Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Olona Voafora ve no Tena Lehilahy?

Ny Olona Voafora ve no Tena Lehilahy?

Ny Olona Voafora ve no Tena Lehilahy?

FORANA noho ny antony ara-pahasalamana ny zazalahy any amin’ny tany maro. Tsy fanao mihitsy kosa ny famorana any amin’ny tany hafa. Ho an’ny olona sasany anefa, toy ny Jiosy sy ny Silamo, dia tsy noho ny antony ara-pahasalamana fotsiny no hanaovana azy io, fa misy heviny ara-pivavahana koa.

Any amin’ny firenena sasany indray, dia fanao ny mamora ny zazalahy rehefa lasa zatovo. Alefa any amin’ny sekoly misy fampianarana momba ny fomban-drazana izy mazàna, ka any no forana. Mijanona any mandritra ny herinandro maromaro izy mandra-pahasitran’ny feriny. Misy fombafomba tsy maintsy arahiny mandritra an’io fotoana io, ary ampianarina azy ny atao hoe lehilahy. Mila forana sy manaraka fombafomba toy izany ve ny zazalahy vao azo lazaina hoe tena lehilahy? Andeha hojerentsika hoe inona no hevitr’Andriamanitra momba izany, araka ny hita ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 3:5, 6.

Fiheveran’Andriamanitra ny famorana

Ny famorana dia fanalana ny hoditra manarona ny lohan’ny filahiana. Nanao famorana ny olona sasany fahiny toy ny Ejipsianina. Tsy fanao teo anivon’ny firenena nisy an’i Abrahama kosa izany. Tsy nifora izy raha tsy efa antitra. Lehilahy tena nahery anefa izy, na dia tamin’izy mbola tsy voafora aza. Rehefa naka babo an’i Lota zana-drahalahiny, ohatra, ny tafiky ny mpanjaka efatra, dia nandresy azy ireo izy na dia lehilahy vitsivitsy monja aza no niaraka taminy. (Genesisy 14:8-16) Efa ho 14 taona taorian’izay Andriamanitra vao nandidy an’i Abrahama, mba hoforana izy sy ny lehilahy rehetra tao an-tranony. Nahoana no nitaky izany Andriamanitra?

Tsy hoe zazalahy lasa zatovo i Abrahama tamin’izay. Efa 99 taona mantsy izy! (Genesisy 17:1, 26, 27) Nanazava ny antony nanomezany ilay didy kosa Andriamanitra, nanao hoe: “Hoforana hianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.” (Genesisy 17:11) Nanao fifanekena tamin’i Abrahama Andriamanitra, ka anisan’io fifanekena io, ny fampanantenany fa amin’ny alalan’i Abrahama, no handrotsahany fitahiana lehibe ho an’ny “firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 12:2, 3) Teo imason’Andriamanitra àry, dia tsy famantarana ny tena lehilahy ny famorana. Natao kosa izy io mba hamantarana fa Israelita taranak’i Abrahama ny olona iray, ary manana tombontsoa tsy manam-paharoa “nanankinana ny teny masin’Andriamanitra.”—Romanina 3:1, 2.

Nivadika tamin’io fifanekena io anefa ny firenen’ny Israely, tatỳ aoriana. Nolavin’izy ireo mantsy i Jesosy Kristy, ilay tena Taranak’i Abrahama. Nolavin’Andriamanitra koa àry izy ireo, ary tsy nanan-kery teo imasony intsony ny naha voafora azy ireo. Mbola nanizingizina ihany anefa ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, fa hoe takin’Andriamanitra ny famorana. (Asan’ny Apostoly 11:2, 3; 15:5) Naniraka an’i Titosy àry ny apostoly Paoly, mba ‘hanitsy ny zavatra tsy nety’ tany anivon’ny fiangonana sasany. Izao no nosoratany ho an’i Titosy: ‘Maro no tsy manaiky hofehezina, mpanao resaka tsy misy fotony ary mpamitaka, indrindra fa ireo mifikitra amin’ny famorana. Ilaina hotampenam-bava ireny olona ireny, satria ireny indrindra no mahatonga ankohonana manontolo hivadika, noho izy mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina, mba hahazoany tombony amin’ny tsy marina.’—Titosy 1:5, 10, 11.

