Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Zanakao?

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Zanakao?

Kingakinga be ny ankizy rehefa mampiasa fitaovana elektronika ka hoatran’ny hoe kilalao ilay izy aminy. Vaovao be amin’ny olon-dehibe sasany kosa izy ireny ka tsy manavanana azy mihitsy.

Voamarikao koa angamba hoe rehefa mandany fotoana be loatra amin’ny Internet ny ankizy, dia...

  • lasa andevozin’ny fitaovana elektronika.

  • ampijalin’ny olona ao amin’ny Internet, na izy no mampijaly.

  • mety ho sendra sary vetaveta na hikaroka an’izany mihitsy.

TSARA HO FANTATRA

ANDEVOZIN’NY INTERNET

Tena mahatamana ny zavatra sasany ao amin’ny Internet, anisan’izany ny lalao video. Milaza ny boky iray fa “efa natao mba hahatonga antsika tsy hiala eo amin’ny telefaonina mihitsy ny programa sasany.” Misy dokam-barotra koa matetika ao amin’ireny programa ireny. Arakaraka ny ijerentsika azy ireny no mahatonga antsika hampidi-bola ho an’ny orinasa mpanao dokam-barotra.

ERITRERETO IZAO: Eo amin’ny telefaoniny na ny tablette-ny foana ve ny zanakao? Ahoana no azonao anampiana azy mba hahay hampiasa ny fotoanany?—EFESIANINA 5:15, 16.

MAMPIJALY NA AMPIJALINA

Mila vaniny sy miteny ratsy ary tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa ny olona sasany rehefa mampiasa tambazotran-tserasera. Mety hampijaly ny hafa izy, vokatr’izany.

Tena te ho voamariky ny olon-kafa ny olona sasany manao an’izany. Amin’izay, hono, mba mitombo ny namany ao amin’ny tambazotran-tserasera. Misy indray mahatsiaro hoe ampijalina. Rehefa hitany, ohatra, hoe nisy fiarahana nefa izy tsy voasa, dia malahelo izy satria mieritreritra hoe ailikilika.

ERITRERETO IZAO: Manaja ny olona ifandraisany ao amin’ny tambazotran-tserasera ve ny zanakao? (Efesianina 4:31) Zakany ve ny mahita hoe niara-nanao zavatra ny ankizy hafa dia tsy nanasa azy?

SARY VETAVETA

Vokatry ny Internet, dia lasa tsotra kely izao ny mahita sary mamoafady. Marina fa misy programa natao hisakanana azy ireny mba tsy hipoitra. Mila mitadidy anefa ny ray aman-dreny hoe tsy voatery ho azo antoka tanteraka ny programa hoatr’izany.

Mety hiharan’ny sazy koa ny olona manaparitaka na mitahiry sary vetaveta ao amin’ny telefaoniny. Mety homelohin’ny lalàna ho manaparitaka sarina ankizy manao zavatra vetaveta mihitsy aza ny olona manao an’izany any amin’ny tany sasany, arakaraka ny taonany.

ERITRERETO IZAO: Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy hijery na handefa sary mamoafady?—EFESIANINA 5:3, 4.

INONA NO AZONAO ATAO?

AMPIOFANO NY ZANAKAO

Na dia kinga be aza ny ankizy rehefa mampiasa teknolojia, dia mbola mila tari-dalana foana. Milaza ny boky iray hoe raha omenao telefaonina ny zanakao nefa izy mbola tsy mahay mampiasa tsara an’izany, dia hoatran’ny hoe “avelanao hitsoraka ao anaty rano izy nefa tsy mahay milomano.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” —OHABOLANA 22:6.

Mariho izay tianao hampiharina, na soraty izay hevitra hafa hitanao.

  • Hatoroko ny zanako hoe ahoana no hanajana ny olona ifandraisany ao amin’ny tambazotran-tserasera

  • Hampiako izy mba tsy halahelo be rehefa mahatsiaro ho voailikilika

  • Hataoko izay hisakanana ny sary vetaveta na zava-dratsy hafa tsy hipoitra

  • Hojereko matetitetika izay ao anatin’ny telefaoniny

  • Hoferako ny fotoana azony ampiasana fitaovana elektronika isan’andro

  • Tsy havelako hampiasa fitaovana elektronika any amin’ny toerana mitokana izy amin’ny alina

  • Tsy havelako hisy hampiasa fitaovana elektronika rehefa miara-misakafo