Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! SEPTAMBRA 2015

Ny Nosy Ometepe no anisan’ny misongadina eo amin’ny Farihin’i Nikaragoà. Lonaka be izy io ary misy tendrombohitra volkano roa, izay ampitohizin’ny andilan-tany

 TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Nikaragoà

Fitsidihana An’i Nikaragoà

MATETIKA ny olona no miantso an’i Nikaragoà hoe tanin’ny farihy sy volkano. Any no misy ny farihy lehibe indrindra any Amerika Afovoany. Farihin’i Nikaragoà no anaran’izy io, ary antsoin’ny tompon-tany hoe Cocibolca, na “Ranomasina Mamy.” Misy nosy an-jatony ao. Io ihany no ranomamy misy hazandrano fahita any an-dranomasina, toy ny antsantsa, trondro mivava-tsofa, ary bekapoka.

Ny franzipanie no voninkazo mampiavaka an’i Nikaragoà

Any Nikaragoà koa no misy ny toerana mitokana indrindra any Amerika Afovoany, dia ny Morontsirak’i Mosquito. Mahatratra 65 kilaometatra ny sakan’izy io, ary manaraka ny morontsiraka atsinanan’i Nikaragoà ka hatrany Honduras ny lavany. Ny Miskito (na Mosquito) no anisan’ireo tompon-tany any. Efa talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeanina, tamin’ny taonjato faha-16, izy ireo no nonina tany.

Mifankatia be ny Miskito ary miavaka ny kolontsainy. Tsy manana teny manaja toy ny hoe “Andriamatoa” na “Ramatoa”, ohatra, izy ireo. Izany no mahatonga ny ankizy any ambanivohitra hiantso ny olon-dehibe hoe “Dadatoa” na “Nenitoa”, na havany ilay olona na tsia. Izao no  fanaon’ny vehivavy mpinamana akaiky na mpihavana rehefa mifampiarahaba: Ataony mifampikasoka ny takolany ilany, dia mifoka rivotra lalina ilay vehivavy nanomboka an’ilay fiarahabana.

Tompon-tany

Boky ara-baiboly amin’ny teny mayangnan sy miskito, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah