Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Tsy Itovizany?

Inona no zavatra telo tsy mampitovy ny sary A sy B? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.

Vakio ny Eksodosy 25:23, 30, 31, 37; 30:1-7; Levitikosy 24:5, 6.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

4. Iza no sary marina, ilay A sa ilay B?

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no tsy maintsy ataon’ny mpisorona alohan’ny hanompoany ao amin’ny tranolay?

Vakio ny Eksodosy 30:17-21.

Nahoana ianao no tokony hadio tsara foana raha te hampifaly an’i Dada sy Neny sy Jehovah? Inona koa no tokony hadio, ankoatra ny vatana sy ny fitafiana?

Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11; 2 Korintianina 7:1.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Samy manao fikarohana momba “ny Toerana Masina” ao amin’ny tranolay ny rehetra. (Hebreo 9:2) Milaza zava-baovao iray momba izay nokarohiny ny tsirairay avy eo.

Vakio ny Salamo 119:105; 141:2; Matio 4:4; Jaona 4:34; Apokalypsy 8:4.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 9 JEREMIA

FANONTANIANA

A. Inona avy ireo boky efatra ao amin’ny Baiboly nasain’i Jehovah nosoratan’i Jeremia?

B. Marina sa diso: Tsy nanambady mihitsy i Jeremia.

D. Fenoy ity tenin’i Jeremia ity: ‘Toy ny ... ato am-poko ny tenin’Andriamanitra, ...’

[Tabilao]

4026 T.K. Taona 1 98

(Talohan’i Kristy)

Noforonina Niaina tamin’ny Vita ny fanoratana

i Adama 650 T.K. tany ho any ny Baiboly

[Sarintany]

Nipetraka tany Jerosalema ary nankany amin’ny Reniranon’i Eofrata sy Ejipta—Jeremia 13:1-9; 43:8-13.

Jerosalema

Eofrata

EJIPTA

JEREMIA

MOMBA AZY

Voatendry ho mpaminany izy na dia mbola tsy teraka aza. (Jeremia 1:1-5) Tsy nivadika mihitsy izy ary nanompo an’Andriamanitra nandritra ny 65 taona mahery. Tsy sahy nitory i Jeremia sady nieritreritra hoe tsy mahay. Hoy anefa i Jehovah taminy: “Aza matahotra ... fa ‘momba anao aho, mba hanafaka anao.’ ”—Jeremia 1:6-8.

VALINY

A. Mpanjaka Voalohany sy Faharoa, Jeremia, ary Fitomaniana.

B. Marina.—Jeremia 16:1-4.

D. “... afo mirehitra ... eny, toy ny afo mirehitra voahidy ao amin’ny taolako.” —Jeremia 20:9.

Olona sy Tany

5. Geoffrey no anarako, sivy taona aho, ary mipetraka atỳ Fidji. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Fidji: 500 sa 2 500 sa 10 500?

6. Ataovy anaty boribory izay teboka mampiseho ny atỳ aminay. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Fidji.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

● Any amin’ny pejy 27 ny valin’ny “NATAO HODINIHIN’NY MPIANAKAVY”

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Ny isan’ny jiro eo amin’ilay fitoeran-jiro.

2. Ny isan’ny mofo aseho.

3. Tandroka avy eo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra.

4. A.

5. 2 500.

6. E.