Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! AOGOSITRA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA

Toy ny Fitehirizam-boky ny Selanao!

Toy ny Fitehirizam-boky ny Selanao!

NAMOAKA fanazavana vaovao momba ny zavamananaina i James Watson sy Francis Crick, tamin’ny 1953. Hitan’izy ireo tamin’ny fikarohany fa toy ny tohatra miolakolaka ny ADN. * Hoatran’ny kofehy izy io, ary ao anatin’ny vihin’ny sela no tena ahitana azy. Misy toromarika miendrika kaody ao aminy. Toy ny hoe an-tsoratra ilay izy, ka izany no mahatonga ny sela ho toy ny fitehirizam-boky. Nitondra ainga vao teo amin’ny sehatry ny siansa io voka-pikarohana io. Inona anefa no ilana an’ireny toromarika ao amin’ny sela ireny? Ary ahoana no nampisy azy?

 NAHOANA NY SELA NO MILA TOROMARIKA?

Efa lasa saina ve ianao hoe: Ahoana no mahatonga ny voa ho lasa hazo, na ny mahatonga ny atodinaina ho lasa olona? Nahoana ianao no misy itoviana amin’ny dadanao na ny mamanao? Ireo toromarika ao amin’ny ADN no mahatonga izany.

Misy ADN ny ankamaroan’ny sela. Molekiola be pitsiny izy io, ary toy ny tohatra miolakolaka ny paoziny. Misy zavatra simika antsoina hoe A, C, G ary T ao amin’ny ADN. * Mitambatra tsiroaroa izy ireo, ka toy ny zanatohatra ny fahitana azy. Misy 6 000 tapitrisa eo ho eo amin’ireo zavatra simika ireo ao amin’ny zenôman’ny olombelona, izay tsy inona fa ny fitambaran’ny ADN ilaina mba hahazoana ny toromarika momba ny vatana manontolo. Nilaza i Crick tamin’ny 1957 fa ny fitambaran’ireo zanatohatra ireo no manome toromarika. Lasa fantatra ny mombamomba an’ireny toromarika ireny nanomboka tamin’ny 1960.

Betsaka ny fomba azo itehirizana sy ampidirana fanazavana, na sary io na feo na teny. Amin’ny endrika nomerao, ohatra, no anaovan’ny ordinatera an’izany. Ny sela kosa mampiasa zavatra simika, ka ny ADN no taharo fototra amin’ilay izy. Miantoka ny fahaveloman’ny zavamananaina ny hoe rehefa miteraka izy na mizarazara ny sela ao aminy, dia mifindra koa ny ADN.

Efa nanao mofomamy angamba ianao, ary nanaraka ny toromarika fanamboarana azy. Misy dingana maromaro amin’ilay izy, ary mazava sy voafaritra tsara ny dingana tsirairay. Ahavitana mofomamy izany rehefa arahina. Mirakitra toromarika toy izany koa ny ADN, saingy tsy mofomamy no vita  amin’ilay izy fa zavamaniry na biby. Mandeha ho azy izany rehetra izany eo amin’ny sela nefa be pitsiny.

Mahafeno boky iray misy pejy 1 000 ny fanazavana ao anatin’ny selan’ny bakteria

Voatahiry tsara ny toromarika ao amin’ny ADN, ary ampitaina ao amin’ny sela vaovao rehefa misy sela simba na marary ka mila soloana. Amin’io fomba io koa no ifindran’ny lafin-toetra sasany amin’ny taranaky ny zavamananaina. Hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny fanazavana ao amin’ny ADN? Aleo hojerentsika ny ao amin’ny bakteria, ilay zavamananaina bitika indrindra. Hoy i Bernd-Olaf Küppers, mpahay siansa alemà: “Raha hazavaina an-tsoratra ny firafitry ny selan’ny bakteria, dia hahafeno boky iray misy pejy 1 000.” Hoy ny Pr. David Deamer: “Mahagaga fa be filirony na dia ny zavamananaina faran’izay tsotra aza.” Raha ny zenôman’ny olombelona no hazavaina an-tsoratra toy izany, hoy i Küppers, dia “ho feno boky an’arivony ny trano fitehirizam-boky iray.”

