Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hahaizako Mifidy Fialam-boly?

Ahoana no Hahaizako Mifidy Fialam-boly?

Hifidy ny fialam-boly ataonao ianao raha Kristianina. Tsy hoe izay be mpijery na be mpamaky na be mpihaino fotsiny no hofidinao. Nahoana? Satria maro amin’izy ireny no manindrahindra firaisana tsy ara-dalàna sy herisetra ary fifandraisana amin’ny herin’ny maizina, nefa tokony hohalavirinao izany. Misy fialam-boly tsara ihany anefa. Andao hojerentsika hoe ahoana no hahaizana mifidy azy ireny. *

FILMA

Asio ✔ eo akaikin’izay karazana filma tianao indrindra.

  • Mampihomehy

  • Mampalahelo

  • Mampientanentana

  • Hafa

Tsara ho fantatra: Matetika i Inde no mamokatra filma 1 000 mahery, ao anatin’ny herintaona. Be lavitra noho ny an’ny tany hafa izany.

Izay tokony hohalavirina: Raran’ny Baiboly ny zavatra hindrahindrain’ny filma maro. Asehon’izy ireny an-karihary ny olona manao firaisana, mahery setra, na manana hery hafahafa. Hoy anefa ny Baiboly: ‘Esory aminareo ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta.’ (Kolosianina 3:8) Melohin’Andriamanitra koa izay asa rehetra mifandray amin’ny herin’ny maizina.—Deoteronomia 18:10-13.

Ahoana no hahaizana mifidy? “Tsy mijery an’ilay filma aho raha hitako hoe hafahafa ny santionany amin’ilay izy.”—Ravaka. *

“Tsy manaiky hampirisirisihin’olona mihitsy aho raha tsy azoko antoka hoe mitovy ny zavatra heverinay fa mety.”—Mirindra.

“Tonga dia mivoaka aho raha misy tsy azoazoko amin’ny filma iray any amin’ny sinema.”—Marinah.

“Misy tranonkala ao amin’ny Internet miresaka ny habetsahan’ny firaisana sy herisetra ary zavatra ratsy amin’ny filma tsirairay. Izany no ahalalako ny momba ny filma iray.”—Natasha.

Soso-kevitra: Mitadiava filma azo inoana kokoa hoe tsy dia hisy zava-dratsy. Hoy i Masami, ankizivavy 19 taona: “Tiako be ny filma nalaina avy amin’ny boky misy tantara taloha.”

Eritrereto hoe

‘Moa ve ny filma jereko manampy ahy hankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny firaisana sy ny herisetra ary ny herin’ny maizina?’

BOKY

Asio ✔ eo akaikin’izay karazana boky tianao indrindra.

  • Tantara noforonina

  • Tantara tena misy

  • Angano

  • Hafa

Tsara ho fantatra: I Etazonia fotsiny dia efa mamoaka boky 1 000 mahery isan-kerinandro.

Tsy matiantoka mihitsy ny mpandraharaha eo amin’ny resaka fialam-boly, fa mahazo tombony be, raha tsy miraharaha ny feon’ny fieritreretanao mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ianao fa mijery sy mamaky ary mihaino an’izay malaza fotsiny.

Izay tokony hohalavirina: Raran’ny Baiboly ny zavatra hindrahindrain’ny boky maro, toy ny amin’ny filma ihany. Misy, ohatra, mampiseho sarin’olona manao firaisana na miresaka momba ny herin’ny maizina. Hoy anefa ny Baiboly: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po.” (Efesianina 5:3) Lazainy koa fa ‘ratsy eo imason’i Jehovah’ ny zavatra mifandray amin’ny fanahy ratsy.—2 Mpanjaka 17:17.

Ahoana no hahaizana mifidy? “Vakiko ny fonony aoriana ary jerijereko ny lohateny ao anatiny, rehefa mitady boky tsara aho. Tsy vidiko ilay boky raha misy zava-dratsy.”—Marie.

“Rehefa nihalehibe sy nanomboka nanapa-kevitra samirery aho, dia hitako hoe zava-dehibe ny mihaino ny feon’ny fieritreretako. Rehefa hitako hoe tsy mifanaraka amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra ny boky iray, dia tsy vakiko intsony.”—Corinne.

Soso-kevitra: Mamakia boky samihafa. Hoy i Fy, 17 taona: “Tsy mahaliana ahy ny boky maoderina mitantara zavatra sarotra ekena. Aleoko boky misy tantara tsotra. Tiako ny teny ampiasainy sy ny fomba ilazalazany ny mpilalao ary ny fizotran’ny tantara.”

Eritrereto hoe

‘Boky misy resaka fitondran-tena tsy tian’Andriamanitra ve no mampiala voly ahy?’

MOZIKA

Asio ✔ eo akaikin’izay karazana hira tianao indrindra.

  • Rock

  • Kilasika

  • Jazz

  • R&B

  • Hip-hop

  • Hafa

Tsara ho fantatra: Raki-kira 30 000 eo ho eo isan-taona no vokarin’ny mpamokatra raki-kira efatra lehibe.

Izay tokony hohalavirina: Tsy mendrika ny fitondran-tena hindrahindrain’ny hira maro, toy ny amin’ny filma sy boky ihany. Mety ho vao mainka sarotra aminao ny hifehy ny fanirianao hanao firaisana, noho ireo tononkira sy raki-tsary vetaveta. (1 Korintianina 6:18) Hoy i Léa, 21 taona: “Mampirisika ny olona hanao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Baiboly ny mozika maro ankehitriny.” Milaza koa izy fa mampirisika ny olona hanao dihy tsy mendrika ireny hira ireny.

Ahoana no hahaizana mifidy? “Mieritreritra aho hoe ho menatra ve aho raha misy olon-dehibe kristianina mijery ny lisitry ny hira henoiko? Izany no ahitako hoe hira hoatran’ny ahoana no tokony hohenoiko.”—Henintsoa.

Soso-kevitra: Manandrama mihaino karazan-kira hafa. Hoy i Roberto, 18 taona: “Naheno mozika kilasika tsindraindray aho satria tia mozika kilasika i Dada. Hafa mihitsy ny zavatra tsapako rehefa nanomboka nianatra mozika kilasika aho sady nianatra nitendry piano.”

Eritrereto hoe

‘Manampy ahy hifehy ny faniriako hanao firaisana ve ny mozika henoiko sa vao mainka mahatonga an’izany ho sarotra?’

FANAZAVANA FANAMPINY

Vakio ny toko 31 sy 32 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

 

^ feh. 3 Tsy mampirisika sady tsy manakana ny olona hifidy filma na boky na hira iray manokana ny Mifohaza! Ny hanampy anao hampiasa ny feon’ny fieritreretanao mba hifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra no tanjon’ity lahatsoratra ity.—Salamo 119:104; Romanina 12:9.

^ feh. 12 Novana ny anarana sasany ato.