Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahombiazana Amin’ny Asa Misionera?

Ahoana no Ahombiazana Amin’ny Asa Misionera?

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-126

Ahoana no Ahombiazana Amin’ny Asa Misionera?

OLONA maro no nivory tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, Etazonia, tamin’ny asabotsy 14 Martsa 2009. Nozaraina tamin’io mantsy ny diplaoman’ny kilasy faha-126, tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Hotendrena any amin’ny firenena 22 ireo mpianatra, mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:14.

Vao avy nandalina ny Baiboly nandritra ny dimy volana izy ireo. Natao hanampiana azy ireo ho lasa misionera mahita vokatra izany. Ilay andro fizarana diplaoma no fotoana farany ahafahan’ny iray kilasy mandray torohevitra feno fahendrena, mba hahitana fahombiazana.

I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpitari-draharahan’ny fandaharana. Nilaza izy fa tamin’ny 1943 no nanomboka nampiofana misionera ny Sekolin’i Gileada. Nisy vokany be teo amin’ny fitoriana maneran-tany ny asan’izy ireo nanomboka teo.

Nilaza ilay mpandahateny fa nanambany an’ireo apostolin’i Jesosy ho “olon-tsotra tsy nahita fianarana” ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Voatery niaiky anefa izy ireo fa nanana fahasahiana ny apostoly, satria niaraka tamin’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 4:13, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Manampy an’ireo mpianatra ho sahy hitory amin’ny hafa koa ny fampiofanana azony.

“Aza Mizaha Tavan’olona” no loha hevitra novelabelarin’i Robert Ciranko, mpanampy ny Komitin’ny Fanoratan’ny Filan-kevi-pitantanana. Noresahiny fa tsy ho ela dia hihaona amin’olona tsy mitovy kolontsaina sy fombafomba aminy ireo mpianatra. Tsy ho sarotra anefa ny hiara-miaina sy hitory amin’ny olona toy izany, raha manana ny fomba fijerin’i Jehovah izy ireo. Milaza ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35 fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” Hoy ny Rahalahy Ciranko: “Hahomby ianareo raha manana ny fomba fijerin’Andriamanitra, ka mihevitra fa afaka ny hahazo ny fankasitrahany ny olona any amin’ny tany anendrena anareo.”

“Ampy fitaovana ianareo”

“Heverin’ny sasany ho biby ratsy tarehy ny rameva”, hoy i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. “Tena natao hiaina any an-tany efitra anefa izy io.” Toy izany koa fa ampy fitaovana mba hanompoana any amin’ny tany anendrena azy ireto misionera vaovao ireto. Misy zavatra dimy hanampy azy ireo.

1. Fitiavana an’i Jehovah. (Matio 22:37, 38) Efa nasehon’ireo mpianatra fa vonona hanompo an’i Jehovah izy.

2. Fahalalana ny Tenin’Andriamanitra. Efa misy otrikaina voatahiry ao amin’ny trafon’ny rameva. Mbola mihinan-kanina foana anefa izy, fa tsy mianina fotsiny amin’ilay otrikaina efa ao aminy. Toy izany koa fa tsy tokony hianina fotsiny amin’ny fahalalana azony nandritra ilay sekoly ireo misionera, fa hamahan-tena ara-panahy foana.

3. Fitiavana olona. (Matio 22:39) Mangoraka olona ireo mpianatra.

4. Fahavononana. (Salamo 110:3) Hanatanjaka an’ireo misionera i Jehovah rehefa vizana izy ireo.—Isaia 40:29.

5. Tanjaka ara-panahy. Mitondra olona mamakivaky tany efitra ny rameva. Toy izany koa fa mety hila “hitondra” na hanampy an’ireo Kristianina manana olana ara-panahy ireo misionera. Mitaky hery izany, nefa manana ny tanjaka ara-panahy ilaina izy ireo.

Tohin’ny fandaharana

Nilaza i Michael Burnett, iray amin’ny mpampianatra, fa anisan’ny vokatra tsara indrindra nalefan’i Jakoba ho an’ny olona ambony iray tany Ejipta ny amandy. (Genesisy 43:11) Kely ny amandy nefa misy otrikaina be dia be. Toy ny hoe nihinana amandy be dia be ireo misionera nandritra ny fianarany. Anisan’ny lesona tokony hotadidin’izy ireo ny hoe mila mahay mianina amin’izay omen’i Jehovah izy ireo, ary mila mianatra mitia ny fiainany vaovao.

Nanazava i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra, fa toy ny kitapo feno “fahendrena” ny Tenin’Andriamanitra. (Joba 28:18) Mila manokatra azy io isika, ary mampiasa izay ao anatiny. Raha tsy araka ny nantenain’ireo misionera ny fanompoany, dia afaka manahaka ny apostoly Paoly izy. Nalefan’ireo mpianatr’i Jesosy tany amin’ny tanàna niaviany i Paoly, ary nijanona tany sivy taona. Tsy nihevitra izy hoe “fanaka voafidy”, ka any an-toeran-kafa no tokony hanompo. Niasa mafy kosa izy tany amin’izay nisy azy. (Asan’ny Apostoly 9:15, 28-30) Mety ho sarotra koa ny hanaiky ny safidin’i Jehovah. Nanaiky izany anefa i Jonatana. Niaiky izy fa i Davida no voafidin’i Jehovah ho mpanjaka, ka nanampy azy izy.

