Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 4 2017

 MATOAN-DAHATSORATRA

Be Atao Loatra ve Ianao?

Be Atao Loatra ve Ianao?

Mahatsapa ve ianao hoe be atao be? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Hoy ny gazetiboky Toe-karena (anglisy): “Hoatran’ny be atao daholo ny olona, na aiza na aiza.”

NISY fanadihadiana natao tamin’ireo olona miasa tontolo andro, tamin’ny 2015, tany amin’ny firenena valo. Maro no nilaza fa sarotra aminy ny mamita ny asany sady mikarakara ny ao an-trano. Fa nahoana? Mihabetsaka, ohatra, ny andraikiny any am-piasana na ao an-trano, ary mihamitombo ny vola mivoaka sy ny ora iasany. Voalaza fa miasa adiny 47 eo ho eo isan-kerinandro ireo miasa tontolo andro any Etazonia. Efa ho 1 tao anatin’ny 5 no nilaza fa miasa adiny 60 na mihoatra.

Nisy fanadihadiana hafa natao tany amin’ny firenena 36. Nilaza ny ampahefany mahery fa matetika izy ireo no mahatsapa hoe mirotoroto na dia rehefa miala voly aza! Mety hahatsapa an’izany koa ny ankizy raha be loatra ny zavatra ampanaovina azy sady misesisesy.

Mety hiady saina isika raha te hamita zavatra be dia be nefa tsy manam-potoana firy. Inona àry no hanampy antsika hahay handanjalanja kokoa? Mety hiankina amin’izay heverintsika fa mety sy ny safidintsika ary ny tanjontsika izany. Andeha aloha hodinihintsika hoe nahoana ny olona sasany no te hanao zavatra be dia be.

 1 TE HAMPIADANA NY ANKOHONANY

Hoy ny raim-pianakaviana atao hoe Gary: “Niasa foana aho nandritra ny herinandro. Nisy zavatra tsara kokoa foana mantsy tiako homena ny zanako. Tiako izy ireo raha mba manana ny zavatra tsy nananako taloha.” Mila mandinika an’izay ataony loha laharana anefa ny ray aman-dreny, na izany aza. Nisy fanadihadiana natao tamin’ny olon-dehibe sy ankizy miraiki-po be amin’ny vola sy fananana. Hita fa tsy dia mahatsiaro ho sambatra izy ireo, tsy dia afa-po amin’ny fiainana sady tsy dia salama, raha oharina amin’ny olona tsy miraiki-po amin’ny fananana.

Tsy tena ho sambatra ny ankizy raha omena zavatra be dia be fotsiny

Asain’ireo ray aman-dreny manenjika an’ity rehetra ity ny zanany, satria tiany ho tafita amin’ny fiainana. Be atao be koa anefa izy vokatr’izany. Milaza ny boky iray momba ny fianakaviana fa “lasa mijaly ilay ankizy sy ny ray aman-dreniny.”

2 MIHEVITRA FA IZAY MANAM-BE NO SAMBATRA

Miezaka mandresy lahatra antsika ny mpanao dokam-barotra hoe matiantoka isika raha tsy mividy ny zava-baovao navoakany. Hoy ny gazetiboky Toe-karena: “Hoatran’ny vao mainka tsy ampy ny fotoanan’ny [olona] rehefa mitobaka ny entana eny an-tsena. Lasa lany andro be mantsy izy mifidy hoe inona no hovidina na hojerena na hohanina”, mandritra an’ilay fotoana kely mba ananany.

Nilaza ny mpahay toe-karena malaza iray tamin’ny 1930 fa hanam-potoana malalaka kokoa ny mpiasa rehefa mandroso ny teknolojia. Diso hevitra anefa izy! Nilaza i Elizabeth Kolbert, mpanao gazety, fa “tsy mody aloha” ny mpiasa fa “mahita zava-baovao atao foana”, nefa mandany vola sy fotoana ilay izy.

3 TE HAMPIFALY NY HAFA

Miasa mafy mandritra ny ora maro ny olona sasany satria te hampifaly ny mpampiasa azy. Misy vokany amin’ny hafa koa ny ataon’ny mpiara-miasa. Hoatran’ny hoe diso mantsy izy raha tsy mirava tara toa azy ireo, dia lasa enjehin’ny eritreriny. Mety hisy olana ara-bola koa, ka vonona hiasa foana na hiasa ora maro kokoa ny olona.

Misy ray aman-dreny te haharaka an’izay ataon’ny fianakaviana hafa. Raha tsy mahavita  an’izany izy ireo, dia mety hanamelo-tena satria hoe mampihafy ny zanany, hono.

4 TE HISONDROTRA SY HO AFA-PO

Hoy i Tim, any Etazonia: “Tiako ny asako ary nifofotra niasa aho. Tiako haseho hoe mahavita azy aho.”

