Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tapa-kevitra Hanatontosa ny Fanompoanay Izahay

Tapa-kevitra Hanatontosa ny Fanompoanay Izahay

Tantaram-piainana

Tapa-kevitra Hanatontosa ny Fanompoanay Izahay

Notantarain’i Lena Davison

“Manjavona ny masoko. Tsy mahita aho”, hoy ilay mpanamory, tamin’ny feo iva dia iva. Navotsony ny familiana avy eo, ary torana izy. Niezaka namelona azy ny vadiko satria tsy nahay nitondra fiaramanidina. Tany Papouasie-Nouvelle-Guinée izahay no sendra an’io toe-javatra saika nahafaty anay io. Alohan’ny hitantarako ny momba izany anefa, dia avelao aho aloha hilaza ny antony nandehananay tany.

TERAKA teto Aostralia aho tamin’ny 1929, ary notezaina tao Sydney, renivohitr’i Nouvelle-Galles du Sud. Bill Muscat no anaran’i Dada. Kominista izy nefa nino an’Andriamanitra. Nanao sonia mihitsy aza izy tamin’ny 1938, rehefa nisy fanangonan-tsonia natao, mba hahazoan’i Joseph Rutherford alalana hanao lahateny tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Sydney. Avy any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah io mpandahateny io.

“Azo antoka fa hisy zava-dehibe holazainy”, hoy i Dada tamin’izay. Fantatray ilay hafatra lehibe noresahin’i Rutherford, valo taona tatỳ aoriana. Nasain’i Dada nankany an-tranonay i Norman Bellotti, Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro, mba hiara-midinika Baiboly taminay. Nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly avy hatrany izahay mianakavy, ary tsy ela dia nazoto nanompo an’Andriamanitra.

Nanana aretina mitaiza i Neny, ka niala tamin’ny fianarana aho tamin’ny 1945 tany ho any mba hikarakara azy. Nanjaitra koa aho mba hahazoako vola. Niaraka tamin’ny mpisava lalana maromaro izahay sy Rose rahavaviko, rehefa asabotsy alina, mba hitory teo ivelan’ny Lapan’ny Tanànan’i Sydney. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada i John zokiko lahy, tamin’ny 1952, ary voatendry ho misionera tany Pakistan. Tena tia manompo koa aho, ka naniry hanahaka ny ohatra navelany. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana àry aho ny taona nanaraka.

Nanambady sy nanao ny asa misionera

Nihaona tamin’i John Davison aho, taoriana kelin’izay. Niasa teto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Aostralia izy. Tsara toetra sy manetry tena izy, ary tsy tia sehoseho nefa tsy miala amin’izay fanapahan-kevitra noraisiny. Babony tanteraka ny foko. Nigadra intelo izy nanditra ny Ady Lehibe II, satria tsy nety nandray anjara tamin’ny ady. Tapa-kevitra izahay fa ny fanompoana no hataonay loha laharana eo amin’ny fiainana.

Nivady izahay tamin’ny Jona 1955. Nividy bisy iray izahay mba hataonay tranofiara hipetrahana, satria nirinay ny hitory tany amin’ireo faritra mitokana eto Aostralia. Nanolo-tena ho any Nouvelle-Guinée anefa izahay tamin’ny 1956, satria nampirisihina hifindra tany ny Vavolombelona. Any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ilay nosy lehibe ao avaratr’i Aostralia no misy an’io toerana io, ary mbola tsy nitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy. *

Tsy afaka nipetraka tany Nouvelle-Guinée ny vahiny, tamin’izany, raha tsy nanao fifanarahana tamin’ny orinasa iray, ary niasa manontolo andro tao aminy. Nanomboka nitady asa àry i John. Tsy ela izy dia afaka nanao fifanarahana tamin’ny orinasa mpanatsofa hazo tany Nouvelle-Bretagne, nosy kely iray any Nouvelle-Guinée. Niainga izahay herinandro maromaro tatỳ aoriana, ary tonga tany Rabaul any Nouvelle-Bretagne tamin’ny Jolay 1956. Niandry enina andro tao izahay vao nisy sambo nitondra anay nankany Waterfall Bay.

