Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manahaka An’i Jehovah ve Ianao Rehefa Miahy ny Hafa?

Manahaka An’i Jehovah ve Ianao Rehefa Miahy ny Hafa?

Manahaka An’i Jehovah ve Ianao Rehefa Miahy ny Hafa?

“APETRAHO amin[’Andriamanitra] avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.” (1 Petera 5:7) Teny feno fitiavana re izany! Miahy ny vahoakany tokoa i Jehovah Andriamanitra, ary mandry ivohon’ny vato isika noho izany.

Tokony hiezaka ho tia miahy ny hafa toa an’i Jehovah isika, ary haneho izany. Tsy lavorary anefa isika ka mila mamantatra ny fandrika mety hahavoa antsika, rehefa miahy ny hafa. Handinika ny sasany amin’izy ireny isika. Hojerentsika anefa aloha ny fomba sasany anehoan’i Jehovah fiahiana ny vahoakany.

Nampiasa fanoharana momba ny mpiandry ondry i Davida mpanao salamo, rehefa niresaka momba ny fiahian’Andriamanitra. Hoy izy: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy ... Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko.”—Salamo 23:1-4.

Mpiandry ondry i Davida, ka fantany tsara hoe inona avy no atao rehefa mikarakara ondry: Miaro ny ondry amin’ny biby mpiremby toy ny liona sy amboadia ary orsa, tsy mamela ny andiany hiparitaka, mikaroka izay very, mitrotro izay reraka, mitsabo izay marary sy maratra, ary manome rano azy ireo isan’andro. Tsy midika anefa izany hoe mifehifehy ny fihetsika rehetra ataon’ny ondry izy. Mamela azy ireny hanao izay tiany izy, nefa miaro azy.

Toy izany no ikarakaran’i Jehovah ny vahoakany. Hoy ny apostoly Petera: ‘Arovan’ny herin’Andriamanitra ianareo.’ Midika ara-bakiteny hoe “voambina” ilay hoe ‘arovana.’ (1 Petera 1:5) Tena miahy antsika i Jehovah ka miambina na mandinika tsara antsika foana, ary vonona hanampy avy hatrany rehefa mila izany isika. Na izany aza, dia mamela antsika hanao izay tiantsika i Jehovah, ka tsy mifehifehy izay rehetra ataontsika na ny fanapahan-kevitra raisintsika. Ahoana no azontsika anahafana azy?

Tahafo Andriamanitra rehefa mikarakara ny zanakao ianao

“Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka.” Tokony hiaro sy hikarakara ny zanany àry ny ray aman-dreny. (Salamo 127:3) Mila mampirisika ny zanany hilaza ny heviny sy hamboraka izay ao am-pony, ohatra, izy ireo ary mihevitra an’izany rehefa mifandray aminy. Toy ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny amin’ny rojo ny ray aman-dreny, raha mifehifehy izay rehetra ataon-janany ary tsy mba miraharaha izay zavatra tiany mihitsy. Tsy hisy mpiandry ondry hanao toy izany, ary tsy mitondra antsika amin’ny fomba toy izany i Jehovah.

Miaiky toy izao i Maria: * “Nilaza tamin-janako fotsiny izay tokony hataony sy tsy tokony hataony aho, nandritra ny taona maro. Nihevitra aho hoe izany no adidiko amin’ny maha reny ahy. Tsy mba nidera an-janako aho, sady tsy nifampiresaka tsara izahay.” Naharitra ela teo amin’ny telefaonina ny zanany vavy rehefa niresaka tamin’ny namany. Izy mianaka kosa anefa tsy mba niresaka ela toy izany. Hitan’i Maria tatỳ aoriana hoe inona no nahatonga izany fahasamihafana izany. Hoy izy: “Nahay niombom-pihetseham-po tamin’ny namany ny zanako rehefa niresaka tamin’izy ireo. Nilaza izy, ohatra, hoe: ‘Eny akia a!’ na ‘Izaho koa hoatr’izany.’ Nanomboka nampiasa teny mitovy amin’izany aho mba hampiresahana ny zanako, ka tsy ela dia nifampiresaka ela kokoa izahay, sady nanjary nahafinaritra ny resakay.” Hita avy amin’izany fa tena ilaina ny mifampiresaka tsara, ary tsy mandeha ila ilay izy fa samy mandray anjara ny andaniny sy ny ankilany.

Mila mamantatra izay ao am-pon-janany ny ray aman-dreny, ary ny ankizy kosa mila mahatakatra hoe nahoana no miaro azy ny fiahian’ny ray aman-dreniny. Mampirisika ny ankizy hankatò ny ray aman-dreniny ny Baiboly, ary lazainy ny antony, dia hoe: “Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.” (Efesianina 6:1, 3) Ho mora kokoa amin’ny ankizy ny hankatò, raha tena miaiky izy fa mahasoa azy izany.

Rehefa mikarakara ny andian’ondrin’i Jehovah

Hita taratra eo anivon’ny fiangonana kristianina fa miahy antsika amim-pitiavana i Jehovah. Mandidy ny anti-panahy mba hikarakara ny andian’ondriny i Jesosy Kristy, Lohan’ny fiangonana. (Jaona 21:15-17) Misy ifandraisany amin’ny hoe “miambina tsara” ilay teny grika nadika hoe mpiandraikitra. Manantitrantitra ny fomba tokony hanaovan’ny anti-panahy an’izany i Petera. Hoy izy: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa, tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.”—1 Petera 5:2, 3.