Nisy lahateny hoe “Sahy Miteny ny Mpanompon’Andriamanitra”, taorian’izay. Nataon’ireo mpianatra fampisehoana ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana nandritra ny fiofanany. Maro taminy no nanomboka fampianarana Baiboly. Nisy fanadinadinana misionera telo nanompo efa hatramin’ny ela ilay anjara hoe “Manomana Antsika ny Fandaminan’i Jehovah.” Nohazavain’izy ireo hoe ahoana no nampiofanana azy hiara-miasa amin’ny fandaminan’Andriamanitra.

“Aoka ianareo ho misionera sambatra”

Nanao an’ilay lahateny fototra hoe “Aoka Ianareo ho Misionera Sambatra” i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nilaza izy fa tsy tena mahasambatra ireo fialam-boly heverina ho “mahafinaritra.” (Ohabolana 14:13; Mpitoriteny 2:10, 11) Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no tena mahasambatra, na dia tsy mora foana aza izany. Mafy ny fianarana teto Gileada, nefa tena nahafa-po.

Maro ny zavatra mahasambatra ny tena Kristianina. Manompo an’ilay Andriamanitra falifaly izy ireo, sady miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy. (Salamo 33:12; 1 Timoty 1:11) Tsy ho ela koa dia ho lasa paradisa ny tany, araka ny ampanantenain’ny Baiboly. Nahita ny zava-kendren’ny fiainana izy ireo, dia ny hanompo sy hidera an’i Jehovah. Tia azy ireo koa i Jehovah sy Jesosy.

Hoy ny Rahalahy Lösch: “Ho misionera sambatra ianareo raha mianatra mianina.” Ho sambatra koa ianareo rehefa tia olona sy tian’izy ireo. Avelao ny heloky ny hafa fa aza mifantoka amin’izany. Manaova soa amin’ny olona, ampio ny malemy, ary zarao ny traikefa tsara anananareo. (Salamo 41:1, 2; Asan’ny Apostoly 20:35) Ho sambatra ianareo raha be atao amin’ny asa fitoriana.—Lioka 11:28.

Hoy ny Rahalahy Lösch teo am-pamaranana: “Mandehana ry misionera sambatra. Mahaiza mandanjalanja rehefa miala voly, ary mifantoha amin’ny fiderana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra falifaly. Ataovy koa izay hahasambatra ny hafa.”

Namaky firarian-tsoa avy tany amin’ny tany maro i Anthony Morris, ary avy eo nizara ny diplaoman’ny mpianatra. Namaky taratasy iray ho an’ny Filan-kevi-pitantanana ny solontenan’ny mpianatra taorian’izay. Voaresaka tao fa nankasitrahan’izy ireo ny Sekolin’i Gileada.

Teo am-pamaranana dia nilaza ny mpitari-draharaha fa mampiray ny vatana ny “tonon-taolana sy hozatra.” Toy izany, hoy izy, ny fomba sy fandaharana ampiasain’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mba hamahanana sy hitarihana ny vahoakan’i Jehovah. (Kolosianina 2:18, 19; Matio 24:45) Hahomby amin’ny fanatanterahana ny fanompoany ireo nanao ny Sekolin’i Gileada, raha miara-miasa amin’ireo solontena notendren’Andriamanitra.—2 Timoty 4:5.

[Efajoro, pejy 30]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 6

Tany nanendrena: 22

Mpianatra: 56

Mpivady: 28 Salanisan-taona: 32,8

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,9 Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,5

TANY NANENDRENA

Ireo nahazo diplaoma dia notendrena ho any Afrika Atsimo, Bénin, Boligaria, Bolivia, Burkina Faso, Cameroun, Costa Rica, Ghana, Goatemalà, Honduras, Kenya, Liberia, Madagasikara, Mozambika, Nikaragoà, Ouganda, Panama, Paragoay, Peroa, Romania, Sierra Leone, ary Togo.

[Sary, pejy 31]

Ny Kilasy Faha-126 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Kirchhoff, K.; Nichols, C.; Guzmán, Y.; Coil, H.; Becker, O.; De Simone, A. 2) Manzanares, A.; Bouvier, E.; Peddle, J.; Mason, H.; Braz, J. 3) Lee, J.; Forte, A.; Boucher, T.; Marsh, A.; Leighton, S.; Glover, M. 4) Kambach, H.; Jones, T.; Ferreira, A.; Morales, J.; Chicas, S.; Davis, B.; Dormanen, E. 5) Dormanen, B.; Nichols, J.; Pacho, T.; Titmas, L.; Bouvier, E.; Kirchhoff, A. 6) Leighton, G.; Pacho, A.; Van Campen, B.; Manzanares, A.; Rivard, A.; Lee, Y.; Titmas, L. 7) Boucher, M.; Coil, K.; Marsh, C.; Guzmán, J.; Jones, W.; Kambach, J. 8) Glover, A.; Ferreira, G.; Mason, E.; Forte, D.; Davis, N.; Chicas, O.; Rivard, Y. 9) Braz, D.; Van Campen, D.; Morales, A.; De Simone, M.; Becker, M.; Peddle, D.