Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 6 2017

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Alhazen

Alhazen

ANGAMBA ianao mbola tsy nahare momba an’i Abu Ali al-Ḥasan ibn al-Haytham. Alhazen no ahalalana azy any Eoropa sy Amerika. Io ilay fanampin’anarany hoe al-Ḥasan raha amin’ny teny latinina. Azo inoana anefa fa mandray soa avy amin’ny asan’io lehilahy io ianao. Voalaza fa izy no “anisan’ny niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny siansa ary nisy vokany be ny zavatra nataony.”

Teraka tao Bassora, any Irak ankehitriny, i Alhazen tamin’ny 965 tany ho any. Anisan’ny nahaliana azy ny astronomia, fitsaboana, fizika, matematika, mozika, poezia, simia, ary ny momba ny maso sy ny hazavana. Inona anefa no zava-bitany tena niavaka?

TOHODRANO TEO AMIN’I NIL

Tamin’ny 1902 no vita ny tohodrano teo amin’ny Reniranon’i Nil. Tao amin’ny tanànan’i Assouan izy io no natao. Efa ho 1 000 taona talohan’izay anefa no nandeha be ny resaka hoe nikasa hanao azy io i Alhazen.

Nipetrapetraka tsara ny planina nataony tamin’izay mba tsy hisy tondra-drano sy hain-tany hisesisesy tao Ejipta. Raha vao ren’i Al-Hâkim, mpanjaka silamo tao Le Caire, ilay hevitra hitan’i Alhazen, dia nasainy nankany Ejipta izy mba hanao an’ilay tohodrano. Rehefa nahita maso an’ilay renirano anefa i Alhazen, dia fantany hoe tsy ho vitany ilay tetikasa, ka natahotra ny hosazin’io mpanjaka tia niovaova hevitra io izy. Mody nanao adala àry izy mandra-pahafatin’ilay mpanjaka tamin’ny 1021, izany hoe 11 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanam-potoana betsaka nandalinana zavatra hafa izy, tany amin’ny toerana nihazonana azy.

ILAY BOKY MOMBA NY HAZAVANA

Nanoratra boky fito momba ny hazavana i Alhazen. Tany amin’ilay toerana nihazonana azy izy no nanoratra ny ankamaroan’izy ireo. Noheverina ho “anisan’ny boky ilaina indrindra eo amin’ny tantaran’ny fizika” ireo boky ireo. Resahina ao ny andrana nataony mba hahalalana ny toetoetran’ny hazavana, anisan’izany ny hoe ahoana no mahatonga azy io hizarazara ho lasa loko isan-karazany, sy hiverina rehefa midona amin’ny fitaratra, ary  hivily lalana rehefa mandalo zavatra roa samy hafa. Nianatra ny mombamomba ny maso koa izy.

Tamin’ny teny arabo ny asa soratr’i Alhazen. Voadika tamin’ny teny latinina izy ireny tamin’ny taonjato faha-13. Nampiasa azy ireny ny manam-pahaizana eoropeanina nandritra ny an-jatony taona. Nanoratra momba ny toetoetran’ny lopy i Alhazen, ary tena nanampy an’ireo mpanao solomaso tany Eoropa ilay izy. Nahavita namorona teleskaopy sy mikraoskaopy mantsy izy ireo, rehefa nataony milahatra ireo lopy.

FAKAN-TSARY FAHINY

I Alhazen no voalaza fa olona voalohany nanamboatra “efitra maizina” fakana sary. Misy lavaka kely idiran’ny hazavana eo amin’ilay izy. Lasa tazana eo amin’ny rindrina anatin’ilay efitra àry ny sarin’izay zavatra any ivelany, saingy mivadika ilay sary.

Azo inoana hoe i Alhazen no namorona ny fomba fakana sary

Lasa nisy takelaka nampiasaina, tamin’ny 1800 tany ho any, mba hitehirizana ny sary azo. Nanjary nisy àry ny fakan-tsary. Hoatran’ny fomba fakana sary tao amin’ilay efitra ihany ny fomba fakana sary amin’ny fitaovana maoderina. Hoatr’izany koa ny ataon’ny masontsika. *

FOMBA FIASAN’NY MPAHAY SIANSA

Nandalina ny zava-misy eo amin’ny natiora i Alhazen, ary nitandrina be rehefa nanao fikarohana. Anisan’ny tena nampiavaka azy izany. Tsy nahazatra ny olona tamin’ny androny ilay fomba fiasany. Anisan’ireo voalohany nanao andrana izy mba hanaporofoana raha marina ny teoria iray na tsia. Tsy natahotra nilaza ny heviny izy, rehefa tsy voaporofo hoe marina ilay izy.

Azo fintinina toy izao ny fitsipika mifehy ny siansa maoderina: “Porofoy izay inoanao!” Misy milaza fa i Alhazen no “nisantatra ny fomba fiasan’ny mpahay siansa amin’izao.” Tena mankasitraka azy isika noho izany.

^ feh. 13 Tsy tena azon’ny Tandrefana hoe inona no mampitovy ny masontsika amin’ilay efitra maizina fakana sary, raha tsy nohazavain’i Johannes Kepler, tamin’ny 1604.