Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NO. 3 2016

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Ignace Semmelweis

Ignace Semmelweis

TSY tena be mpahalala i IGNACE SEMMELWEIS. Nahasoa fianakaviana maro anefa ny fikarohana nataony. Teraka tany Buda (Budapest ankehitriny), any Hongria, izy ary nahazo diplaoma ho mpitsabo tao amin’ny Oniversiten’i Vienne, tamin’ny 1844. Niara-niasa tamin’ny profesora iray tao amin’ny Hopitaly Be tao Vienne izy, tamin’ny 1846. Nisy olana lehibe tamin’izany satria ny 13 isan-jaton’ny vehivavy niteraka tao no matin’ny aretina atao hoe fièvre puerpérale (fanaviana aorian’ny fiterahana).

Betsaka ny zavatra noheverina fa nahatonga an’io aretina io, nefa tsy nisy nahalala ny tena antony. Nandamòka koa izay ezaka natao mba hampihenana ny isan’ny maty. Tsy afaka tao an-tsain’i Ignace ireo renim-pianakaviana be dia be nijalijaly mandra-pahafatiny. Tapa-kevitra àry izy fa hitady ny antony nahatonga an’ilay aretina sy ny fomba hisorohana azy io.

Nisy trano fiterahana roa samy hafa tao amin’ilay hopitaly niasan’i Ignace Semmelweis. Nahavariana fa be lavitra ny vehivavy maty tao amin’ilay trano voalohany noho ny tao amin’ilay faharoa. Tao amin’ilay voalohany no nofanina ny mpianatra ho mpitsabo, fa tao amin’ilay faharoa kosa ny mpampivelona. Izay ihany no tsy nampitovy azy ireo. Nahoana àry no nisy elanelany be ny isan’ny maty? Niezaka nitady ny valin’izany i Ignace. Maro ny zavatra noeritreretiny hoe nety ho nahatonga an’ilay aretina. Nanao fikarohana momba an’izany izy, fa mbola tsy nahita vahaolana foana.

Maty i Jakob Kolletschka, naman’i Ignace sady mpiara-miasa taminy, teo am-piandohan’ny 1847. Ny ratra nahazo azy tamin’izy nandidy faty no nahatonga izany. Izay no nahalalana ny fototr’ilay aretina. Hitan’i Ignace fa misy itovizany amin’ny fomba nahafatesan’i Jakob ny fomba nahafatesan’ireo vehivavy avy niteraka. Nieritreritra àry izy  hoe nifindra tany amin’ireo vehivavy bevohoka angamba ny “poizina” avy tamin’ireo faty. Matetika mantsy ny dokotera sy mpianatra ho mpitsabo no nandidy faty, izay vao nampiteraka na nizaha vehivavy bevohoka. Nifindra tsy nahy tamin’ireo vehivavy àry ilay aretina. Tsy mahagaga raha vitsy kokoa ny isan’ny maty tao amin’ilay trano faharoa, satria tsy nandidy faty ireo mpianatra ho mpampivelona.

Tonga dia nametraka fitsipika hentitra i Ignace hoe tsy maintsy manasa tanana amin’ny ranon-javely ny dokotera sy mpianatra ho mpitsabo, alohan’ny hizahana vehivavy bevohoka. Tena nahomby ilay izy satria nidina be ny salanisan’ny vehivavy maty. Nisy 18,27 isan-jato izany tamin’ny Aprily 1847, nefa lasa 0,19 isan-jato ny faran’io taona io.

“Namoaka an’iny voka-pikarohana iny aho mba tsy hihorohoro intsony ny vehivavy, any amin’ny hopitaly fiterahana, ary mba tsy hamoy ny vadiny ny lehilahy na hamoy ny reniny ny zaza.”—Ignace Semmelweis

Tsy ny rehetra anefa no faly rehefa nahomby i Ignace. Tezitra, ohatra, ny lehibeny satria niharihary hoe diso ny fanazavana nomeny momba an’ilay fanaviana aorian’ny fiterahana. Nahasorena azy koa ilay fitsipika hentitra nataon’i Ignace. Voaroaka tamin’ny asany i Ignace tamin’ny farany, ary niverina tany Hongria. Niasa tao amin’ny Hopitaly Saint-Roch izy, ary niandraikitra ny sampan-draharaha mikarakara ny vehivavy bevohoka sy hiteraka. Lasa latsaka ny 1 isan-jato ny salanisan’ny vehivavy maty tao, noho ilay fomba fiasa vaovao.

Tamin’ny 1861 i Ignace no namoaka an’ilay boky hoe Ny Mahatonga ny Fanaviana Aorian’ny Fiterahana ary ny Fisorohana Azy (alemà). Mampalahelo fa tsy nasian’ny olona lanjany ny voka-pikarohany raha tsy taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Betsaka àry ny olona maty nefa tokony ho voavonjy.

Nandray fepetra hentitra i Semmelweis mba hanajana ny fahadiovana tao amin’ny hopitaly niandraiketany. —Sary hoso-dokon’i Robert Thom

Nekena ihany tatỳ aoriana hoe i Ignace Semmelweis no anisan’ny voalohany nahita teknika hamonoana mikraoba. Ny boky nosoratany no nahalalana hoe mety hiteraka aretina izy ireny. Voalaza fa “ny voka-pikarohany no miavaka indrindra teo amin’ny sehatry ny fitsaboana.” Mahavariana fa efa 3000 taona mahery talohan’io ny Lalàn’i Mosesy no nilaza hoe inona no tokony hataon’ny olona avy nikasika faty.