Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mpanao Dika Soratra Fahiny sy ny Tenin’Andriamanitra

Ny Mpanao Dika Soratra Fahiny sy ny Tenin’Andriamanitra

Ny Mpanao Dika Soratra Fahiny sy ny Tenin’Andriamanitra

VITA talohan’ny taona 400 T.K. ny fanoratana ny Soratra Hebreo ao amin’ny Baiboly. Nandritra ireo taona maro taorian’izay, dia nisy manam-pahaizana jiosy mpanao dika soratra, niezaka mafy sy nitandrina tsara rehefa nandika ny Soratra Hebreo. Anisan’izy ireny ny Soferima sy ny Masoreta. Efa arivo taona talohan’ny andron’i Soferima anefa no nanoratana ny boky tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly, izany hoe tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa. Tsy maintsy natao dika soratra imbetsaka àry ireny boky ireny, satria mora simba ny fitaovana nanaovana azy. Inona no fantatsika momba an’ireo mpanao dika soratra tamin’izany fotoana izany? Nahay tsara ny asany ve izy ireo?

Anisan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty ireo sora-tanana amin’ny Baiboly tranainy indrindra, ananantsika ankehitriny. Teo anelanelan’ny taona 300 sy ny taona 101 T.K. no nanaovana dika soratra ny sasany amin’izy ireny. Hoy ny Profesora Alan Millard, mpampianatra arkeolojia sy teny hebreo ary teny akadianina: “Tsy manana dika soratra amin’ny Baiboly tranainy kokoa [noho ireo hita tao amin’ny Ranomasina Maty] isika.” Hoy koa izy: ‘Azo amantarana ny asan’ireny mpanao dika soratra fahiny ireny anefa ny fomba nanaovana dika soratra teo amin’ireo firenena nanodidina an’i Israely. Manjary fantatsika àry ny tantaran’ny Soratra Hebreo sy ny hasarobidin’izy io.’

Ny asan’ireo mpanao dika soratra fahiny

Efa nisy asa soratra momba ny tantara, fivavahana, lalàna, ary zavatra hafa, tany Mezopotamia, efatra arivo taona lasa izay. Be dia be ny sekoly mpampiofana mpanao dika soratra tamin’izany. Anisan’ny fitsipika nampianarin’izy ireny ny hoe tokony hifanaraka tsara amin’ny soratra teo aloha ny dika soratra. Natao dika soratra imbetsaka ny asa soratra babylonianina, nandritra ny arivo taona na mihoatra. Tsy nahita afa-tsy fahadisoana madinika tamin’izy ireny anefa ireo manam-pahaizana.

Tsy tany Mezopotamia ihany no nisy mpanao dika soratra. Hoy ny rakipahalalana momba ny arkeolojia any Proche-Orient: “Nety ho nahay tsara ny fomba fiasan’ireo mpanao dika soratra tany Mezopotamia, Syria, Kanana, ary Ejipta mihitsy aza, ireo mpanao dika soratra babylonianina tamin’ny taonjato faha-16 T.K.” *

Noheverina ho olona ambony ny mpanao dika soratra tany Ejipta, tamin’ny andron’i Mosesy. Tsy nitsahatra nandika asa soratra izy ireo. Mampiseho mpanao dika soratra eo am-panaovana ny asany mihitsy aza ny kisarisary mandravaka ny fasana ejipsianina, izay efa nisy hatramin’ny 4000 taona. Niresaka momba an’ireo mpanao dika soratra tamin’izany fotoana izany, ilay rakipahalalana voatonona etsy ambony. Izao no lazainy: “Nanao dika soratra izy ireo, teo anelanelan’ny taona 1999 ka hatramin’ny 1001 T.K., sady nanangona an’ireo asa soratra momba ny fandrosoan’ny firenena tany Mezopotamia sy Ejipta. Namorona fitsipika mifehy ny asan’ny mpanao dika soratra koa izy ireo.”

