Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy ve ny Fahagagana?

Tena Misy ve ny Fahagagana?

Tena Misy ve ny Fahagagana?

MPIVAVAKA ilay rangahy, ka nahasarika azy avy hatrany ilay soratra teo amin’ny fiara iray nandalo, nanao hoe: “Tena Misy ny Fahagagana. Anontanio Ange ny Anjely e!” Tsy nazava taminy anefa ilay izy, na dia mpivavaka aza izy. Nidika ve io soratra io fa nino ny fisian’ny fahagagana ilay mpamily? Sa eson-teny fotsiny izy io, mba hilazana fa tsy mino ny fahagagana sy ny anjely izy?

Mety hahaliana anao ny tenin’ilay mpanoratra alemà atao hoe Manfred Barthel. Nilaza izy fa ‘mampifanditra ny olona ny teny hoe fahagagana.’ Mihevitra ny olona mino ny fahagagana fa mitranga matetika izy ireny. * Nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, ohatra, dia nilaza ny olona sasany tany Gresy, fa misy fahagagana foana indray mandeha isam-bolana. Izany no nahatonga ny eveka iray ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika hampitandrina hoe: “Heverin’ny olona mino ny fahagagana ho toy ny olombelona mihitsy Andriamanitra sy Maria ary ny olo-masina. Tsy tokony hanita-dresaka anefa izy ireo.”

Vitsy kosa anefa no mino ny fahagagana, any amin’ny tany sasany. Tokony ho telo ampahefatry ny mponina any Alemaina no tsy mino fa misy ny fahagagana, araka ny fanadinadinana iray natao tany, tamin’ny taona 2002. Mino izany kosa anefa ny ampahefatr’izy ireo. Nisy vehivavy telo, ohatra, nilaza fa nahazo hafatra avy tamin’i Maria Virjiny, izay niaraka tamin’ny anjely sy voromailala iray. Izao no voalaza tao amin’ny gazety alemà iray, volana vitsivitsy taorian’izay: “Olona 50 000 eo ho eo izao no tonga ao amin’ilay tanàna, hanaraka akaiky ny fahitana azon’ireo vehivavy ireo. Mitady fanasitranana ny sasany, fa mba liana te hahafanta-javatra fotsiny ny hafa.” Voalaza fa mbola hisy olona 10 000 hirohotra ho ao amin’ilay tanàna, mba hijery an’i Maria raha hiseho indray izy. Nolazaina fa niseho tany Lourdes, any Frantsa, koa i Maria Virjiny tamin’ny 1858, ary tany Fátima, any Portogaly, tamin’ny 1917.

Ahoana ny amin’ireo fivavahana tsy kristianina?

Saika ny fivavahana rehetra no mino fa misy ny fahagagana. Hazavain’ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy), fa samy nanana ny heviny momba ny fahagagana ny olona namorona ny Bodisma sy ny Kristianisma ary ny fivavahana silamo. Izao koa anefa no fanamarihana hita ao: “Porofoin’ny tantaran’ireo fivavahana ireo mazava tsara, fa efa nino ny fisian’ny fahagagana sy ny tantara momba izany foana ny olona hatramin’izay.” Milaza io boky io fa “indraindray dia nanao fahagagana koa i Bouddha”, ilay olona namorona ny Bodisma. Tatỳ aoriana, rehefa “niely tany Chine ny Bodisma, dia nanao fahagagana matetika ireo misionera bodista.”

Niresaka momba ny sasany tamin’izany io rakipahalalana io, ary izao no famaranan-teniny: “Mety hisy olona tsy hanaiky ireny tantara rehetra momba ny fahagagana ireny. Azo antoka fa noforonina izy ireny mba hanindrahindrana an’i Bouddha, satria avy aminy ny hery nahafahan’ireo mpanara-dia azy nafana fo hanao ireny fahagagana ireny.” Hoy ihany io boky io momba ny fivavahana silamo: ‘Mbola manantena fahagagana foana ny ankamaroan’ny Silamo. Araka ny lovantsofina (hadīths), dia nanao fahagagana imbetsaka teo imason’ny olona i Mahometa [mpamorona ny fivavahana silamo]. Na ny olo-masina efa maty aza dia heverina fa mahavita fahagagana eo amin’ny fasany, hany ka mivavaka amin’izy ireo ny olona mba hahazoana fanampiana.’

Ahoana ny amin’ny Kristianisma?

Tsy mitovy hevitra koa ny olona maro manaraka ny Kristianisma. Mino ny sasany fa tena nisy ireo fahagagana lazain’ny Baiboly fa nataon’i Jesosy Kristy sy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Maro koa anefa no miombon-kevitra amin’i Martin Luther, ilay Mpitondra Fanavaozana Protestanta. Izao no voalaza momba azy ao amin’ilay Rakipahalalana Momba ny Fivavahana: “Na i Luther na i Calvin, dia samy nilaza fa efa tapitra ny andron’ny fahagagana, ary tsy tokony hanantena izany intsony isika.” Milaza koa io boky io fa mino ny fisian’ny fahagagana foana ny Eglizy Katolika, nefa tsy “miezaka hanazava ny fomba nitrangan’izy ireny.” Etsy an-danin’izany anefa, “dia mihevitra ny Protestanta avara-pianarana, fa ny fitondran-tena no tena zava-dehibe ho an’ny Kristianina. Mino izy ireo fa tsy mifandray firy amin’ny olona, sady tsy mifehy ny fiainan’izy ireo Andriamanitra sy ireo fanahy.”

Misy indray olona milaza azy ho Kristianina, nefa tsy mino hoe tena nisy ireo fahagagana resahin’ny Baiboly. Anisan’izany ny mpitondra fivavahana sasany. Raiso, ohatra, ny tantaran’ilay roimemy nirehitra ao amin’ny Eksodosy 3:1-5. Misy teolojianina alemà mihevitra fa tsy tena nitranga io fahagagana io, araka ilay boky hoe Inona Marina no Lazain’ny Baiboly? (anglisy). Lazain’izy ireo kosa fa “sarin-teny izy io, ilazana ny adin-tsain’i Mosesy, izay nenjehin’ny eritreriny sy nanenina.” Hoy koa ilay boky: “Ireo lelafo kosa dia azo heverina ho voninkazo, izay namelana rehefa azon’ilay hazavana namirapiratra avy tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra.”

Mety tsy hahafa-po anao izany fanazavana izany. Inona àry no tokony hinoanao? Azo inoana tokoa ve fa nisy ny fahagagana? Ary ahoana ny amin’ireo fahagagana lazain’ny olona fa mitranga ankehitriny? Tsy afaka manontany ny anjely isika, ka iza no azo anontaniana?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Iaraha-manaiky fa milaza ny Baiboly hoe nanao zavatra tsy vitan’ny olombelona Andriamanitra fahiny. Izao no voalaza momba azy: “Nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta Hianao tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tànana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe.” (Jeremia 32:21) Eritrereto fa nampietry ny firenena natanjaka indrindra tamin’izany andro izany Andriamanitra, rehefa namely azy tamin’ny loza folo, anisan’izany ny fahafatesan’ny lahimatoa rehetra. Fahagagana tokoa izany!—Eksodosy toko faha-7 hatramin’ny faha-14.

Milaza ny mpanoratra ny Filazantsara fa nanao fahagagana 35 teo ho eo i Jesosy, taonjato maro tatỳ aoriana. Toa mihoatra an’izany aza ny isany, rehefa jerena izay nosoratan’izy ireo. Tena marina ve ny voalazan’ireo filazantsara? *Matio 9:35; Lioka 9:11.

Raha tena Tenin’Andriamanitra sady marina ny Baiboly, dia tena azonao inoana fa nisy tokoa ireo fahagagana resahiny. Voaresaka ao mazava tsara ireo fahagagana nitranga fahiny, anisan’izany ny fanasitranana, fananganana ny maty, sy ny toy izany. Lazainy mazava tsara koa anefa, fa tsy misy intsony ny fahagagana toy ireny amin’izao andro izao. (Jereo ilay efajoro hoe “Nahoana no Tsy Misy Fahagagana toy ny Taloha Intsony?”, pejy 4.) Midika ve izany fa na dia ny olona mino ny Baiboly aza, dia tsy mino ny fisian’ireo fahagagana amin’izao andro izao? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Toy izao no amaritan’ny diksionera ara-baiboly iray ny teny hoe “fahagagana”: “Zavatra tsy vitan’ny herin’ny olombelona sy ny herin’ny natiora, ka lazaina fa avy amin’ny hery ambony noho ny an’ny olombelona.” Io no hevitry ny hoe fahagagana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 14 Mba hahitanao porofo fa azo inoana tokoa ny Baiboly, dia jereo ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 4]

NAHOANA NO TSY MISY FAHAGAGANA TOY NY TALOHA INTSONY?

Miresaka karazana fahagagana samihafa ny Baiboly. (Eksodosy 7:19-21; 1 Mpanjaka 17:1-7; 18:22-38; 2 Mpanjaka 5:1-14; Matio 8:24-27; Lioka 17:11-19; Jaona 2:1-11; 9:1-7) Maro tamin’izy ireny no natao hanaporofoana fa i Jesosy no Mesia, ary nomba azy i Jehovah. Nanana fahaizana mahagaga ny mpianatr’i Jesosy voalohany, anisan’izany ny fitenena amin’ny fiteny hafa sy ny fanambarana faminaniana. (Asan’ny Apostoly 2:5-12; 1 Korintianina 12:28-31) Tena nila an’ireny fahaizana mahagaga ireny ny fiangonana kristianina, tamin’izy io vao niforona. Nahoana?

Vitsy no nanana ny Soratra Masina tamin’izany andro izany. Ny mpanankarena ihany mazàna no nanana horonana sy boky. Tsy nahafantatra ny Baiboly sy Jehovah, ilay nampanoratra azy io, koa ny firenena mpanompo sampy. Ary tsy maintsy nampitaina am-bava ny fampianarana kristianina. Nilaina àry ny fahaizana mahagaga, mba hanaporofoana fa nampiasa ny fiangonana kristianina Andriamanitra.

Nohazavain’i Paoly anefa fa hitsahatra ireny fahaizana mahagaga ireny, rehefa tsy ilaina intsony. “Na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny hafa, dia hitsahatra izany, ary na misy aza ny fahalalana, dia hofoanana izany. Fa ampahany ihany ny fahalalantsika, ary ampahany ihany ny faminaniana ambarantsika, fa rehefa tonga izay feno, dia hofoanana izany ampahany izany.”—1 Korintianina 13:8-10.

Manana Baiboly sy boky fizahan-teny ary rakipahalalana ny olona ankehitriny. Misy Kristianina enina tapitrisa mahery efa nahazo fiofanana koa, manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Baiboly. Noho izany, dia tsy ilaina intsony ny fahagagana, mba hanaporofoana fa i Jesosy Kristy no notendren’Andriamanitra ho Mpamonjy. Tsy ilaina koa izy ireny, mba hanaporofoana fa momba ny mpanompony i Jehovah ankehitriny.