“VOASORATRA AMIN’NY FOMBA AHAZOANTSIKA AZY”

Nilaza i Küppers fa azo ampitahaina amin’ny teny ny zavatra voarakitra ao amin’ny ADN. Tsy maintsy milahatra amin’ny fomba marina tsara ireny “teny” ireny, toy ny tenin’ny olombelona ihany. Raha tsorina dia hoe manana “fitsipi-pitenenana”, na lalàna mifehy azy, ny ADN. Io no mamaritra ny zavatra raketin’ireo toromarika sy ny fomba hanatanterahana azy.

Teny sy fehezanteny mitambatambatra no ahavitana toromarika. Fitambarana “teny” sy “fehezanteny” toy izany no ahavitana proteinina sy zavatra hafa ao anatin’ny sela. Avy amin’ilay toromarika, ohatra, no mampisy ny selan’ny taolana, selan’ny hozatra, selam-pitatitra, na selan’ny hoditra. Hoy i Richard Dawkins, mpikaroka mino ny evolisiona (na fiovana miandalana): “Fanazavana ranofotsiny no ao amin’ny ADN. Amin’ny endrika kaody ilay izy ka zavatra simika no mahaforona azy, izany hoe zavatra simika iray no maka ny toeran’ny litera iray. Hoatran’ny tsy mampino hoe voasoratra amin’ny fomba ahazoantsika azy ireny kaody ireny.”

Nivavaka tamin’Andriamanitra i Davida, mpanoratra Baiboly, hoe: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.  Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.” (Salamo 139:16) Nampiasa poezia i Davida teo, nefa tena mitombina ny zavatra nolazainy. Izany no mampiavaka ny mpanoratra Baiboly. Tsy nisy heriny teo amin’izy ireo mihitsy ny fombafomba sy anganon’ny olona fahiny.—2 Samoela 23:1, 2; 2 Timoty 3:16.

Nahoana ny zaza iray no lasa misy itoviana amin’ny ray aman-dreniny?

AHOANA NO NAMPISY AN’IRENY TOROMARIKA IRENY?

Matetika no misy zavatra hafa manitikitika ny sain’ny mpahay siansa, rehefa avy mahita zava-baovao iray izy ireo. Rehefa fantatra izao hoe misy toromarika ao amin’ny ADN, dia mipetraka indray ny fanontaniana hoe ‘Ahoana no nampisy an’ireny toromarika ireny?’ Mazava ho azy fa tsy nisy olona nahita ny niforonan’ny ADN voalohany. Isika ihany àry no tsy maintsy manatsoaka hevitra, nefa tsy mety ny manombantombana. Diniho ireto fampitahana ireto:

  • Nahitana zavatra vita amin’ny tanimanga efa ntaolo be tany Pakistan, tamin’ny 1999. Nisy soratsoratra tsy mahazatra teo amin’izy io, ary mbola tsy misy mahalala ny dikan’ilay izy hatramin’izao. Niaiky anefa ny rehetra hoe nataon’olona ilay izy.

  • Izao indray no nitranga taona vitsivitsy taorian’ny nahitan’i Watson sy Crick ny firafitry ny ADN: Nisy onjam-peo heno avy any ambony tsy taka-maso any, ka nanolo-kevitra ny fizisianina roa lahy hoe tokony hokarohina ny loharanon’ilay izy. Izany no nahatonga ny olona hikaroka sao misy zavamananaina any amin’ny planeta hafa.