Fanompoana tany Waterfall Bay

Tsy mora ilay dia, kanefa tonga tany Waterfall Bay ihany izahay, rehefa afaka andro maromaro. Nosy kely any amin’ny 240 kilaometatra atsimon’i Rabaul izy io. Tao anaty ala ilay orinasa mpanatsofa hazo. Niara-nisakafo ny mpiasa rehetra ny harivan’ny nahatongavanay, ary hoy ny lehiben’ilay orinasa: “Fa inona moa ny fivavahanareo Atoa sy Rtoa Davison? Tsy maintsy milaza ny fivavahany mantsy ny mpiasa tsirairay ato amin’ity orinasa ity.”

Nino izahay fa tsy nisy an’izany fitsipika izany akory tao amin’ilay orinasa. Niahiahy anay kosa ry zareo rehefa tsy nety nifoka sigara izahay. Namaly i John hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Gina ny rehetra, ary tsy te hanohy an’ilay resaka intsony. Miaramila tamin’ny Ady Lehibe II ireo lehilahy ireo, ka nitsara an-tendrony ny Vavolombelona noho izy ireo tsy nety niady. Nanao izay hahitanay fahasahiranana izy ireo, nanomboka tamin’izay.

Tsy nomen’ilay lehibenay vata fampangatsiahana sy fatana aloha izahay, na dia tokony hahazo izany aza. Simba ny sakafonay, ary fatana notsimponinay tany anaty ala no mba nandrahoanay sakafo. Avy eo dia tsy navela hivarotra sakafo taminay ny tompon-tany ka voatery nihinana izay legioma hitanay izahay. Nolazaina fa mpitsikilo izahay, ary narahi-maso sao mampianatra Baiboly. Voan’ny tazomoka koa aho tatỳ aoriana.

Tapa-kevitra hanatontosa ny fanompoanay anefa izahay. Nisy tovolahy tompon-tany roa nahay teny anglisy niasa tao amin’ilay orinasa. Niangavianay izy ireo mba hampianatra anay ny fiteny ampiasaina eo an-toerana. Nampianarinay Baiboly kosa izy ireo ho setrin’izany. Nitety an’ilay faritra izahay rehefa faran’ny herinandro, ary mody manao toy ny mpizaha tany. Malina tsara izahay rehefa nitory tamin’izay olona hitanay, ary izy roa lahy no nandika teny. Niampita rano mahery izahay ary feno voay mitanin’andro teny amorony. Indray mandeha ihany anefa izahay no saika lanin’ireny biby mampahatahotra ireny.

Nanamboatra fitaovana fampianarana

Nanapa-kevitra hanao pirinty ny hafatra notorinay izahay rehefa afaka nitory tamin’ny faritra maro kokoa, ary nizara izany tamin’ny olona liana. Izy roa lahy ihany koa no nanampy anay handika teny, tamin’ny voalohany. Niari-tory imbetsaka izahay mba handikana taratasy mivalona an-jatony. Nozarainay tamin’ny mponina sy izay tantsambo nandalo izany, avy eo.

Nampahery anay ny fitsidihan’i John Cutforth, tamin’ny 1957. Mpiandraikitra mpitety faritany za-draharaha izy, ary nilaza fa mety hahomby ny fampiasana sary rehefa mampianatra ny fahamarinana amin’ny olona tsy mahay mamaky teny. Namorona sary tsotsotra maromaro mifampitohy izy sy ny vadiko, mba hanazavana ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Nandany ora maro izahay avy eo, mba handikana izany tao anaty kahie. Nomena kahie iray avy ireo mpianatra Baiboly mba hoentiny mitory. Nampiasaina nanerana an’ilay tany izany fomba fampianarana izany tatỳ aoriana.

Afaka nipetraka tany Nouvelle-Guinée izahay rehefa afaka roa taona sy tapany, satria vita ny asa nifanarahana tamin’ilay orinasa. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana àry izahay.

Niverina tany Rabaul

Nijanona indray alina tao amin’ny toeram-pambolena voaniho sy kakaô, tao Wide Bay, ny sambo nitondra anay ho any Rabaul. Mpivady be taona efa misotro ronono no tompon’ilay toerana. Te hody any Aostralia izy ireo, ka i John no tiany hitantana azy io. Toa tena tsara ilay asa. Niara-nidinika anefa izahay mivady ny alin’iny, ka niaiky fa tsy ny hikatsaka harena no antony nandehananay tany. Tapa-kevitra hanatontosa ny fanompoanay sy hanohy ny asan’ny mpisava lalana izahay. Nilaza ny fanapahan-kevitray tamin’ilay mpivady izahay ny ampitson’iny, ary nanainga indray.

Efa nisy Vavolombelona vitsivitsy avy tany amin’ny firenen-kafa tao Rabaul, rehefa tonga tany izahay. Tena liana tamin’ny fahamarinana ny olona tany, ka maro ny fampianarana Baiboly natomboka. Nivory tao amin’ny trano iray nohofana izahay, ary nahatratra 150 ny mpanatrika. Maro tamin’ireny olona ireny no nanaiky ny fahamarinana, ka nanampy anay nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, tany amin’ny faritra hafa.—Matio 24:14.

Nankany Vunabal koa izahay. Dimampolo kilaometatra avy eo Rabaul izy io, ary nisy olona vitsivitsy liana tamin’ny fahamarinana tany. Tsy ela izy ireo dia voamariky ny Katolika iray to teny teo amin’ny fiaraha-monina. Niaraka tamin’ireo Katolika namany izy, ary nanakorontana ny fianarana Baiboly nataonay, sady nandroaka anay hiala tao an-tanàna. Nangatahinay hiaraka taminay ny polisy ny herinandro manaraka, rehefa fantatray fa mety hanakorontana anay indray ry zareo.

Feno Katolika ny lalana, tamin’izay. Naneso sady vonona hitora-bato anay izy ireo. Efa namory lehilahy tompon-tany an-jatony koa ny pretra. Nanome toky anay ny polisy fa azonay atao ny mivory. Nanavatsava an’ilay vahoaka àry izy ireo ary nanaraka azy ireo izahay. Notaomin’ilay pretra hirotaka anefa ny vahoaka, raha vao nanomboka ny fivorianay. Tsy nahafehy azy ireo ny polisy ka nasain’ny lehiben’ny polisy nivoaka ny trano izahay, ary nentiny haingana teny amin’ny fiaranay.

Nitangorona taminay ilay vahoaka sady nanompa sy nandrora ary nanambana totohondry anay. Niedinedina erỳ ilay pretra sady nitsiky rehefa nahita izany. Nilaza ilay lehiben’ny polisy fa mbola tsy nahita zavatra hoatra an’iny mihitsy. Natahotra olona ny ankamaroan’ny mponina tao Vunabal, ka tsy nety hianatra Baiboly intsony. Nanana herim-po kosa ny mpianatra Baiboly iray ka nifikitra tamin’ny fahamarinana. Nisy olon-kafa an-jatony tsy nivadika tamin’i Jehovah nanerana an’i Nouvelle-Bretagne, nanomboka tamin’izay.

Nanompo tany Nouvelle-Guinée

Nasaina nankany Madang izahay, tamin’ny Novambra 1960. Tanàna amoron-tsiraka any amin’ny faritra avaratr’i Nouvelle-Guinée izy io. Betsaka ny olona nanome asa anay, nony tonga tany izahay. Nisy orinasa nanasa ahy hitantana ny fivarotan’akanjony. Ny iray hafa kosa nanasa ahy hanjaitra tao aminy. Nisy aza vehivavy vahiny nilaza fa hanome vola ahy, mba hanokafako trano fanjairana. Nataonay an-tsaina foana anefa ny tanjonay, ka nolavinay ireny rehetra ireny.—2 Timoty 2:4.

Be ny vokatra tany Madang, ka tsy ela dia nisy fiangonana niroborobo tao. Nandeha an-tongotra sy nandeha môtô izahay rehefa nitory tany amin’ny tanàna mitokana, ary afaka andro maromaro vao niverina. Trano tsy nisy nipetraka no natorianay, ary bozaka nalaina tany anaty kirihitra no nandriana. Sakafo am-bifotsy sy bisikoỳ ary lay aro moka no mba entana nentinay.

Nitsidika olona liana maromaro tany Talidig izahay, indray mandeha. Tokony ho 50 kilaometatra any avaratr’i Madang io tanàna io. Nampiasa fananam-bahoaka izy ireo mba hianarana Baiboly. Tsy navelan’ny talen’ny sekoly teo an-toerana hanao izany intsony anefa izy ireo, rehefa nandroso tsara ny fianarany. Nampirisihin’io tale io ny polisy, tatỳ aoriana, mba handrava ny tranon’izy ireo ary handroaka azy ireo hiala tao an-tanàna. Navelan’ny filoha iray, teo akaiky teo, hipetraka tao amin’ny faritaniny anefa ireo mpianatra Baiboly ireo. Nianatra ny fahamarinana io filoha io tatỳ aoriana, ary nisy Efitrano Fanjakana naorina tao amin’ilay toerana.

