Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahay Miandry ve Ianao?

Mahay Miandry ve Ianao?

Mahay Miandry ve Ianao?

AZONAO an-tsaina ve hoe toy inona moa ny habetsaham-potoana lanin’ny olona amin’ny fiandrasana fotsiny, isan-taona? Miandry izy ireo rehefa milahatra any amin’ny mangazay lehibe na any amin’ny fivarotan-dasantsy. Miandry ny handrosoana sakafo izy ireo any amin’ny hotely fisakafoana. Miandry izy ireo rehefa manatona dokotera na mpitsabo nify. Miandry aotobisy na fiarandalamby, izy ireo. Eny, lany iandrasana zavatra hiseho ny ankabeazan’ny fotoana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, ary mahagaga ny habetsahan’izany fotoana lany izany. Raha ny Alemà fotsiny no resahina, dia voalazan’ny fanombanana iray natao fa very 4,7 arivo tapitrisa ora isan-taona izy ireo, noho ny fiandrasana fotsiny, vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana! Araka ny kajy nataon’ny olona iray, dia mitovy amin’ny fitambaran’ny fanantenam-pahaveloman’ny olona 7 000 eo ho eo izany.

Mety ho tena hahakivy ny miandry. Ankehitriny, dia toa tsy ampy mihitsy ny fotoana hanaovana ny zava-drehetra, ary mety hahatonga ny fiandrasana ho tena fisedrana ny fieritreretana ny amin’ireo zavatra hafa tokony hataontsika. Nilaza toy izao, indray mandeha, ilay mpanoratra atao hoe Alexander Rose: “Ny antsasaky ny fijaliana eo amin’ny fiainana dia fiandrasana.”

Niaiky ilay mpitondra fanjakana amerikanina atao hoe Benjamin Franklin, fa mety hovidina lafo koa ny fiandrasana. Izao no nomarihiny, efa maherin’ny 250 taona lasa izay: “Ny fotoana dia vola.” Izany no antony itadiavan’ny mpandraharaha fomba hialana amin’ny fahatarana tsy amin’ny antony eo amin’ny fizotran’ny asa. Mety hidika ho tombony be kokoa ny famokarana entam-barotra maro kokoa, ao anatin’ny fotoana fohy kokoa. Ny fandraharahana izay miasa mivantana ho an’ny besinimaro, dia miezaka hanao asa haingana: hani-masaka, fankanesana any amin’ny banky nefa tsy voatery miala ao anaty fiara, sy ny toy izany. Fantatr’izy ireo manko fa anisan’ny fanomezana fahafaham-po ny client ny fampihenana ny fotoana hiandrasany.

Fandanilaniam-poana ny androm-piainantsika

Nitaraina toy izao, indray mandeha, i Ralph Waldo Emerson, poety amerikanina iray tamin’ny taonjato faha-19: “Very amin’ny fiandrasana ny ankabeazan’ny fiainan’olombelona!” Vao haingana kokoa, ilay mpanoratra atao hoe Lance Morrow dia nitaraina ny amin’ny fahasorisorena sy ny tsy fahazoana aina entin’ny fiandrasana. Avy eo anefa dia niresaka ny amin’ “ilay fahoriana an-kolaka kokoa vokatry ny fiandrasana” izy. Inona izany? “Ny fahalalana fa nangalarina sy very tsy azo avotana intsony ny fananan’ny tena sarobidy indrindra, dia ny fotoana, izany hoe ny ampahany amin’ny fiainan’ny tena.” Mampalahelo izany, nefa marina. Very mandrakizay ny fotoana very noho ny fiandrasana.

Mazava ho azy fa raha tsy fohy toy izao ny fiainana, dia tsy hiteraka fanahiana firy ny fiandrasana. Fohy anefa ny fiainana. An’arivony taona maro lasa izay, dia hoy ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10). Na aiza na aiza onenantsika ary na iza isika na iza, dia voafetra ny fiainantsika, izany hoe ny andro sy ora ary minitra mivelatra eo anoloantsika rehefa teraka isika. Tsy afa-miala amin’ireo toe-javatra izay mahavoatery antsika handanilany foana ny sasany amin’izany fotoana sarobidy izany anefa isika, noho ny fiandrasana olona na fisehoan-javatra.