Mino foana ny olona hoe misy loharanony ny fanazavana iray, na amin’ny endrika soratsoratra eo amin’ny tanimanga ilay izy, na onjam-peo avy any ambony tsy taka-maso. Izany no fanatsoahan-keviny na dia mbola tsy takany aza ny dikan’ilay fanazavana. Mahagaga anefa fa tsy manatsoaka hevitra hoatr’izany izy ireo rehefa nahita ny ADN, ilay zavatra be pitsiny indrindra hitan’ny olona hatramin’izay. Lazainy fa niforona ho azy avy amin’ny zavatra tsy misy aina izy io. Mitombina ve izany? Mifanaraka amin’ny siansa ve izany? Mpahay siansa maro no mamaly hoe tsia. Anisan’ireny ny Pr. Gene Hwang sy Yan-Der Hsuuw. Diniho izay nolazainy.

Nandalina momba ny fandovan-toetra ny Pr. Gene Hwang. Nino ny evolisiona izy taloha fa niova hevitra. Hoy izy tamin’ny Mifohaza!: “Lasa azoko kokoa ny zava-mitranga ao anatin’ny zavamananaina, rehefa nandalina momba ny fandovan-toetra aho. Niaiky aho hoe tena hendry ny Mpamorona.”

Talen’ny foibem-pikarohana momba ny tsaika, ao amin’ny oniversite iray any Taïwan, ny Pr. Yan-Der Hsuuw. Nino ny evolisiona koa izy taloha, fa ny voka-pikarohany no nahatonga azy hiova hevitra. Hoy izy momba ny sela: “Tsy maintsy miforona araka ny filaharany sy eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny sela tsirairay. Mitambatambatra izy ireo, dia avy eo lasa taova na rantsambatana. Tsy  ho vitan’ny injeniera mihitsy ny hamorona toromarika ahavitana an’izany. Voasoratra amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny ADN anefa ny toromarika hiforonan’ny zaza ao am-bohoka. Rehefa mandinika an’izany aho dia miaiky hoe noforonin’Andriamanitra isika.”

Gene Hwang (havia) sy Yan-Der Hsuuw

NAHOANA IZANY NO TSARA HO FANTATRA?

Raha Andriamanitra no Mpamorona, dia tsy tokony holazaina hoe nivoatra miandalana ny olona. (Apokalypsy 4:11) Raha noforonin’ilay Mpamorona hendry indrindra koa isika, dia tsy maintsy nisy antony matoa isika noforoniny. Tsy hitombina mihitsy izany raha nivoatra miandalana isika. *

Olona maro no te hahazo valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana manitikitika azy. Hoy i Viktor Frankl, efa mpitsabo aretin-tsaina sy aretin’ny rafi-pitatitra: “Tian’ny olona ho fantatra hoe inona no antony ahavelomany. Izany no zavatra voalohany mibaiko ny fiainany.” Te hifandray amin’Andriamanitra ny olona ary te hahita fahafaham-po. Tsy ho nisy mihitsy izany raha tsy noforonin’Andriamanitra isika. Raha asa tanan’Andriamanitra àry isika, inona no nataony mba hanomezana fahafaham-po antsika?

Mamaly an’izany i Jesosy Kristy. Hoy izy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Nanampy olona an-tapitrisany hifandray amin’Andriamanitra ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Lasa fantatr’izy ireo ny antony namoronana azy, ary hainy hoe hisy zavatra tsara hitranga amin’ny hoavy. (1 Tesalonianina 2:13) Afaka manampy anao koa ny Baiboly, ka tokony handinika an’io boky miavaka io ianao.

^ feh. 3 Niorina tamin’ny zavatra efa hitan’ny mpikaroka ilay zavatra hitan’i Watson sy Crick momba ny ADN. Fanafohezana an’ilay hoe acide désoxyribonucléique ny hoe ADN.—Jereo ilay efajoro hoe “ ADN: Daty Miavaka.”

^ feh. 6 Adénine, thymine, guanine, ary cytosine no fanalavana an’ireo litera ireo.

^ feh. 22 Manazava momba ny evolisiona sy ny famoronana ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina sy ilay hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? Azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg izy ireo.