Maro koa no hoatr’izany. Mieritreritra izy hoe manana ny maha izy azy rehefa be atao. Inona no vokatr’izany? Hoy ihany i Elizabeth Kolbert: “Lasa misongadina kokoa eo amin’ny fiaraha-monina ny olona be atao. Hoatran’ny hoe vao mainka ianao tena ilaina arakaraka ny mahabe atao anao.”

MAHAIZA MANDANJALANJA

Milaza ny Baiboly fa mila mazoto miasa sy miasa mafy isika. (Ohabolana 13:4) Mampirisika antsika hahay handanjalanja koa anefa izy io. Hoy ny Mpitoriteny 4:6: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”

Ho salama sy hilamin-tsaina isika raha mahay mandanjalanja. Tena azo atao ve anefa ny mampihena ny zavatra atao? Eny. Ireto misy soso-kevitra efatra:

 1 DINIHO IZAY ZAVA-DEHIBE AMINAO SY NY TANJONAO

Ara-dalàna raha mba te hanana ny ampy isika. Ohatrinona anefa ny vola ampy antsika? Izay be karama na manankarena ihany ve no atao hoe tafita? Inona tokoa moa ny soa ho azontsika raha mamono tena miasa isika, nefa tsy manam-potoana hampiasana ny vola azontsika akory? Raha mandany fotoana be ialana voly koa anefa isika, dia mety mbola hiady saina ihany.

Hoy ihany i Tim: “Nanapa-kevitra ny hanatsotra ny fiainanay izahay mivady, rehefa avy nandinika tsara. Nataonay lisitra ny toe-javatra misy anay sy ny tanjonay vaovao. Noresahinay hoe inona no vokatry ny fanapahan-kevitra noraisinay taloha, dia inona no ilainay hatao mba ho tratranay ny tanjonay.”

2 AZA TIA MIVIDIVIDY ZAVATRA

Mampirisika antsika hifehy “ny fanirian’ny maso” ny Baiboly. (1 Jaona 2:15-17) Mety hitombo io faniriana io rehefa mijery dokam-barotra ny olona iray. Lasa voatery miasa ora maro àry izy, na mandany fotoana sy vola be hialana voly. Marina fa mety hahita na haheno dokam-barotra foana ianao. Azonao ferana anefa izany. Afaka mandinika tsara koa ianao hoe inona no tena ilainao.

Tadidio fa mety hisy vokany aminao ny olona ifaneraseranao. Raha ny hanangona vola aman-karena no imatimatesany na ny harena no heveriny fa mahasambatra, dia aleo mitady namana hafa. “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry”, hoy ny Ohabolana 13:20.

3 FERO NY FOTOANA IASANAO

Resaho amin’ny mpampiasa anao ny asanao sy izay zava-dehibe aminao. Aza manamelo-tena rehefa mba manokana fotoana hanaovana zavatra hafa ianao, fa tsy hoe miasa foana. Hoy ny  boky Miasa mba ho Velona (anglisy): “Mandeha vakansy ny olona sasany, na ferany ny fotoana iasany mba hahafahany manao ny andraikiny ao an-trano. Samy nahita izy ireo hoe mandeha tsara ihany ny zava-drehetra na tsy eo aza izy.”

Nanana ny ampy i Gary, ilay voaresaka tany aloha, ka nanapa-kevitra hampihena ny ora iasany. Hoy izy: “Noresahiko ny vady aman-janako hoe aleo tsorinay ny fiainanay. Dia nataonay tsikelikely ilay izy. Nangatahiko koa ny mpampiasa ahy mba hampihena ny andro iasako isan-kerinandro, dia nanaiky izy.”

4 ATAOVY LOHA LAHARANA NY VADY AMAN-JANAKAO

Mila miara-manao zavatra ny mpivady, ary mila miaraka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Aza miezaka haharaka an’izay ataon’ny fianakaviana be atao àry. Hoy i Gary: “Manokàna fotoana hakana aina, ary ajanony izay zavatra tsy dia lehibe loatra.”

Rehefa tafaraka ianareo mianakavy, dia aza avela hanakana anareo tsy hifampiresaka ny tele na ny telefaonina na ny zavatra hafa. Miezaha hiara-misakafo indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny, ary hararaoty izany mba hifampiresahana. Ho hitanao fa ho sambatra kokoa ny zanakao sady hahay kokoa any am-pianarana.

Miezaha hifampiresaka rehefa miara-misakafo

Mieritrereta àry hoe: ‘Inona no tanjoko eo amin’ny fiainana? Tiako hanao ahoana ny fianakaviako?’ Miezaha hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly hoe mila atao loha laharana, raha te ho sambatra sy ho afa-po ianao.