Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fomba Fisainanao?

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fomba Fisainanao?

Misy zavatra ianarana foana isika, ohatra hoe any am-pianarana na any am-piasana. Tena manampy amin’izany ny fitaovana elektronika. Afaka mahita fanazavana be dia be ianao rehefa mampiasa azy ireny. Tsotra kely ny mahita an’izany. Tsy voatery hivoaka ny trano na hiala eo amin’ny sezanao akory aza ianao!

Hitan’ny olona maro zatra mampiasa fitaovana elektronika anefa hoe...

  • lasa tsy mahavita mifantoka izy rehefa mamaky teny.

  • lasa tsy mahavita mifantoka amin’ny zavatra iray izy, fa te hanao zavatra maromaro indray miaraka.

  • mora leo izy rehefa irery.

TSARA HO FANTATRA

REHEFA MAMAKY TENY

Rehefa mamaky teny ny olona sasany zatra mampiasa fitaovana elektronika, dia jereny amin’ny ambangovangony fotsiny ilay izy fa tsy dinihiny tsara.

Tsy olana izany raha ilainao maika ny valin’ny fanontaniana iray. Tsy mety anefa izany raha misy hevitra tianao ho azo tsara.

ERITRERETO IZAO: Mahavita mamaky lahatsoratra lavalava ve ianao? Nahoana ianao no mila mahay an’izany raha te hampitombo fahaizana? —OHABOLANA 18:15.

REHEFA TE HIFANTOKA

Mampiasa fitaovana elektronika ny olona sasany mba hahavitany zavatra roa indray miaraka, ohatra hoe sady mianatra no mandefa hafatra amin’ny namana. Mizara roa anefa ny sainy amin’izay, ka mety samy tsy ho vitany tsara izay ataony, indrindra raha mila mifantoka izy amin’izy roa.

Mila mahafehy tena ianao raha te hahavita hifantoka. Tsy ho matiantoka ianao raha manao an’izany. Hoy ny tanora atao hoe Grace: “Hitako hoe aleo mifantoka amin’ny zavatra iray, toy izay manao zavatra be dia be indray miaraka. Vitsy kokoa ny diso ataonao amin’izay sady tsy dia mitaintaina ianao.”

ERITRERETO IZAO: Manenjika zavatra maromaro indray miaraka ve ianao, dia lasa tsy azonao tsara sady tsy tadidinao izay ianaranao? —OHABOLANA 17:24.

REHEFA IRERY

Tsy mahazo aina ny olona sasany rehefa irery amin’ny toerana mangina, dia mampiasa fitaovana elektronika mba hialana voly. Hoy i Olivia: “Fahefatr’adiny ihany aho, fara fahelany, no mahavita tsy mijery telefaonina na tablette na tele. Leo be aho aorian’izay!”

Mila mitokana anefa isika indraindray satria manampy antsika hisaintsaina tsara izany. Tena ilaina, ohatra, ny misaintsaina rehefa mianatra, ary tsy ny tanora ihany no mila an’izany fa ny olon-dehibe koa.

ERITRERETO IZAO: Manararaotra misaintsaina ve ianao rehefa irery?—1 TIMOTY 4:15.

INONA NO AZONAO ATAO?

MANDINIHA TENA

Ahoana no azonao ampiasana ny fitaovana elektronika mba hahavitanao hisaintsaina tsara kokoa? Inona anefa no mety hahatonga anao tsy hifantoka na tsy hahavita hianatra tsara rehefa mampiasa an’ireny fitaovana ireny?

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina.”—OHABOLANA 3:21.