 6:11, fanamarihana ambany pejy) Te hilaza izy fa afaka miantehitra amin’Andriamanitra isika mba hahazoana ny sakafo ilaintsika isan’andro.—Salamo 37:25.

Misy zava-dehibe kokoa noho ny mofo, na sakafo, anefa. Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Ny zava-nitranga tamin’ny Israelita niala kelikely tany Ejipta angamba no tao an-tsain’i Jesosy. Tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’Andriamanitra io vahoaka io tamin’izay mba hahazoana sakafo. Efa ho lany vatsy mantsy izy ireo, iray volana teo ho eo taorian’ny nahatongavany tany an-tany efitr’i Sinay. Natahotra ny ho faty noana tany amin’io toerana karakaina io izy ireo, ka nimonomonona hoe: ‘Nihinana izay mofo laninay izahay tany Ejipta.’—Eksodosy 16:1-3.

Azo inoana hoe tsara be ny mofo tany Ejipta. Nisy isan-karazany ny mofo sy mofomamy namidy tany, tamin’ny andron’i Mosesy, ary mpanao mofo nahay no nanao an’izany. Tsy nieritreritra ny hamela ny vahoakany ho faty noana mihitsy anefa  i Jehovah. Hoy kosa izy: “Handrotsaka mofo ho anareo avy any an-danitra aho.” Vao maraina tokoa dia nisy mofo nilatsaka avy tany an-danitra. “Zavatra manify mikarepoka” mitovy amin’ny ando na ranomandry ilay izy. Hoy ny Israelita rehefa nahita an’ilay izy: “Fa inona ireny?” Dia hoy i Mosesy: “Mofo nomen’i Jehovah ho sakafonareo ireny.” Nantsoin’izy ireo hoe mana ilay mofo, * ary io no sakafo nahavelona azy ireo nandritra ny 40 taona nanaraka.—Eksodosy 16:4, 13-15, 31.

Nirotsaka tamin’ny fomba nahagaga ny mana, ka azo antoka fa variana erỳ ny Israelita rehefa nahita an’ilay izy voalohany. Nitovy tsiro tamin’ny “mofo fisaka misy tantely” izy io, ary ampy ho an’ny rehetra. (Eksodosy 16:18) Nanembona an’ireo sakafo isan-karazany nohaniny tany Ejipta anefa izy ireo, tatỳ aoriana. Nimenomenona izy ireo hoe ‘tsy mba nahita na inona na inona afa-tsy mana.’ (Nomery 11:6) Hoy koa izy ireo: “Efa maharikoriko anay itony mofo tsisy ilana azy itony.” (Nomery 21:5) Lasa tsy tian’izy ireo sy naharikoriko azy ilay “mofo avy any an-danitra.”—Salamo 105:40.

ILAY MOFON’AINA

Hita amin’izany fa mora hamaivanina hoatran’ny zavatra sasany ihany ny mofo. Milaza anefa ny Baiboly fa misy mofo iray tsy tokony hoharatsiratsina. Mety hahazoana fitahiana mandrakizay io mofo io, izay nampitahain’i Jesosy tamin’ilay mana tsy noraharahain’ny Israelita.

Hoy i Jesosy: “Izaho no mofon’aina. Nihinana ny mana ny razanareo tany an-tany efitra, nefa maty ihany. Ity kosa no mofo nidina avy any an-danitra mba ho afaka hihinana azy ny olona, ka tsy ho faty. Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra. Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”—Jaona 6:48-51.

 Nampitahain’i Jesosy tamin’ny ‘nofo’ ny “mofo” teo. Nety tsara ilay fampitahana, na dia tsy azon’ny ankamaroan’ny olona aza. Mofo no sakafo nahavelona ny Jiosy isan’andro, toy ilay mana nahavelona ny Israelita nandritra ny 40 taona tany an-tany efitra. Tsy nahavelona azy ireo mandrakizay anefa ilay mana, na dia avy amin’Andriamanitra aza. Afaka ny hiaina mandrakizay kosa izay maneho finoana an’i Jesosy, noho ny sorom-panavotana nataony. “Mofon’aina” tokoa izy.

Mitady sakafo hohanina angamba ianao rehefa noana. Mety hisaotra an’Andriamanitra koa ianao, noho izy manome “hanina” anao isan’andro. (Matio 6:11) Ankafizintsika erỳ ireny sakafo matsiro ireny. Tokony hoheverintsika ho zava-dehibe foana koa anefa ilay “mofon’aina”, dia i Jesosy Kristy.

Ahoana àry no ampisehoantsika hoe mankasitraka an’io mofo sarobidy io isika, fa tsy toy ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy? Hoy i Jesosy: “Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.” (Jaona 14:15) Ho afaka hankafy mofo foana isika mandrakizay, raha mankatò ny didin’i Jesosy.—Deoteronomia 12:7.

^ feh. 10 Mety ho avy amin’ilay teny hebreo hoe “man hu’?”, izay midika hoe “fa inona ireny?”, ilay teny hoe “mana.”