Anisan’io “fitsipika” io ny fanomezana fanazavana eo amin’ny faran’ilay dika soratra. Ireto avy izany: ny anaran’ilay mpanao dika soratra, ny tompon’ilay takelaka, ny daty, ny asa soratra nadika ho ao amin’ilay takelaka, ny isan’ny andalana, ary ny toy izany. Nanampy an’izao teny izao koa matetika ireo mpanao dika soratra: “Nadika sy nampitahaina tamin’ny soratra tany am-boalohany.” Mampiseho izany rehetra izany fa nitandrina be ireo mpanao dika soratra fahiny, mba ho araka ny tena marina ny dika soratra nataony.

Hoy ihany ny Profesora Millard, noresahina tetsy aloha: “Miharihary fa nisy fomba fiasa narahin’ireo mpanao dika soratra, mba hisorohana ny fahadisoana. Anisan’izany ny fanamarinana sy ny fanitsiana ilay soratra. Nampiasain’ny Masoreta tamin’ny Moyen Âge koa ny sasany tamin’ireny fomba fiasa ireny, indrindra fa ny fanisana andalana na teny.” Hita avy amin’izany àry fa efa zatra nitandrina tsara ny olona tany Moyen-Orient, tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa, mba ho araka ny tena marina ny fandikana ireo asa soratra.

Nisy mpanao dika soratra mahay koa ve teo amin’ny Israely? Inona no asehon’ny Baiboly?

Mpanao dika soratra teo amin’ny Israely

Notezaina tao an-tranon’i Farao i Mosesy. (Eksodosy 2:10; Asan’ny Apostoly 7:21, 22) Araka ny voalazan’ireo mpandinika ny fomba amam-panao tany Ejipta fahiny, dia anisan’ny zavatra nampianarina an’i Mosesy ny fahaizana mamaky sy manoratra ny soratra ejipsianina, ary ny asan’ny mpanao dika soratra. Hoy ny Profesora James Hoffmeier, tao amin’ny boky nosoratany: ‘Marina tokoa ny voalazan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa nanana ny fahaizana nilaina i Mosesy, mba hanaovana ny asan’ny mpanao dika soratra, sy handraisana an-tsoratra ny zava-nitranga sy ny dia nataon’izy ireo.’ *

Miresaka olon-kafa, tany Israely fahiny, izay nahay ny asan’ny mpanao dika soratra koa ny Baiboly. Milaza ny boky Ny Tantaran’ny Baiboly Navoakan’i Cambridge (anglisy), fa ‘nanendry mpitondra nahay nanoratra [i Mosesy] mba handray an-tsoratra ny fanapahan-kevitra noraisina sy ny fomba handaminana ny vahoaka.’ Milaza izany io boky io, satria hoy ny Deoteronomia 1:15: ‘Ary nalaiko [Mosesy] ny lohan’ny firenenareo, dia nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimampolo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ny firenenareo.’ Iza moa ireo mpitondra ireo?

Hita matetika amin’ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly, miresaka ny andron’i Mosesy sy Josoa, ny teny hebreo nadika hoe “mpitondra.” Misy manam-pahaizana maro manazava, fa io teny io dia midika hoe “mpitan-tsoratra” na “mpanoratra” na koa “mpitan-tsoratry ny mpitsara.” Miseho imbetsaka io teny hebreo io. Midika izany fa nisy maro tamin’ireny mpitan-tsoratra ireny tany Israely fahiny, ary nanana andraikitra lehibe maro izy ireo tamin’ny fitantanana ilay firenena.

Momba an’ireo mpisorona teo amin’ny Israely ny ohatra fahatelo. Milaza ny Rakipahalalana Judaica (anglisy), fa “nila nahay nanoratra izy ireo mba hanatontosany ny andraikiny, na ara-pivavahana izany na tsia.” Nandidy ny taranak’i Levy toy izao, ohatra, i Mosesy: ‘Isam-pito taona, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ny Israely rehetra ny tenin’ity lalàna ity.’ Ny mpisorona no nanjary mpitahiry ny sora-tanan’ny Lalàna, izay nilaina rehefa nisy olona naniry hanao dika soratra azy io. Izy ireo koa no nanome alalana sy nanara-maso ny fanaovana ireo dika soratra tatỳ aoriana.—Deoteronomia 17:18, 19; 31:10, 11.