Mitovy amin’ny ataon’ny mpiandry ondry tokoa ny ataon’ny anti-panahy. Tokony hikarakara an’ireo marary eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, ka hanitsy azy ireny mba hanarahany ny fitsipika marin’Andriamanitra. Anjaran’ny anti-panahy koa ny mandamina ny fivoriana sy ny asa kristianina hafa, ary manao izay hampisy filaminana eo anivon’ny fiangonana.—1 Korintianina 14:33.

Mampitandrina ny amin’ny fandrika iray anefa i Petera: Mety ho lasa “manjakazaka” amin’ny fiangonana ny anti-panahy. Endrika iray mety hisehoan’izany ny hoe mamorona fitsipika tsy ilaina. Mety hanao zavatra tafahoatra ny anti-panahy rehefa maniry mafy hiaro ny andian’ondry. Namorona fitsipika momba ny fomba tokony hifampiarahabana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra, ny anti-panahin’ny fiangonana iray any Azia. Nolazain’izy ireo hatramin’ny hoe iza no tokony hiarahaba voalohany. Nino mantsy izy ireo fa hanatsara ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana izany. Azo inoana fa tsy ratsy ny antony nanosika an’ireo anti-panahy ireo, kanefa moa ve izy ireo nanahaka ny fomba ikarakaran’i Jehovah ny vahoakany? Tsara homarihina ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, izay hita taratra amin’ireto teniny ireto: “Tsy tompon’ny finoanareo anefa izahay fa mpiara-miasa kosa mba hahazoanareo fifaliana, fa ny finoanareo ihany no ijoroanareo.” (2 Korintianina 1:24) Tadidio fa matoky ny vahoakany i Jehovah.

Tsy vitan’ny hoe tsy tokony hamorona fitsipika tsy araka ny Soratra Masina ny anti-panahy be fitiavana. Mitana tsiambaratelo koa izy raha tena miahy ny hafa. Mitadidy izao fampitandreman’Andriamanitra izao izy ireo: “Aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina.”—Ohabolana 25:9.

Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny vatana ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. Hoy izy: “Nakamban’Andriamanitra ireo anisan’ny vatana, ... mba tsy hisy fisaratsarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifampiahy ireo rantsany.” (1 Korintianina 12:12, 24-26) Ilay teny grika nadika hoe ‘mifampiahy’ dia midika ara-bakiteny hoe ‘manahy ny amin’izay manjo ny hafa.’ Midika izany fa tokony hifaneho fiheverana lalina ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana.—Filipianina 2:4.

Ahoana no ampisehoan’ny tena Kristianina fa ‘manahy ny amin’izay manjo ny hafa’ izy? Mivavaka ho an’ireo mpiara-mivory aminy izy ary manome fanampiana an’ireo mila izany. Mahatonga ny hafa haniry hanao ny tsara izany. Nahazo fanampiana feno fitiavana toy izany i Tadataka. Izy irery ihany no nanompo an’i Jehovah tao amin’ny fianakaviany, rehefa natao batisa izy tamin’izy 17 taona. Hoy izy: “Matetika no nanasa ahy hiara-misakafo taminy ny fianakaviana iray tao amin’ny fiangonana nisy ahy, ary niantso ahy koa izy rehefa nisy fiaraha-mikorana. Nivily tao amin-dry zareo aho, saika isan’andro rehefa handeha hianatra, ary niara-nandinika ny teny vakina izahay. Nahazo torohevitra mahakasika ny fomba hiatrehana olana any am-pianarana aho, ary niara-nivavaka momba an’ireny izahay. Tao amin’io fianakaviana io aho no nianatra an’izany hoe tia manome izany.” Mampihatra ny zavatra nianarany izao i Tadataka, satria manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nampitandrina ny amin’ny fandrika iray hafa koa ny apostoly Paoly. Nilaza izy fa nisy vehivavy sasany lasa “mpifosafosa sy mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona ... ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny.” (1 Timoty 5:13) Tsy ratsy ny miahy ny hafa, nefa tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona. Raha liana be loatra amin’ny fiainan’ny hafa mantsy isika, dia hanjary ‘hiresaka zavatra tsy tokony horesahina.’ Mety hanakiana olona isika, ohatra.

Tokony hotadidintsika fa samy manana ny fomba itondrany ny fiainany ny Kristianina, ary samy manana ny sakafo tiany sy ny fialam-boly mahasoa tiany hatao. Afaka misafidy izay hataony ny tsirairay, raha tsy mandika ny toro lalan’ny Baiboly izany. Nananatra ny Kristianina tany Roma i Paoly hoe: “Aoka isika tsy hifampitsara intsony [fa] hiezaka hitady izay mampisy fihavanana sy izay ifampaherezana.” (Romanina 14:13, 19) Raha tena mifampiahy isika eo anivon’ny fiangonana, dia tokony ho vonona hifanampy fa tsy hitsabaka amin’ny fiainan’ny hafa. Hanjaka eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana amin’izay ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 16]

Derao ny zanakao ary mahaiza miombom-pihetseham-po aminy, mba hampiresahana azy