Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana no ho Tonga ny Farany?

Rahoviana no ho Tonga ny Farany?

Hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha fa milaza ny Baiboly hoe tsy ho potika ny tany ary tsy ho faty daholo ny olombelona, amin’ny faran’izao tontolo izao. Ny rafitra naorin’ny olombelona sy izay manohana azy io kosa no hifarana. Lazain’ny Baiboly ve anefa hoe rahoviana no horavana ity tontolo ratsy ity?

ERITRERETO IRETO TENIN’I JESOSY IRETO:

“Miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”​—MATIO 25:13.

“Mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.”​—MARKA 13:33.

Tsy misy olombelona mahafantatra àry hoe rahoviana marina no ho tonga ny faran’izao tontolo izao. Efa nametraka “fotoana voatondro” anefa Andriamanitra, izany hoe “andro sy ora” voafaritra tsara. (Matio 24:36) Tsy misy fomba hamantarantsika mihitsy ve izany hoe rahoviana no ho tonga ny farany? Tsy izany mihitsy. Misy zavatra maromaro hitranga aloha kelin’ny hahatongavan’ny farany ary nasain’i Jesosy nandinika an’izany ny mpianany.

NY FAMANTARANA NOMEN’I JESOSY

Nilaza i Jesosy hoe rehefa mitranga ireto zavatra ireto dia izay no ho famantarana “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa.” (Matio 24:3, 7) Nilaza koa izy fa hisy “areti-mandringana.” (Lioka 21:11) Efa mitranga amin’izao ve ireo faminanian’i Jesosy ireo?

Mijaly ny olona amin’izao vokatry ny ady, mosary, horohoron-tany, ary ny aretina samihafa. Nisy horohoron-tany mahery be, ohatra, tany amin’ny Oseana Indianina tamin’ny 2004. Niteraka tsunami izany ka olona 225 000 teo ho eo no maty. Niparitaka koa ny COVID-19 ka olona 2 600 000 teo ho eo no maty eran-tany, tao anatin’ny herintaona. Nilaza i Jesosy hoe ireny zava-mitranga ireny no hahafantarantsika hoe efa hifarana izao tontolo izao.

“ANDRO FARANY”

Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” ny fotoana aloha kelin’ny faran’izao tontolo izao. (2 Petera 3:3, 4) Hiharatsy be mihitsy ny toetran’ny olona amin’ny andro farany, araka ny 2 Timoty 3:1-5. (Jereo ilay efajoro hoe “ Aloha Kelin’ny Faran’izao Tontolo Izao”) Tsy hitanao ve hoe tia tena, tsy mety afa-po, mahery setra, ary tsy mifankatia ny olona amin’izao? Manaporofo koa izany hoe efa akaiky hifarana izao tontolo izao.

Haharitra ela be ve ny andro farany? Tsia. Milaza mantsy ny Baiboly hoe ho fotoana “fohy” ihany izany. Haringan’Andriamanitra avy eo “izay manimba ny tany.”​—Apokalypsy 11:15-18; 12:12.

KELY SISA DIA HO PARADISA NY TANY!

Efa nofaritan’Andriamanitra hoe rahoviana ny andro sy ora hamaranany an’ity tontolo ratsy ity. (Matio 24:36) Tsy izay ihany anefa! “Tsy tiany hisy ho ringana” koa ny olona. (2 Petera 3:9) Avelany hianatra sy hanaraka ny fitsipiny isika. Tsy tiany ho faty mantsy isika rehefa tonga ny faran’izao tontolo izao fa tiany hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao, rehefa hovany ho paradisa ny tany.

Nanao fandaharana Andriamanitra mba hampianarana ny olona eran-tany. Ho hain’ny olona, amin’izay, hoe inona no tokony hataony raha te ho ao amin’ilay tontolo vaovao izy rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza i Jesosy hoe “hotorina maneran-tany” ny vaovao tsara momba an’io Fanjakana io. (Matio 24:14) Mitory sy mampianatra momba ny fampanantenan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Raha atambatra dia nahatratra 2000 tapitrisa mahery ny ora lanin’izy ireo nanaovana an’izany tamin’ny 2019. Efa nilaza i Jesosy hoe hatao maneran-tany io fitoriana io aloha kelin’ny hahatongavan’ny farany.

Kely sisa dia tsy hisy intsony ny fitondran’olombelona. Tsy voatery ho faty anefa ianao amin’ny faran’izao tontolo izao, ary afaka ny hipetraka ao amin’ilay Paradisa nampanantenain’Andriamanitra eto an-tany. Horesahin’ny lahatsoratra manaraka izay tokony hataonao raha te ho ao amin’io tontolo vaovao io ianao.

Manome fanantenana antsika ny faminanian’i Jesosy momba ny “andro farany”