Diniho ny fomba nanaovana ny sora-tanana voalohany amin’ny Lalàna. Nilaza tamin’ny Israelita toy izao i Mosesy, tamin’ny fotoana faramparany niainany: “Amin’ny andro izay hitànareo an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay; dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” (Deoteronomia 27:1-4) Nivory teo afovoan’ny Tany Nampanantenaina, teo amin’ny Tendrombohitra Ebala ny Israelita, taorian’ny nandravana an’i Jeriko sy Ay. Nanoratra ny “dikan’ny lalàn’i Mosesy” tamin’ny vaton’ny alitara tokoa i Josoa, teo amin’io toerana io. (Josoa 8:30-32) Tsy ho nilaina izany soratra izany, raha tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny olona. Midika izany fa tena nanana ny fahaizana nilaina ny Israelita fahiny, mba hihazonana ny Soratra Masina ho araka ny marina foana.

Tsy niova ny Soratra Masina

Nisy horonam-boky hafa ao amin’ny Baiboly anisan’ny Soratra Hebreo, natao taorian’ny andron’i Mosesy sy Josoa, ary maro ny dika soratra natao avy tamin’izy ireny. Tsy maintsy nanaovana dika soratra vaovao ireny horonana ireny, rehefa nitady ho simban’ny hamandoana na bobongolo. Nitohy nandritra ny taonjato maro izany fanaovana dika soratra izany.

Nisy fahadisoana ihany tamin’ilay zavatra nadika, na dia nitandrina mafy aza ireo mpanao dika soratra. Nanova be ny Baiboly ve anefa izany? Tsia. Fahadisoana madinika ihany izy ireny, tamin’ny ankapobeny, ka tsy nampiova ny Baiboly. Mifanaraka akaiky amin’ny tany am-boalohany izy io, rehefa nampitahaina tamin’ny sora-tanana tranainy.

Mbola manaporofo amin’ny Kristianina ny fahamarinan’ireo boky voalohany ao amin’ny Baiboly koa ny fiheveran’i Jesosy Kristy azy ireny. Hoy mantsy izy: “Tsy novakinareo ve ny ao amin’ny bokin’i Mosesy?”, “Tsy i Mosesy ve no nanome anareo ny Lalàna?” Nasehon’i Jesosy tamin’izany teniny izany, fa araka ny marina tsara ireo sora-tanana nisy tamin’ny androny. (Marka 12:26; Jaona 7:19) Mbola nohamafisiny koa fa mifanaraka akaiky amin’ny tany am-boalohany ny Soratra Hebreo, rehefa nilaza izy hoe: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.”—Lioka 24:44.

Afaka matoky àry isika fa nadika araka ny marina foana ny Soratra Masina, hatrany am-piandohana. Marina tokoa ny tenin’i Isaia mpaminany, izay nahazo herin’ny fanahy masina, ka nilaza hoe: “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Niresaka momba ny tanàna kananita iray atao hoe Kiriata-sefera i Josoa, niaina tamin’ny taonjato faha-16 T.K. Midika hoe “Tanànan’ny Boky” na “Tanànan’ny Mpanao Dika Soratra” ny hoe Kiriata-sefera.—Josoa 15:15, 16.

^ feh. 12 Hita avy amin’ny Eksodosy 24:4, 7; 34:27, 28 sy Deoteronomia 31:24-26, fa i Mosesy no nandray an-tsoratra ireo filazana momba ny raharaha ara-pitsarana. Nandray an-tsoratra hira iray koa izy, araka ny hita ao amin’ny Deoteronomia 31:22, ary nanoratra fitantarana momba ny dia tany an-tany efitra, araka ny Nomery 33:2.

[Sary, pejy 18]

Ejipsianina manao dika soratra

[Sary, pejy 19]

Tamin’ny andron’i Mosesy no nanoratana ny boky tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly