Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Hérodote

Hérodote

INONA no kolontsain’ny olona, an’arivony taona lasa izay? Nanao ahoana ny fiainana? Tsy afaka manome valiny feno ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Hahalala ny toe-tsain’ny olona fahiny anefa isika, raha nisy olona nandrakitra an-tsoratra ny zava-nisy tamin’ny androny. Nanao an’izany i Hérodote, izay velona efa ho 2 400 taona lasa izay. Mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.) izy, ary Ny Tantara no lohatenin’ilay boky nosoratany.

Nosoratan’i Hérodote tao anaty boky ny anton’ireo ady nataon’ny Grika, indrindra fa ny antony nahatonga ny Persianina hanafika an’io firenena io, tamin’ny taona 490 sy 480 T.K. Mbola kely i Hérodote tamin’ilay fanafihana faharoa. Tsy izay ihany anefa no noresahiny, fa izay rehetra fantany momba an’ireo firenena notafihin’ny Persianina.

TSY TANTARA FOTSINY

Mpanoratra nanan-talenta i Hérodote. Tiany ho feno tsara ny zavatra nosoratany, ka nampidiriny tao izay tsipirian-javatra hitany hoe nilaina. Tena niavaka ny zava-bitan’i Hérodote, satria tsy nahita tantaram-pirenena azony nakana hevitra izy.

Tsy nisy nisahirana nanoratra tantara tamin’izany, raha tsy hoe mba hireharehana noho ny zava-bita miavaka angaha. Tsangambato koa no nasiana azy ireny. Inona àry no nataon’i Hérodote? Tsy maintsy niantehitra tamin’izay nolazain’ireo vavolombelona nahita maso sy ny lovantsofina ary ny zavatra hitany sy reny izy. Nitety faritra maro koa izy. Tao amin’ilay zanatany grika atao hoe Halicarnasse (na Bodrum ankehitriny, any Torkia) izy no nihalehibe, ary efa nitety tanàna maro tany Gresy.

Nitety faritra maro i Hérodote mba hanangonana fanazavana

Nianavaratra koa izy, ka nankany amin’ny Ranomasina Mainty sy Skytia, any Ukraine ankehitriny, avy eo nianatsimo, ka nankany Palestina sy Ejipta Ambony. Niantsinanana indray izy ka tonga hatrany Babylona, ary avy eo niankandrefana tany amin’ny zanatany grika iray, any amin’ny faritra atsimon’i Italia ankehitriny. Tany angamba izy no maty. Nijery ny zava-nisy izy tany amin’izay toerana nalehany ary nanadihady. Afaka nahazo fanazavana tamin’ireo olona hitany hoe azo nitokisana izy tamin’izany.

MARINA VE NY ZAVATRA NOSORATANY?

Sombina taratasy papyrus avy tamin’ilay boky Ny Tantara

Maro no miaiky an’izany, rehefa jerena ny toerana nalehany sy ny zavatra hitany. Miresaka fomba amam-panao tsy fantatry ny olona tany Gresy, ohatra, izy. Anisan’izany ny fandevenana mpanjaka tany Skytia na ny fitehirizana faty tany Ejipta. Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny fanazavany. Voalaza fa “sarobidy lavitra noho izay rehetra voasoratra fahiny” momba an’i Ejipta ny fanazavana be dia be nosoratan’i Hérodote momba an’io tany io.

Matetika anefa i Hérodote no niantehitra tamin’ny fanambarana tsy azo antoka. Nino koa ny olona tamin’ny androny fa miditra amin’ny fiainan’ny olona ny andriamanitry ny mpanompo sampy. Tsy mahafeno ny fepetra takin’ny mpahay tantara amin’izao àry ny zavatra sasany nosoratany. Niezahan’i Hérodote nosarahina anefa ny tena zava-misy sy ny angano. Notsoriny koa fa tsy inoany daholo ny zavatra nolazaina taminy. Izany no fanatsoahan-keviny rehefa avy nandinika sy nampitaha an’ireo loharanon-kevitra izy.

Ny namita an’ilay boky hoe Ny Tantara no nandanian’i Hérodote ny androatokom-piainany. Niavaka ny zava-bitany, satria tsy dia nanana boky azo nakana hevitra izy.