Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Te hilaza ve ny Ohabolana 22:6 fa tsy hiala amin’ny lalan’i Jehovah mihitsy ny ankizy, rehefa mahazo fampiofanana tsara?

Hoy io andinin-teny io: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Raha karakaraina tsara ny zana-kazo, dia antenaina ho tonga hazo lehibe sy mahitsy. Raha mahazo fampiofanana tsara koa ny ankizy, dia antenaina hifikitra kokoa amin’i Jehovah, rehefa lehibe. Fantatry ny ray aman-dreny fa mitaky fotoana sy ezaka be ny fampiofanana tsara. Tsy maintsy mampianatra, mananatra, mampahery, manafay ary manome ohatra tsara izy ireo, raha tiany ho lasa mpianatr’i Jesosy ny zanany. Tsy maintsy ataony amim-pitandremana sy amim-pitiavana ary tsy tapatapaka izany, mandritra ny taona maro.

Nisy lesoka àry ve ny fampiofanan’ny ray aman-dreny, matoa mitsahatra tsy manompo an’i Jehovah ny zanany? Mety tsy ho ampy tokoa ny ezaka ataon’ny ray aman-dreny sasany, mba hitaizana ny zanany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah. (Efesianina 6:4) Tsy te hilaza anefa ilay ohabolana hoe tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy ny ankizy, rehefa nahazo fampiofanana tsara. Tsy afaka hanery an-janany hanompo an’i Jehovah ny ray aman-dreny. Afaka mifidy izay tiany hitondrana ny fiainany ny ankizy, rehefa lehibe. (Deoteronomia 30:15, 16, 19) Na eo aza ny ezaka mafy ataon’ny ray aman-dreny, dia mbola mivadika amin’i Jehovah ihany ny ankizy sasany, toa an’i Solomona izay nanoratra an’io ohabolana io. Nanana zanaka nikomy koa na dia i Jehovah aza.

Tsy te hilaza àry io andininy io hoe hanaraka ny lalan’i Jehovah daholo izay ankizy mahazo fampiofanana tsara. “Tsy hiala” amin’ny fahamarinana kosa ny ankamaroan’izy ireo. Tena mampahery ny ray aman-dreny izany! Tokony hahavelom-bolo azy ireo ny fahalalana fa hitera-boka-tsoa ny ezaka ataony mba hitaizana ny zanany eo amin’ny lalan’i Jehovah. Tokony hanatontosa tsara ny adidiny àry ny ray aman-dreny, satria tena lehibe ny andraikitr’izy ireo, ary misy vokany lalina eo amin’ny ankizy ny fampiofanana omena azy.—Deoteronomia 6:6, 7.

Marina fa mety hisy ihany ny ankizy hiala amin’i Jehovah. Afaka manantena anefa ny ray aman-dreny nampiofana tsara ny zanany, fa mbola hiverina amin’i Jehovah izy ireny indray andro any. Tena misy heriny eo amin’ny olona mantsy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary tsy mora hadinoina ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreny.—Salamo 19:7.