Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NO. 6 2016

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Didier Érasme

Didier Érasme

NALAZA ho ny manam-pahaizana eoropeanina nahay indrindra tamin’ny androny i Didier Érasme (1469 tany ho any-1536), nefa avy eo nolazaina fa kanosa sy mpivadi-pinoana. Nisy adihevitra be momba ny fivavahana, indray mandeha, ary sahiny ny nanala sarona ny fampianaran-diso sy fanararaotana nataon’ny Fivavahana Katolika sy ireo te hitondra fanovana. Maro izao no miaiky hoe anisan’ny nanova be ny fivavahana tany Eoropa izy. Nahoana?

ZAVATRA NIANARANY SY NINOANY

Nahafehy tsara ny teny grika sy latinina i Érasme. Nampitahainy àry ny Baiboly latinina, toy ny Vulgate, sy ireo sora-tanana grika voalohandohany nisy ny Soratra Grika Kristianina (na Testamenta Vaovao). Resy lahatra izy fa tena mila ianarana ny Baiboly, ka tokony hadika tamin’ny fitenin’ny olona tamin’ny androny.

Nilaza i Érasme hoe tokony hisy fanovana eo anivon’ny Eglizy Katolika. Nino mantsy izy fa tokony ho fomba fiaina ny Fivavahana Kristianina, fa tsy fanarahana fombafomba tsy misy dikany fotsiny. Nihevitra àry ny Katolika fa izy no nahatonga an’ireo mpitondra fanavaozana hanohitra ny Eglizy sy hitaky fanovana.

Sahin’i Erasme ny nanala sarona ny fampianaran-diso sy fanararaotana nataon’ny Fivavahana Katolika sy ny mpitondra fanavaozana

Naneso an’ireo mpitondra fivavahana i Érasme tao amin’ny asa sorany. Nolazainy fa mpanararaotra sy tia mampideradera fananana izy ireo. Tia laza koa, hono, ny papa, izay nankasitraka ny ady. Tsy nankasitrahan’i Érasme ireo mpitondra fivavahana nanararaotra ny mpiangona, rehefa nampanao fombafomba samihafa. Anisan’izany ny konfesy, fivavahana amin’ny olo-masina, fifadian-kanina, ary fivahiniana masina. Tsy nekeny koa ny handoavan’ny mpiangona vola amin’ny Eglizy mba hahazoana famelan-keloka, sy ny fandrarana tsy hanambady.

 TESTAMENTA VAOVAO TAMIN’NY TENY GRIKA

Namoaka Testamenta Vaovao tamin’ny teny grika (fanontana voalohany) i Érasme, tamin’ny 1516. Nisy fanazavana teny ilay izy. Io no Soratra Grika Kristianina natao pirinty voalohany. Nadikany tamin’ny teny latinina koa ny Soratra Grika Kristianina. Vao mainka tsy nitovy tamin’ny Vulgate ilay izy, rehefa nasiany fanitsiana tsikelikely.

Testamenta Vaovao nadikan’i Érasme tamin’ny teny grika

Anisan’ny tsy nampitovy azy ireo ny 1 Jaona 5:7. Niampy teny diso antsoina hoe comma Johanneum io andininy io tao amin’ny Vulgate, mba hanaporofoana fa telo izay iray Andriamanitra. Nampiana an’izao ilay andininy: “... any an-danitra, dia ny Ray, ny Teny ary ny Fanahy Masina: ary izy telo ireo dia iray.” Tsy nampidirin’i Érasme tao amin’ilay Testamenta Vaovao (fanontana voalohany sy faharoa) nadikany anefa ireo. Tsy nisy an’ireo mantsy ny sora-tanana grika nampiasainy. Noteren’ny Eglizy hampiditra an’ireo teny ireo tao amin’ilay Testamenta Vaovao anefa izy, rehefa natonta fanintelony izy io.

Nohatsarain’i Érasme ilay Testamenta Vaovao nadikany tamin’ny teny grika, ka nampiasain’ireo mpandika Baiboly tany Eoropa. I Martin Luther, ohatra, nandika ny Soratra Grika tamin’ny teny alemà, William Tyndale tamin’ny teny anglisy, Antonio Brucioli tamin’ny teny italianina, ary Francisco de Enzinas tamin’ny teny espaniola.

Nisavorovoro ny fivavahana tamin’ny andron’i Érasme, ary tena nanampy an’ireo Mpitondra Fanavaozana Protestanta ilay Testamenta Vaovao nadikany. Noheverin’ny sasany ho mpitondra fanavaozana mihitsy aza i Érasme, talohan’ny nisian’ny Fanavaozana Protestanta. Niady hevitra be ny teolojianina taorian’izay, nefa tsy nety niandany tamin’iza na iza i Érasme. Nanoratra àry ilay manam-pahaizana atao hoe David Schaff, maherin’ny 100 taona lasa izay, fa ‘tsy nanana fivavahana [i Érasme] tamin’izy maty. Samy tsy nisy nilaza na ny Katolika na ny Protestanta hoe anisan’izy ireo izy.’