Fianarana miandry

Ny ankamaroantsika dia efa nandeha fiara niaraka tamina mpamily iray izay miezaka tsy an-kijanona ny hihoatra ny fiara eo alohany. Matetika no tsy misy zavatra tena mahadodona, satria tsy manana fotoana maika enjehina ilay mpamily. Na izany aza, dia tsy tantiny ny hoe mpamily hafa no hamaritra ny fandehany. Ny tsy fananany faharetana dia mampiseho fa tsy nianatra ny niandry izy. Nianatra hoe? Eny, lesona tsy maintsy ianarana ny fahaiza-miandry. Tsy voajanahary ao amin’ny olona akory izy io. Mitaky fanehoam-piheverana eo no ho eo ny zazakely rehefa noana na tsy mahazo aina. Rehefa mihalehibe izy vao mahatakatra fa voatery miandry izy, indraindray, vao mahazo izay tadiaviny. Koa satria àry tapany tsy afa-misaraka amin’ny fiainana ny fiandrasana, dia marika mampiavaka ny olona matotra ny fahaiza-miandry amim-paharetana rehefa ilaina izany.

Mazava ho azy fa misy toe-javatra ilana hanaovan-javatra maika, hany ka tsy mahagaga raha tsy manam-paharetana ny olona ao anatin’izany. Rariny raha tsy manam-paharetana eo anoloan’ny fitavozavozana ny lehilahy tanora iray, izay miolomay hitondra ny vadiny any amin’ny hopitaly, satria efa ho teraka ny vadiny. Ireo anjely nampirisika mafy an’i Lota handao an’⁠i Sodoma dia tsy vonona ny hiandry rehefa nitavozavoza i Lota. Efa antomotra ny fandravana ka notandindomin-doza ny ain’i Lota sy ny fianakaviany. (Genesisy 19:15, 16). Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, dia tsy misy aina tandindomin-doza rehefa voatery miandry ny olona. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety hahafinaritra lavitra ny tarehin-javatra raha mianatra ny hanam-paharetana ny rehetra, na dia noho ny tsy fahaizana na ny tsy firaikan’ny olona iray aza no mahatonga ilay fiandrasana. Ankoatra izany, dia ho mora kokoa ny hanam-paharetana raha mianatra mampiasa amin’ny fomba andraisan-tsoa ny fotoana lany amin’ny fiandrasana, ny rehetra. Ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-5 dia manome soso-kevitra sasany ny amin’izay azo atao mba hahatonga ny fiandrasana tsy hoe ho azo iaretana fotsiny, fa handraisan-tsoa mihitsy koa aza.

Tsy azo odian-tsy hita fa ny toe-tsaina tsy manam-paharetana dia mety ho taratry ny toe-tsaina feno fiavonavonana, dia ny fiheveran-tena ho zavatra loatra ka hoe tsy tokony hampiandrasina. Mendrika hoheverin’izay manana toe-tsaina toy izany ireto teny manaraka avy ao amin’ny Baiboly ireto: “Tsara ny [manam-paharetana, NW ] noho ny miavonavom-panahy”. (Mpitoriteny 7:⁠8). Ny fieboeboana na ny avonavona dia kileman-toetra lehibe, ary milaza toy izao ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po”. (Ohabolana 16:⁠5). Noho izany, dia mety hitaky ny handinihantsika akaiky ny tenantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny olona manodidina antsika ny fianarana maneho faharetana, izany hoe ny fianarana miandry.

Hovalian-tsoa ny faharetana

Ara-dalàna raha hitantsika ho mora kokoa ny miandry raha miaiky isika fa mendrika ny handrasana ilay zavatra andrasantsika, ary tena ho avy ilay izy amin’ny farany. Amin’io lafiny io, dia tsara ny hisaintsainana ny hoe miandry ny hahatanterahan’ireo fampanantenana kanto nomen’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly, ireo mpivavaka aminy tso-po rehetra. Ilazana toy izao isika, ohatra, ao amin’ny salamo iray ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Naverin’ny apostoly Jaona io fampanantenana io rehefa nilaza toy izao izy: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (Salamo 37:29; 1 Jaona 2:17). Mazava fa raha afaka miaina mandrakizay isika, dia tsy ho zava-manahirana lehibe ny fiandrasana. Tsy miaina mandrakizay anefa isika ankehitriny. Mihevitra ny zava-misy akory àry ve ny firesahana ny amin’ny fiainana mandrakizay?

