Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Araka ny fandraisan’ny sasany ny 1 Tantara 20:3 sy ny 2 Samoela 12:31, dia nampijaly tamin-kabibiana ireo babony i Davida, lehilahy araka ny fon’Andriamanitra. Marina ve izany?

Tsia. Nomelohin’i Davida hanao asa an-terivozona fotsiny ireo Amonita babony. Diso fandray ny zavatra nataon’i Davida ny olona, noho ny fomba nandikana ireo andinin-teny ireo ao amin’ny Baiboly sasany.

Toy ny hoe olona lozabe i Davida, rehefa jerena ny ilazan’ireo fandikan-teny ireo ny fomba nitondrany ireo Amonita. Toy izao, ohatra, no ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta ny 1 Tantara 20:3: “Navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ny tsofa sy tamin’ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra.” Mitovy amin’izany koa no andikana ny 2 Samoela 12:31.

Nomarihin’i Samuel Driver, manam-pahaizana momba ny Baiboly anefa, fa “tsy mifanaraka amin’izay fantatsika momba ny toetran’i Davida mihitsy [izany mampijaly izany].” Misy fanazavana toy izao ao amin’ny Baiboly Vatofantsika (anglisy): “Nitady tombony avy tamin’ilay faritra nobaboiny i Davida, ka nalaminy ireo babo mba samy hanana ny asany. Nahazatra ireo mpanjaka nandresy izany fanao izany.” Hoy koa i Adam Clarke: “Midika àry izany fa nataon’i Davida ho andevo ireo olona ireo, ary nampiasainy hanatsofa, hanamboatra ragiragy, na hitrandraka harena an-kibon’ny tany, ... sy hikapa hazo, ary hanao biriky. Tsy milaza io andinin-teny io fa nanatsofa, nikapa tamin’ny famaky, ary nitetika olona i Davida. Tsy ho nanao izany tamin’ireo Amonita izy.”

Hita amin’ireo fandikan-teny hafa koa izany fanazavana marina kokoa izany, ka asehony mazava fa tsy tokony hampangaina ho nanao habibiana i Davida. * Toy izao, ohatra, no ilazan’ny Fandikan-teny Katolika azy: “Ny vahoaka hita tao dia navoakany ka napetrany hiasa amin’ny tsofa, sy ny pika vy, mbamin’ny famaky vy, ary nafindrany tamin’ny fanefem-biriky. Nataony toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amona.” (2 Samoela 12:31) Milaza toy izao ny Baiboly Fandikan-teny Anglisy Vaovao (2003): “Nalainy ny olona tao an-tanàna ary nasainy niasa tamin’ny tsofa, pika vy, ary famaky. Izany no nataon’i Davida tamin’ny tanàna rehetran’ny Amonita.” (1 Tantara 20:3) Mifanaraka amin’ny fanazavana farany navoakan’ny manam-pahaizana koa ny ilazan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy io, hoe: “Navoakany ny olona tao, ka nasainy nanatsofa vato sy nanamboatra fitaovana vy maranitra sy famaky, sady nasainy nanao biriky.” (2 Samoela 12:31) “Navoakany ny olona tao, ka nampiasainy hanatsofa vato sy hanamboatra fitaovana vy maranitra sy famaky; izany no nataon’i Davida tamin’ny tanàna rehetran’ny taranak’i Amona.”—1 Tantara 20:3.

Tsy nampijaly tamin-kalozana ireo Amonita resiny àry i Davida, na namono azy ireo tamin-kabibiana. Tsy nanahaka ny habibian’ny olona tamin’ny ady tamin’izany andro izany izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Raha ovana kely fotsiny ny litera iray amin’ilay soratra hebreo, dia lasa toy ny hoe “nataony tao amin’ny tsofa izy ireo” na ‘notapahiny tamin’ny tsofa.’ Ambonin’izany, ilay teny hoe “fandoroam-biriky” dia mety hidika koa hoe “lasitra fanaovam-biriky.” Kely loatra ireny lasitra ireny, ka tsy ho antonona olona mihitsy.