Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Zanakao ho Tia An’i Jehovah Amin’ny Fony

Ampio ny Zanakao ho Tia An’i Jehovah Amin’ny Fony

Ampio ny Zanakao ho Tia An’i Jehovah Amin’ny Fony

TENA sarotra ankehitriny ny mifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 16:8) Miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” mantsy isika, araka ny efa voalazan’ny Baiboly. “Tia fahafinaretana” ny ankamaroan’ny olona, ‘fa tsy tia an’Andriamanitra.’ (2 Timoty 3:1-5) Vitsy ihany ny olona tena tia azy ankehitriny.

Tsy misy ankizy tonga dia tia an’Andriamanitra. Tsy maintsy ampiantsika izy mba ho tia azy amin’ny fony. Ahoana no hanaovantsika izany?

Samia mamboraka izay ao am-ponareo

Isika mihitsy aloha no mila tia an’i Jehovah amin’ny fontsika, raha te hanampy ny zanatsika ho tia azy isika. (Lioka 6:40) Hoy ny Baiboly: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany.”—Deoteronomia 6:4-7.

Ahoana no hanampiantsika ny zanatsika ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony? Mila fantarintsika aloha izay ao am-pony, ary lazaintsika avy eo ny ao am-pontsika.

Niresaka tamin’ny mpianany roa lahy i Jesosy teny an-dalana ho any Emaosy. Nampirisihiny aloha izy ireo hamboraka ny fanantenany sy ny tebitebiny. Efa nihaino elaela izy vao nanitsy ny hevitr’izy ireo, ka nanazava ny Soratra Masina taminy. Hoy izy ireo rehefa lasa i Jesosy: “Tsy niredareda ve ny fontsika raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy?” Samy namboraka ny tao am-pony i Jesosy sy ireo mpianatra ireo. (Lioka 24:15-32) Ahoana àry no hanampiantsika ny zanatsika hamboraka ny ao am-pony?

Vao haingana, dia nisy ray aman-dreny nanontaniana hoe inona no nanampy azy sy ny zanany hifamboraka ny ao am-pony. Efa lehibe sady Kristianina matotra ny zanak’izy ireo izao. Hoy, ohatra, i Glen, * any Meksika, izay manan-janaka efatra: “Tsy misy ray aman-dreny sy zanaka tonga dia mahay mifampiresaka tsara. Niezaka tsy nandany fotoana be tamin’ny zavatra tsy dia lehibe àry izahay mivady, mba hahafahanay hiaraka amin’ny ankizy. Tamin’izy ireo mbola 20 taona latsaka, dia niaraka taminy izahay indraindray ny hariva tontolo, ary niresadresaka momba izay tiany horesahina. Nihaino ny resak’izy ireo koa izahay rehefa nisakafo, mba hahitanay raha misy tsy mety ny toe-tsainy sy ny toetrany. Nahitsinay moramora izany, ary tsy voamariny akory aza matetika.”

Mila mamboraka ny ao am-pontsika koa anefa isika ray aman-dreny. Hoy i Jesosy: ‘Ny olona tsara dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny tahiry tsaran’ny fony. Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.’ (Lioka 6:45) Telo ny zanak’i Toshiki, any Japon, ary mpanompo manontolo andro daholo. Hoy izy: “Nolazaiko matetika tamin’izy ireo ny antony nahatonga ahy hino tanteraka fa misy i Jehovah. Noresahiko imbetsaka koa hoe hitako tamin’ny zavatra niainako fa tena marina ny Baiboly, ary izy io no tari-dalana tsara indrindra eo amin’ny fiainana.” Hoy i Cindy, any Meksika: “Niara-nivavaka tamin’ny zanakay foana ny vadiko. Nivavaka tamin’ny fony manontolo izy, ka lasa tsapan’izy ireo fa tsy angano i Jehovah.”

Misy vokany lehibe ny modely omentsika

Misy vokany lehibe lavitra noho ny tenintsika ny fomba fiainantsika, satria izany no ahitan’ny ankizy raha tena tia an’Andriamanitra isika. Voamariky ny olona fa nankatò an’i Jehovah i Jesosy, ka izany no nahitan’izy ireo fa tena tia azy izy. Hoy i Jesosy: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.”—Jaona 14:31.

Hoy i Gareth, Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Pays de Galles: “Tokony ho hitan’ny zanatsika fa tia an’i Jehovah isika, sady miezaka mankatò azy eo amin’izay ataontsika. Hitan’ny zanako, ohatra, fa miaiky ny fahadisoako aho, satria izany no asain’Andriamanitra atao. Miezaka manao izany koa izy ireo izao.”

Hoy i Greg, any Aostralia: “Tianay ho hitan’ny zanakay fa ny fivavahanay no zava-dehibe indrindra aminay. Rehefa hanapa-kevitra momba ny asa na fialam-boly, ohatra, izahay, dia dinihinay aloha ny ho vokatr’izany eo amin’ny fanompoanay an’i Jehovah. Faly izahay fa lasa manao izany koa ny zanakay vavy 19 taona, rehefa mpisava lalana mpanampy.”