Alohan’ny hamaliana izany, dia mariho fa namorona ny ray aman-drenintsika voalohany hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay, Andriamanitra. Noho izy ireo nanota fotsiny no namoizany an’io fahatsinjovana fiainana mandrakizay io, tsy ho azy mivady ihany fa ho an’ny taranany koa, anisan’izany isika. Taorian’ny nanotan’izy ireo avy hatrany anefa, dia nanambara ny fikasany hanafoana ny vokatry ny tsy fankatoavan’izy ireo Andriamanitra. Nampanantena izy fa hisy “taranaka” iray ho avy, izay hita ho i Jesosy Kristy.​—Genesisy 3:15; Romana 5:⁠18.

Anjarantsika ny manapa-kevitra raha handray soa avy amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenany ny tenantsika. Hila faharetana ny fanaovana izany. Mba hanampiana antsika hianatra izany karazam-paharetana izany, dia mampirisika antsika hisaintsaina ny ohatry ny mpamboly iray, ny Baiboly. Mamafy ny voany izy, ary tsy misy azony atao afa-tsy ny miandry amim-paharetana ka manao izay azony atao mba hiarovana ny voliny, mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Amin’izay dia valian-tsoa ny faharetany, ary mahita ny vokatr’ilay asa mafy nataony izy. (Jakoba 5:⁠7). Manonona oha-paharetana hafa iray ny apostoly Paoly. Mampahatsiahy antsika ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky fahiny izy. Niandrandra ny hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra izy ireo, kanefa tsy maintsy niandry ny fotoana voatondron’Andriamanitra izy ireo. Mampirisika antsika i Paoly mba hanahaka ireo “mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana”.​—Hebreo 6:11, 12.

Eny, zava-misy tsy azo ialana eo amin’ny fiainana ny fiandrasana. Tsy voatery ho loharanom-pijaliana tsy an-kijanona anefa izy io. Ho an’ireo izay miandry ny hahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia afaka ny ho loharanom-pifaliana izy io. Afaka mameno ny fotoana lany amin’ny fiandrasana izy ireo, amin’ny fambolena fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra sy amin’ny fanaovana asa mampiseho ny finoany. Ary amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ary ny fisaintsainana, dia afaka mamboly fitokisana tsy azo hozongozonina izy ireo fa hitranga amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra ny zavatra rehetra nampanantenainy.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

AHENAO NY FIJALIANA ENTIN’NY FIANDRASANA!

Manaova fandaharana mialoha! Raha fantatrao fa tsy maintsy hiandry ianao, dia manomàna zavatra hovakina na hosoratana, na miomàna hanao korise, na manaova asa mahasoa hafa.

Ampiasao mba hisaintsainana ilay fotoana, satria mihasarotra ny fanaovana izany eto amin’ity tontolontsika mirotoroto ity.

Asio zavatra azo vakina eo akaikin’ny telefaonina mba hampiasainao raha hampiandrasina olon-kafa amin’ny telefaonina ianao; afaka ny hahavaky pejy maromaro ianao ao anatin’ny dimy na folo minitra.

Rehefa eo anivon’ny antokon’olona iray ianao no miandry, dia hararaoty hanombohan-dresaka amin’ny hafa sy hiresahana hevitra mampahery amin’izy ireo izany, raha mety.

Mitahiriza taratasy na zavatra azo vakina ao anaty fiaranao, ho amin’ny fotoam-piandrasana tsy ampoizina.

Akimpio ny masonao, makà aina, na mivavaha.

MIANKINA INDRINDRA AMIN’NY TOE-TSAINA SY NY FIERITRERETANA MIALOHA, NY FIANDRASANA AMIM-PAHOMBIAZANA.