Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Tontolo Vaovao Isika!

Mila Tontolo Vaovao Isika!

Hoy i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana: “Mikorontana be mihitsy ny fiainantsika.” Miombon-kevitra amin’izany angamba ianao.

Mampiady saina daholo ny vaovao henontsika

  • Aretina sy areti-mandringana

  • Hetraketraky ny natiora

  • Fahantrana sy mosary

  • Fahasimban’ny tontolo iainana

  • Heloka bevava, herisetra, kolikoly

  • Ady

Tena mila tontolo tsara kokoa isika, mba

  • Ho salama tsara daholo ny olona

  • Hiadana sy hilamina ny rehetra

  • Ho tondraka ny sakafo

  • Hadio tsara ny tontolo iainana

  • Hanjaka ny rariny sy ny hitsiny

  • Hisy fandriampahalemana eran-tany

Inona no tiantsika holazaina amin’ilay hoe tontolo tsara kokoa?

Hanao ahoana ny hiafaran’izao fiainantsika izao?

Inona no azontsika atao raha te hiaina ao amin’ny tontolo tsara kokoa isika?

Horesahin’ity Tilikambo Fiambenana ity ny valiny mampahery omen’ny Baiboly momba an’izany sy ny fanontaniana hafa.