Nandika teny sy nitety faritra

Nasaina handika boky sy gazety ho amin’ny fiteny teo an-toerana izahay, roa taona monja taorian’ny nahatongavanay tany Nouvelle-Bretagne. Nanao izany asa izany nandritra ny taona maro izahay. Nantsoina handika teny sy hampianatra fiteny vahiny tao amin’ny biraon’ny sampana tao Port Moresby izahay, tamin’ny 1970. Io tanàna io no renivohitr’i Papouasie-Nouvelle-Guinée.

Niverina tany Nouvelle-Bretagne izahay tamin’ny 1975, ary nanao asa fitetezam-paritany. Saika voatetinay tao anatin’ny 13 taona ilay faritra manontolo. Nandeha an-tongotra izahay, na nandeha fiaramanidina, na sambo, na fiara. Imbetsaka izahay no saika niharan-doza, ary anisan’izany ilay notantaraiko terỳ am-piandohana. Efa nanakaiky ny seranam-piaramanidin’i Kandrian, any Nouvelle-Bretagne, izahay tamin’iny, no torana ilay mpanamory, satria narary be ny vavoniny. Namelona azy i John, fa ilay fiaramanidina kosa nandeha ho azy ka nihodinkodina fotsiny teo ambony ala. Nahatsiaro tena ihany ilay mpanamory, ary nahavita nitondra an’ilay fiaramanidina hatreny amin’ny seranana. Torana indray anefa izy avy eo.

Endri-panompoana hafa

Nasaina nankany amin’ny biraon’ny sampana tao Port Moresby indray izahay tamin’ny 1988, mba hanampy tamin’ny fandikan-teny sy hampiofana mpandika teny vaovao. Nisy 50 teo ho eo ny mpianakavin’ny Betela tao, tamin’izany, ary nipetraka tao daholo. Nanapa-kevitra izahay mivady fa havelanay hitanila ny varavaranay, mba ho afaka hivily kely sy hifankahalala aminay ny mpitsidika sy ny mpianakavin’ny Betela. Nanjary fantatray tsara izy ireo, ka afaka nifandray am-po sy nifanohana izahay.

Matin’ny aretim-po i John, tamin’ny 1993. Toy ny hoe maty ny ampahany tamin’ny vatako. Efa 38 taona mantsy no nivadianay ary niara-nanompo foana izahay nandritra izany fotoana izany. Nanome hery ahy anefa i Jehovah, ary tapa-kevitra hanohy ny fanompoako aho. (2 Korintianina 4:7) Mbola nisokatra ihany ny varavarako ary nisy nitsidika foana aho. Nanampy ahy hahita fifaliana izany.

Niharatsy ny fahasalamako tamin’ny 2003, ka nasaina hanompo eto amin’ny biraon’ny sampan’i Sydney, eto Aostralia, aho. Efa 77 taona aho izao, ary mbola manompo manontolo andro ato amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny, sady mbola mazoto mitory. Mampifaly ahy foana ireo namako, sy ny zanaka aman-jafiko ara-panahy.

Mbola sokafako ihany ny varavaran’ny tranoko ato amin’ny Betela, ary misy mitsidika foana aho. Rehefa mikatona ny varavarako, dia mandondòna ny olona ary manontany raha misy tsy metimety. Tapa-kevitra ny hanatontosa ny fanompoako an’i Jehovah Andriamanitra aho, raha mbola velon’aina koa.—2 Timoty 4:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Nizara roa ny faritra atsinanan’ilay nosy tamin’izany fotoana izany, dia i Papouasie any atsimo, ary Nouvelle-Guinée, any avaratra. I Papouasie-Nouvelle-Guinée no iantsoana ny faritra atsinanana ankehitriny, ary anisan’i Indonezia kosa ny faritra andrefana.

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

NOUVELLE-GUINÉE

Sydney

INDONEZIA

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

Talidig

Madang

PORT MORESBY

NOUVELLE-BRETAGNE

Rabaul

Vunabal

Wide Bay

Waterfall Bay

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany sy gilaoby: Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sary, pejy 17]

Izahay sy John, tamin’ny fivoriambe tany Lae, Nouvelle-Guinée, 1973

[Sary, pejy 20]

Tao amin’ny biraon’ny sampan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, 2002