Ampio hahalala an’Andriamanitra izy

Tsy afaka ny hitia na hatoky olona tsy fantatsika isika. Nirin’ny apostoly Paoly ho tia kokoa an’i Jehovah ny Kristianina tany Filipy, ka hoy izy: “Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa hatrany, ao anatin’ny fahalalana marina tsara sy ny fahaiza-manavaka tanteraka.” (Filipianina 1:9) Hoy i Falconerio, any Peroa, izay manan-janaka efatra: “Mihamatanjaka ny finoan’ny ankizy rehefa miara-mamaky sy miara-mianatra Baiboly tsy tapaka aminy isika. Hadinodinoko indraindray ny nampianatra azy ireo, ka hitako fa nihanihena ny fitiavany an’Andriamanitra.” Hoy i Gary, any Aostralia: “Matetika no asehoko amin-janako ireo porofo mampiharihary fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Resahiko amin’izy ireo koa ny soa azon’izay mampihatra ny toro lalana hita ao. Mianatra Baiboly tsy tapaka izahay, ka izany no manatanjaka ny finoan’izy ireo.”

Hilentika tsara ao am-pon’ny ankizy ny fahalalana an’i Jehovah, raha mahafinaritra sy mahafaly ary feno fanajana ny fotoana fianarana. (Jakoba 3:18) Hoy i Shawn sy Pauline, any Grande-Bretagne, izay manan-janaka efatra: “Niezaka tsy nibedy azy ireo izahay nandritra ny fianaram-pianakaviana, na dia somary nipelipelika sy nitabataba aza izy ireo. Novaovanay ny fomba nanaovanay ilay fianarana. Izy ireo, ohatra, indraindray no nasainay nifidy ny foto-kevitra horesahina. Nampiasa ny video navoakan’ny fandaminan’i Jehovah koa izahay. Naverinay nojerena ny fizarana sasany na nijanonanay kely, mba hanaovana dinidinika.” Hoy koa i Kim, renim-pianakaviana any Grande-Bretagne ihany: “Omaniko tsara ny fianaram-pianakaviana, mba hahafahako hametraka fanontaniana mampieritreritra ny zanako. Mahafinaritra anay ny fianaranay, ary toran’ny hehy foana izahay.”

Ampio hanana namana tsara izy

Raha mifanerasera amin’ny olona tia an’i Jehovah ny zanatsika, dia ho mora kokoa aminy ny ho tia azy sy hankasitraka ny fivavahana marina. Ekena fa mety hilana ezaka ny mitady namana tsara afaka mifampiresaka sy miara-milalao amin’ny zanatsika. Tsy ho very maina anefa izany! Handray soa koa ny zanatsika raha asaintsika mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nifidy ny hanompo manontolo andro. Tanora maro no nanjary nanao io asa io noho izy nifanerasera tamin’ny mpanompon’Andriamanitra be zotom-po. Hoy ny anabavy iray lasa misionera: “Imbetsaka ny ray aman-dreniko no nanasa mpisava lalana hisakafo tao aminay. Hita fa tena faly izy ireo nanompo manontolo andro, ka naniry hanao izany koa aho.”

Tsy ny namana tsara ihany anefa no mety hisy vokany eo amin’ny zanatsika. Eo koa ny naman-dratsy. Manasarotra ny ezaka ataontsika ray aman-dreny izany. (1 Korintianina 15:33) Ilana fahaizana ny manoro ny ankizy izay tokony hataony mba tsy hifaneraserany amin’ny olona tsy tia na tsy mahalala an’i Jehovah. (Ohabolana 13:20) Hoy ihany i Shawn: ‘Nampirisika ny zanakay ho tsara fanahy amin’ny mpiara-mianatra aminy izahay. Tsy navelanay hifanerasera tamin’izy ireo anefa izy rehefa tsy tany am-pianarana. Azon’ny zanakay ny antony tsy tokony handraisany anjara amin’ireo zavatra asaina ataon’ny mpianatra ivelan’ny ora fianarana, toy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena.’

Tena ilaina ny fampiofanana

Hahafinaritra ny zanatsika ny hiresaka amin’ny olona ny fitiavany an’Andriamanitra, raha mampiofana azy hanao izany isika. Hoy i Mark, any Etazonia: “Nataonay izay hahatonga ny zanakay lahy ho tia mitory amin’ny fotoana rehetra, fa tsy rehefa miaraka amin’ny fiangonana ihany. Mitondra Baiboly sy gazety àry izahay rehefa miala voly any amin’ny zaridainam-panjakana na eny amoron-dranomasina na any an’ala, ary miresaka amin’ny olona ny zavatra inoanay. Tena tian’ireo zanakay izany. Mandray anjara amin’ilay resaka izy ireo, ary milaza ny zavatra inoany.”

Nanampy olona maro ho tia kokoa an’Andriamanitra ny apostoly Jaona, efa zokiolona. Hoy izy momba azy ireo: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha hatrany ao amin’ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4) Ho faly toa azy koa isika, raha manampy ny zanatsika ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 9]

Ilana ezaka ny mamboraka ny ao am-po rehefa miresaka fivavahana

[Sary, pejy 10]

Ampiofano hiresaka ny fitiavany an’Andriamanitra ny zanakao

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Green Chimneys Farm