Mbola azo ampiharina ankehitriny io torohevitr’i Paoly io. Anjaran’ny ray aman-dreny ny manapa-kevitra raha hoforany ny zanany na tsia. Tsy tokony ‘hitsabaka’ amin’izany ny Kristianina hafa. (1 Petera 4:15) Manao zavatra tsy araka ny Soratra Masina izy raha manao izany. Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao koa i Paoly, momba ny famorana resahin’ny Lalàn’i Mosesy: “Misy voafora ve fony izy nantsoina? Aoka izy tsy ho tonga tsy voafora. Misy tsy voafora ve fony izy nantsoina? Aoka izy tsy hoforana. Tsy midika ho inona ny famorana, ary tsy midika ho inona ny tsy famorana, fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no izy. Na toy inona na toy inona ny tsirairay fony izy nantsoina, dia aoka izy hitoetra amin’izany.”—1 Korintianina 7:18-20.

Ahoana ny momba ny “sekoly famorana”?

Ahoana raha te hamora ny zanany lahy ny ray aman-dreny kristianina? Mety ve ny handefasany azy any amin’ny sekoly famorana, toy ilay voaresaka etsy aloha? Inona no lazain’ny Baiboly? Tsy ny fanalana ny hoditra manarona ny lohan’ny filahiana fotsiny no atao any amin’ireny sekoly ireny. Mandritra ny herinandro maromaro dia hifanerasera amin’ny ankizilahy sy mpampianatra, tsy mpanompon’i Jehovah, ilay ankizy hoforana. Mifanohitra amin’ny fitsipi-pitondran-tena ambony ao amin’ny Baiboly anefa, ny maro amin’ireo zavatra ampianarina any amin’ireny sekoly ireny. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

Mety hanimba ny vatana koa ny famorana any amin’ireny sekoly ireny, ary mihabetsaka ny loza toy izany ankehitriny. Izao, ohatra, no fampitandremana nomen’ny Gazety Ara-pitsaboan’i Afrika Atsimo (anglisy), tamin’ny 2003: “Nahitana voka-dratsiny mahatsiravina indray ny famorana tamin’ity taona [2003] ity. Samy nanao tatitra avokoa ny fampahalalam-baovao lehibe eran-tany, fa nisy ny maty ary teo koa ny simba filahiana. ... Raha fintinina, dia mpisandoka ny ankamaroan’ireo lazaina fa ‘sekoly famorana’, ary mety hampidi-doza.”

Ankoatra ny mety ho fahasimban’ny vatana, dia tena atahorana hanimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra koa ny fandehanana any amin’ny sekoly famorana. Misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy sy ny fivavahana amin’ny razana mantsy ny fampianarana sy fanao any. Rehefa misy maty, ohatra, ireo ankizy noforana, dia maro no mihevitra fa noho ny mosavy na ny fahatezeran’ny maty no nahatonga izany. Ny tsy fitandremana teo am-pandidiana sy ny loto anefa no tena anton’ilay izy. Mandidy toy izao ny Baiboly mahakasika ny fifandraisana amin’ny fivavahan-diso: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? ... ‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto’, ‘dia handray anareo aho.’ ” (2 Korintianina 6:14-17) Tena tsy fahendrena ho an’ny ray aman-dreny kristianina àry ny mandefa ny zanany lahy any amin’ny sekoly famorana.

Ny atao hoe tena lehilahy

Tsy miankina amin’ny namorana ny lehilahy kristianina iray na tsia, no ilazana fa tena lehilahy izy. Ny tena zava-dehibe amin’ny Kristianina, dia ny hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, fa tsy ny ‘hisehoana ho tsara eo amin’ny nofo.’—Galatianina 6:12.

Tsy maintsy ‘mamora ny fony’ anefa ny Kristianina, mba hahazoany sitraka amin’Andriamanitra. (Deoteronomia 10:16; 30:6; Matio 5:8) Ahoana no anaovany izany? Tsy mila antsy ilay izy. Mila manaisotra ny fanirian-dratsy sy ny fanambonian-tena ao am-pony kosa izy. Tsy hihevitra izy, ohatra, fa ambony noho ny hafa ny olona voafora. Azon’ny Kristianina porofoina fa manana toetran-dehilahy izy, raha miaritra fahoriana sy “mafy orina ao amin’ny finoana.” Afaka manao izany izy, na voafora na tsia.—1 Korintianina 16:13; Jakoba 1:12.